Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du octobre, 2026

Fanjiry, mampahatsiahy ny Fitia sy ny Vehivavy AREMA

  Araka ny fandaharam-potoana efa nipetraka tany amin'ny tambajotra sosialy any dia anio 31 ôktôbra 2026 no hihaona amin'ny vahoakan'Avaradrano ny vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara. Voalaza moa fa ao amin'ny t okontany malalaka Ambodivoara, Kaominina Ambohimangakely no anatanterahina izany fihaonana izany. Afisy hafa no ahitana fa misy artista vitsivitsy hanafana izany fihaonana na lanonana izany:        Efa namoaka ny fizotran'ny raharaha eny Ambohimangakely ny pejy Facebook an'ny Faritra Analamanga, mitovitovy avokoa ny ambaran'ireo mpitati-baovao eny an-toerana, fa tonga eny ny vadin'ny Filoham-panjakana sady filohan'ny Fikambanana Fanjiry  amin'ny hetsika fanolorana tolotra ara-pivelomana sy ho an'ny famoronana asa ho an'ireo mponina ety Avaradrano.     Araka ny hita ao amin'ny tambajotra sosialy ihany dia maromaro ireo manampahefana hafa manatrika izany fotoana izany, hita ao ohatra ny Lehib...

Avia! avia ra-orana ô!

Vakio tsara aloha ny lohateny sao dia diso fandray dieny ety am-boalohany. Tsy niantso fozaorana aho fa orana tsotra! Tsy niantso orana bibikely koa anefa aho fa oram-batravatra, orana milatsaka manamando ny tany, mamelona ny voary manontolo, mamelombelon'aina koa ny olombelona izay matetika tsy mahay mankasitraka izay mahasoa azy fa izay tiany ihany no ataony. Saingy izao: Avia! avia ra-orana ô! hoy ny hirahiranay fahakely. Hiram-pankasitrahana satria fanomezan'Andriamanitra koa io, tsy misy afa-tsy izay ny tonony, hiram-pifaliana io ny anay fa tsy fanafenana tomany. Raha azonay natao aza dia nilalao tao anaty orana izahay. Tsy mahalala izany hoe mankarary anie io.   Ao anatin'izany no ahatsapana fa manana fahendrena kokoa ny Malagasy manoloana ny toetr'andro. Ny mpanjana-tany no mety ho niezaka nanazatra antsika ny voambolana hoe tsara ny andro na ratsy ny andro fa ny antsika malagasy manorana na maina io dia mivonona amin'izay hitranga. Ny Malagasy talohan'ny...

Fifankahalàna sisa no avelan'ny politika amin'izao fotoana izao

Tsikaritra rehefa manara-baovao amin'izao fotoana izao, na aiza na aiza, fa lasa mifankahala sy mifandramatra ara-pitenenana ny olona, mifanompa sy mifanambany. Tsy mifidy firenena izany fifankahalàna izany, na firenena mandroso io na firenena an-dalampandrosoana na firenena mahantra mihitsy koa aza, fa lasa miteraka fifankahalàna amin'izao ny tsi-fitovian-kevitra. Ny hitako aloha dia ny eto Madagasikara, ny ao Frantsa sy ny ao Eoropa amin'ny ankapobeny ary ny ao Amerika Avaratra, dia tsy adino koa ny ao Amerika Latina amin'ny ankapobeny. Raha ny eto Madagasikara dia fantarina fotsiny ny fironan'ny fantsona famoaham-baovao iray dia miharihary ny karazam-baovao avoakany, misy ny mitsikera hatrany ny ataon'ny mpitondra na inona na inona ataony, misy indray miaro hatrany ny mpitondra amin'ny lafiny rehetra... lasa toy ny fady ny manao elanelam-panahy, tsy fantatra intsony izay marina sy izay rariny.  Ny ivelan'i Madagasikara indray dia misy fironana tena ma...

