Feno 15 taona androany tokoa ilay diaben’ny fahafahana niainga avy teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ka tapaka nanoloana ny lapam-panjakana teny Iavoloha. Sahabo 12 kilaometatra eo ho eo izany halavirana izany izay marihina fa notontosaina an-tongotra avokoa. Olona an-hetsiny ny namakivaky iny lalam-pirenena faha7 iny vao maraina. Nisatroka kasikety sy nivimbina akanjo maivana sy sakafo azo entina toy izany ihany koa. Efa nitaintaina ny maro tamin'ity andro ity. Andro vitsivitsy mialoha ity diabe ity manko dia heverina fa nitovitovy tamin'ny tao an-trano avokoa ny tany an-tokatranon'ireo nandray anjara tamin'ny fandravana ny mandan'i Jerikô. Nifamaly ny mpivady, ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny mpinamana na ny mpifankatia ny amin'ny tokony handehanana na tsia. Mahatsapa avokoa ny rehefa fa ity no tena andro sarotra indrindra tamin'ny tolona nodiavina rehetra. Roa andro mialoha dia nandà tanteraka ny amin'ny handehanana any ny raiko. Ny reniko kosa niteny...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.