Izay olona mahasahy mijoro ho kristiana dia tondroina ho extrême-droite avy hatrany

Tao ho ao izay dia nahazo vahana ny fanenjehana ny kristiana. Raha ny eto Madagasikara aloha dia mbola eo amin'ny sehatry ny ady hevitra sy ny famelezana am-bava no manjaka. Na izany aza, be loatra ny lainga ao amin'izay voalaza ka mahatonga ny Maharesaka efa nampiomana mialoha fa manana fironana kokoa hiaro ny kristianisma. Efa zatra nanoratra, nifanakalo na niady hevitra tao amin'ny diniky ny namana serasera eo amin'ny finoana sy ny fivavahana nandritra ny fotoana nampahalaza azy koa ny tena. Raha manao izany dia tsy manana antokom-pivavahana manokana ho arovana. Tsy voasakana hanao tsikera anefa satria izay no fahalalahana ary tsy matahotra excommunication satria tsy mandray baiko avy amin'olona na rafitr'olombelona (raha lazaina amin'ny fomba hafa dia hoe Andriamanitra no henoina kokoa mihoatra noho ny olombelona). Rehefa manara-baovao dia mahatsikaritra fa raha mahasahy mijoro amin'ny maha-kristiana azy ny olona iray dia tondroina avy hatrany ho ex...

Tantara: ny fankatoavana ny Fanjakan'i Madagasikara na Royaume de Madagascar

  Manankarena zavatra tokony holazaina ny Tantaran'i Madagasikara rehefa volana oktobra. Fantatra voalohany indrindra amin'izany ny 14 oktobra 1958 izay nijoroan'ny Repoblika Malagasy (voalohany), mitovy daty amin'izany koa ny niakaran'ny Filohan'ny Fanavaozana an'i Madagasikara (PRRM) Michaël RANDRIANIRINA teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2025. Tsiahy koa fa tamin'ny 15 oktobra 1896 no nitifirana an'i Rainandriamampandry, jeneraly mpitari-tafika tsy afaky ny mpanani-bohitra tamin'ny nifaharany tao Manjakandrianombàna (Farafaty) sy ny Printsy Ratsimamanga, rafilahin'ilay manamboninahitra malagasy nisafidy ny hiara-dia amin'i Frantsa (valifaty ny azy). Fa ny anankiray tsy dia misy mitantara, fa tsy tiana ho henon'ny taranaka mihitsy aza, dia ny fankatoavana ny fijoroan'ny Fanjakan'i Madagasikara, na Royaume de Madagascar , noho ny fifanarahana vita teo amin-dRadama Rainy sy ny solontenan'ny Mpiandraikitra voalo...

Ara-bakinteny fa tsy sangisangy: Feo mamono afo

Nentin'ny Meksikana tanora vavy 16-17 taona tany amin'ny ISIF 2026, International Science and Invention Fair, tany Jakarta Indonezia tamin'ity volana ôktôbra 2026 ity ny fitaovana iray noforoniny entina mamono afo amin'ny alalan'ny fidoboky ny feo fotsiny, tsy mila rano, tsy mila roatra (foam), ary tsy mila fitaovana shimika hafa.   Ángela Karime Venegas Hernández no anaran'izany tovovavy izany, 16 taona izy ary avy ao an-tanànan'i Altamira, fanjakan'i Tamaulipas, Meksika. Mbola mpianatra amin'ny Lisea (teknika) izy no nifaninana amin'ny famoronan-javatra ao amin'ny firenena misy azy. Nahazo ny laharana faharoa ny tetikasany manoloana ireo mpifaninana 270 hafa, nahafahany n isolo tena an'i Meksika mandritra ny Foara Iraisampirenena momba ny Siansa sy ny Famoronana (International Science and Invention Fair) taona 2026.   Nomeny anarana  Vortex Tech ny fitaovana entina mamono afo ary fomba fiasan'ny fitaovana ny "manakenda" ny...

Nahatratra 131 µg/m3 ny tahan'ny fahalotoan'ny rivotra teto Antananarivo omaly 23 ôktôbra 2026

Nanaitra ny mpiserasera ny fampahalalàna navoakan'ny pejy Facebook iray mpandala ny tontolo iainana sady te-hanova ny fanovana ho amin'ny fahombiazana omaly 23 ôktôbra 2026 fa nahatratra 197 g/m3 ny tahan'ny loton'ny rivotra teto Antananarivo amin'ny fandrefesana ny P.M 2.5. Rehefa nitsirika tamin'ireo mpanome izany tondro izany (ohatra IQAir) anefa izahay  dia io nataonay lohateny io ihany no nasehony. Tsy mandiso izay nosoratany izahay fa mety ho manana ny mari-pandrefesany manokana ry zareo, fa ny hitanay ihany no azonay ampitaina.    Tamin'ny 22 ôktôbra 2026 tamin'ny fito ora alina no nanomboka nihoatra ny 100µg/m3 io tondro io , nahatratra 130,8µg/m3 izany tamin'ny dimy maraina 23 ôktobra 2026. Nidina hatramin'ny 23.5 µg/m3 izany rehefa tonga ny tamin'ny folo maraina 23 ôktôbra 2026 ary 42.5µg/m3 ny ambony indrindra tamin'ny dimy marainan'ny 24 ôktôbra 2026 ho an'ny eto Antananarivo daholo izany. Singa iray mety ho nampidina ...

Miverina an-tranonkala ny Feon'ny Demokrasia Malagasy

Iray volana mahery teo ho eo izay dia tsy nohavaozina intsony ny vaovao tao amin'ny gazety an'habaka feon'ny demokrasia . Ankehitriny kosa, noho ilay lesoka tamin'ny PHP ve, dia manomboka mamoaka vaovao ao amin'ny tranonkala indray ry zareo na dia tsy nitsahatra ny namoaka izany ao amin'ny pejy Facebook mitondra ny anarany ihany aza. Mirary soa ho azy ny ato amin'ny Maharesaka mba hazoto hamoaka ao an-tranonkala hatrany ry zareo na dia tsy betsaka noho izay manaraka ao amin'ny Facebook aza ny mpitsidika mankao.      

Nahitana lesoka ara-piarovana goavana ny PHP

  Nolazaina ampahibemaso tamin'ny alarobia 21 oktobra 2026 teo fa nahitana lesoka ara-piarovana roa lehibe tao amin'ny arofenitra ara-pandrafetana PHP, izay lazaina ho "hazondamosin'ny folihala" araka ny filazan'ny manampahaizana sasany. Nomena ny laharana na anarana CVE-2026-109618 sy CVE-2026-109619 ireo lesoka roa lehibe teo amin'ny PHP nomena anarana tamin'ny voalohany hoe "Personal Home Page" fa lasa "Hypertext Preprocessor" amin'izao fotoana ireo. Manodidina ny 70 isanjaton'ny tranonkala manerantany dia saika mampiasa azy io avokoa fa ny lohamilina (serveurs) rehetra mampiasa ny rafitra PHP kosa dia tratrany avokoa. Araka ny tatitra dia efa roa volana izay no tsikaritry ny Ilontsaina Arafitra (IA) ireo lesoka ireo fa rehefa hita ny fomba hanitsiana azy vao nambara ampahibemaso izany. Manaporofo ny tanjaky ny IA izao toe-javatra izao sady mampanahy koa ny zava-bitany fandrao tsy voafehin-draolombelona intsony. Voalaza f...

Ny famantaranandron'ny gara

Raha eto Madagasikara no miresaka famantaranandron'ny gara dia ny ao Soarano, Antananarivo, avy hatrany ny ao an-tsaina. Isaky ny miditra mankeo Analakely aho dia any amin'ny Gara hatrany no itopazako maso voalohany. Rehefa mijery ny gara aho dia ny ora tondroiny no karohiko. Tsy izay ihany fa eo anoloan'ny gara no mipetraka ny vaton'ny PK0 ho an'ny lalampirenena rehetra miainga ao an-drenivohitra. Noho izany, tokony ho ny famantaranandron'ny Gara no "Big Ben" eto Madagasikara. Tsy zavatra moramora izany fa ny ora tondroiny no tokony arahin'ny olona sy ny orinasa rehetra ao Antananarivo mba hifanaraka ny ora fa tsy izay tian'ny tsirairay no atao. Noho izay fiheverana araka ny fitantarana izay dia toy ny tsy azo visavisaina fa karazana vaovao lehibe manerana an'i Madagasikara raha ny famataranandron'ny gara no tsy mandeha, saingy mbola manjaka loatra moa ny fotoan-gasy, ka tsy mbola tafiditra tsara ny ho mari-potoana. Ny fanajana ny foto...

Hafatry ny MF 03 SL 20

Efa nahavita ny fivoriana fahatelo fanaony tokoa ny ao amin'ny Mpiandraikitra Foibe an'ny Fiangonan'ny Jesoa Kristy eto Madagasikara voafidin'ny Synoda Lehibe faharoapolo notanterahina tany Tolagnaro. Ity sehatra misy antsika ity dia sehatra mahaleotena fa tsy miankina amin'ny fiangonana na amin'ny fanjakana na mpanao politika na mpandraharaha vaventy sy madinika akory aza. Noho izany dia Maharesaka ireo lohahevitra mety tsy ho sahin'ny hafa lazaina na anaovana resaka sompirana akory aza. Natao ampahibemaso sy hitan'ny rehetra ny fanambarana, noho izany dia afa-manontany ampahibemaso izahay na dia tsy voatery hahazo valiny aza. Manaraka izany ihany koa, ny raharaha manahirana (izay no voasoratra amin'ny Foto-Dalàna sy Fitsipika) no fady tsy azo avaka ivelany raha mbola te-ho mpikambana ao amin'ny FJKM sy ny raharaha saropady angaha, fa ny eto kosa dia fanontaniana tsotra noho ny famakiana ny fanambaràna ampahibemaso satria misy zavatra tiana ho a...

Frantsa: Mbola misy ny fanantenana

Rehefa avy nanoratra ny fitovitoviana tamin'ny tranga nisy teto Madagasikara ny amin'izay nitranga tao Frantsa tamin'ny 17 oktobra 2026 dia mipoitra tsimoramora eny ihany ireo tsy nolazaina ankarihary fa manjary fanehoana fanavakavaham-bolonkoditra hono. Nisy ireo vondron'olona nanao fihetsika maha-mpivavaka azy mialoha ny fanaovana ilay fandrobàna. Lohalaharana tamin'ny famakiana ny tranon'ireo mpivarotra... fa mifantina ireo tranombarotra hovakìna. Dia tsikaritra avy eo fa vaky avokoa ny tranombarotra tantanin'ny Jiosy tao amin'ny lalana iray tao Marseille tao nefa tsy nokitihina mihitsy kosa ny tranombarotra tantanin'ny Miozolomana. Toeran-kafa indray, niaro mafy ny fivarotany ilay ramatoa ary nampiseho fa Miozolomana izy, vantany vao fantatra izany dia niala teo ireo mpamaky fa nandeha toeran-kafa. Hita ihany koa ny lahatsary entin'ireo taranaka mpifindramonina, mibaiko manaisotra izay sora-baventy na soratra amin'ny baoritra tsy misy fa...

24 taona ny tambajotra malagasy namana serasera org

Araka ny nolazain'ny nanangana azy voalohany dia feno 24 taona ny tambajotra malagasy "namana serasera" talohan'ireo malaza fantatsika ankehitriny sy zary mahazatra antsika. Ny 19 oktobra 2002 tokoa, araka ny voalaza, no nitsangana ny tranonkala. Ny zavatra niainako kosa no azoko lazaina. Tamin'ny voalohany dia "mailing list" na "yahoogroupes" no nidirako. Dia nisy ireo Malagasy manerana izao tontolo izao niditra tamin'izany vondrona izany. Asa tsy nisy niresaka ve sa ahoana fa "nangataka kintana" tsirairay ireo olona tao, izany hoe nangataka ny hiala amin'ny vondrona.  Avy eo nisy resaka politika mafana tao amin'ireo Malagasy diaspora ireo. Ny tsy zakako tao anatiny tao dia ny lainga nafafy tao anatiny, mifanohitra tanteraka tamin'izay niainan'ny Malagasy no niadian-kevitra tao. Nanomboka tamin'izay aho no namoaka vaovao isan'andro manana ny lohateny hoe Maresaka arahina daty. Tankina ny lainga nifafy. Avy...

17 taona - 17 marsa 2009 - 17 oktobra 2026

Ny sary rehetra dia nalaina tao amin'ny wikimedia commons. Marihina mialoha fa hampifanandrify ny tantara nitranga teto Madagasikara nanomboka ny 26 janoary 2009 ka hatramin'ny 17 marsa 2009 tamin'izay nitranga tao Frantsa ny 17 oktobra 2026, izany hoe 17 taona taty aoriana, ny mpanoratra. Na dia Malagasy tsy mizaka ny zom-pirenena frantsay aza ny tena dia nanaraka manokana ity raharaha nitranga tao Frantsa ity. Tsy araka izay asehon'ny haino vaky jery mahazatra fa araka izay hita na izay fijery avy ety ivelan'i Frantsa sy an'ny tena manokana.  Avy amin'ireo lahatsary asehon'ny mpandray anjara sy tia mampita mivantana no ahitana fa be loatra ny fitoviana tamin'ny tranga. Nianatra tantaran'i Madagasikara ve sa izay nanolo-tsaina tamin'izay nitondrana ny "tolona" teto Madagasikara ihany no manolo-tsaina amin'io tolona ao Frantsa io? Sa niara-nanovo paikady tamin'ny vondron'olona iray ireo mpitolona teto Madagasikara sy ao...

Tranonkala iray handao ny habaka malagasy ihany koa ny Actutana

  Tranonkala iray miompana amin'ny zavamisy sy iadian-kevitra eto Madagasikara ny Actutana na dia any Frantsa aza no monina ny tompon'andraikitra voalohany mitantana azy. Rehefa nonina tany Frantsa izy dia nangataka ny zom-pirenena frantsay ary nahazo izany. Manana ny heviny manokana izy raha amin'ny raharaha eto Madagasikara, ary tsy voatery hitovy hevitra amin'ny ny Maharesaka izay miorina manokana eto Madagasikara, manakaiky ny renivohitra.  Azo lazaina ho ela velona ihany io tranonkala actutana io satria efa nandimby ny tranonkala tananews. Samy niresaka politika avokoa izy ireo ary tsy matahotra loatra milaza ny heviny na somary tsy manazava hatramin'ny farany tiany holazaina aza matetika fa ianao mpamaky ny asainy manohy mitsakotsako izay tokony ho tohin'ny resaka. Milaza moa i Elman, tompon'ny Actutana, fa ny tranonkala no mitsahatra fa mbola hitohy kosa ny tafatafa ao amin'ny Facebook rehefa mazoto ho amin'izany izy. Hiova taranja ny tompony...

Antsiranana: Mpianatra oniversite mifampitoraka, miady trano ipetrahana

Ny marainan'ny zoma 16 oktobra 2026 no efa raikitra ny fifampitorahan'ny samy mpianatra tao Antsiranana tao. Voalaza fa nisy ihany koa ireo nitondra zava-maranitra ho enti-miady. Fototry ny fifandirana ny fizarana ireo efitrano vaovao ho an'ny mpianatra izay notsinjaraina mitovy ho an'ny fikambanan'ny mpianatra isam-paritra. Tsy nanaiky izany toe-javatra izany anefa ny fikambanan'ny mpianatra avy ao Sofia sy Sava araka ny tatitra satria mihoatra ny atsasaky ny isan'ny mpianatra manontolo ao an-toerana ry zareo ka heverin-dry zareo ho tsy rariny izany fizarana mitovy isa isa-pikambanam-piaviana izany. Olana lehibe ho an'ireo Oniversite maro eto Madagasikara io resaka fonenan'ny mpianatra io satria tsy ampy velively ho an'ny mpianatra izany amin'ny ankapobeny. Tranga fahita matetika ny fibodoan'ireo mpianatra efa nahavita fianarana ny trano na dia efa tsy mpianatra intsony aza izy ireo. Ivelan'izay, raha ny tao Ankatso, karazany mividy ...

Sarety mandeha lalambe migodàna

Io ilay efa nahiana. Sarety mandeha lalambe migodàna. Androany zoma 16 oktobra 2026, arabe migodàna anelanelan'ny AR0 sy ny mandalo an'Ambohimanga. Tsy taitra ry zalahy mitondra ny sarety. Ireto aza mba manaraka ny zotra fa misy mandeha mifanohitra amin'ny zotra amin'iny tamin'ny diako miverina. Nisy koa tamin'ny efatra maraina mamo mandeha afovoan'ny arabe amin'ny lalana mifanena amin'ny fiara ihany koa. Misy ny miampita arabe mitondra biriky maromaro (andro alina tompoko) tsy miraharaha izay fiara hoavy fa tahaka ny manao hoe hitsaho raha sahy. Manana ny lalana ho azy izy ireny fa tsy voakijakoja dia aty no moramora kokoa. Raha zatra an'izao anefa dia tsy hanaiky rehefa hentitra amin'ny tokony ampiharana ny lalàna amin'izay.  

Arahabaina ise fa nihatsara endrika kokoa!

Tranonkalam-baovao manana foibe eto Antananarivo fa mivoaka amin'ny teny frantsay ise amin'ny ankapobeny. Tsindraindray ihany vao mba misy amin'ny teny malagasy. Tsy misy ifanomezantsiny ny amin'izany. Misy ny teny mahavelona satria sokajin'olona ambony no voasarika ho amin'izany ary ireny koa no afa-manjifa izay atolotry ny mpanao dokambarotra. Ireny no tena mpamelona antsika koa tsy olana izany. Ny ato r'ise tsy azoko fa tsy hita laharana ny mpitsidika avy ao Frantsa a! Avy ao Etazonia no be mpanaraka indrindra vao manaraka lavitra dia lavitra ny avy eto Madagasikara. Nefa dia miverina mankany Amerika Avaratra indray fa avy ao Canada no laharana manaraka ary mitovy laharana aminy ny avy ao UK. Noho ny tsi-fampiasako ny teny frantsay ve no mahatonga izany?   Tsipalotro tampoka ihany koa fa tena matihanina sy za-draharaha ireo mpanao gazety ao amin'ise. Tsy mahafantatra aho na firy na firy fa mahay mampita vaovao ry zareo ka. Mety tsara ny fomba famoahan...

Tsetsatsetsa tsy aritra 15 oktobra 2026

Noho ny tsy fankasitrahan'ny taranaky ny Filoha Philibert Tsiranana ilay sarivongana vaovao napetraka sy notokanana omaly 14 oktobra 2026 tao Anahidrano dia noesorina androany maraina izany sarivongana izany ary naverina teo ihany ny sarivongana teo aloha.

Akon'ny fetin'ny fahafahana amin'ny teny malagasy

Notontosaina tany Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia omaly 14 oktobra 2026 ny faha-68 taona ny Repoblika Malagasy. Tsy mbola nahazo ny fahaleovantena isika Malagasy tamin'io fotoana io, saingy nanomboka teo kosa isika no tsy lazaina intsony ho zanatany frantsay (araka ny lalàna tamin'ny 6 aogositra 1896). Nandritra ny kabary nataony ny Filohan'ny Fanavaozana, Michaël Randrianirina, no niampanga ny endrika fanjanahantany vaovao mihatra amin'i Madagasikara, noho ny fiankinana ara-toekarena mihatra aminy sy ny herim-panintonana vahiny ary ireo fomba nolovaina mbola mangeja. Ankoatra izay nolazainy dia nanintona ny sain'ny Maharesaka manokana ny tenin'ny filoha momba ny toeran'ny teny malagasy ao amin'ny fampianarana. Notsikerainy tamin'izany ny fandraràn'ireo toeram-pampianarana miteny frantsay ny mpianatra ao aminy tsy hahazo ny tenin-dreniny, izany hoe ny teny malagasy. Fomba mifanohitra amin'ny fankatoavana ny mari-pamantarana ny kolontsa...

Tsy angaroa fa anjombona!

Tsy manana kolontsaim-panairana fantatra loatra ny Malagasy raha tsy efa antomotra na efa mihatra ny loza na ny voina na ny fanafihan'ny fahavalo. Toa manaporofo izany ny fomba fitenenana iray manao hoe "Efa ho lava toy ny afon'Antongona". Tazana avy eny Antananarivo na avy eny Ambohimanga ny afon'Antongona rehefa avy ny Sakalava mpanafika tao Imerina tamin'izany fotoana izany. Mailo loatra angamba ry zalahy ka tsy noraharahian'ny mpitily sy ny mpiambina intsony izay nataon'ny teny Antongona... Efa tafiditra sarotra tohaina ny mpanafika vao velomina ny kiririoka sy ny hazolava, lasa ikoropahana daholo ny zavatra atao. Raha mandre izany tantara izany isika dia tsy tokony hanao tsinontsinona intsony ireo fanairana manoloana ny karazana loza mitatao ho an'ny tsirairay, ho an'ny tanàna na ho an'ny firenena. Mbola tsy mahazatra loatra ny Malagasy ihany koa ireo antsoina hoe "lanceurs d'alerte" (Whistleblowers) ary indraindray aza a...

Adin'ny anjely sy ny devoly ao Frantsa

Raha ny fomba fisainako tsotra izao dia tsy ho nanao lohateny tahaka izao mihitsy aho. Heverina avy hatrany ho fisainan-jaza ny fomba fihevitra mametraka andian'olona ho hetsehin'ny devoly na tarihin'ny anjely. Fa sarotra kosa ny manazava amin'ny fomba tsotra ny toe-javamisy ao Frantsa amin'izao fotoana izao raha tsy tonga ao an-tsaina ny amin'ny anjely sy ny devoly.  Lazaina ho anjely amin'izao lahatsoratra izao ny fandalàna ny fifankatiavana, ny fandalàna ny filaminana sy ny fifanampiana ary ny fifampizaràna sy ny fandriampahalemana. Lazaina ho devoly kosa ny fandalàna ny fahatezerana mitondra ho amin'ny haromotana ka manjary tia manimbazimba, dia mihantsy ady, mitoraka fananan'olona sy mandroba ny hafa ihany koa, miafina ao ambadiky ny fitakiana izany vao mainka manampy trotraka ny olana ny fihetsika atao. Nahoana no mitaky fanorenana tsara raha simbaina sy dorana izay vao naorina? Endrey ny hafalian'ny maro, endrey ny fanandratana hira fiderà...