Ny sary rehetra dia nalaina tao amin'ny wikimedia commons. Marihina mialoha fa hampifanandrify ny tantara nitranga teto Madagasikara nanomboka ny 26 janoary 2009 ka hatramin'ny 17 marsa 2009 tamin'izay nitranga tao Frantsa ny 17 oktobra 2026, izany hoe 17 taona taty aoriana, ny mpanoratra. Na dia Malagasy tsy mizaka ny zom-pirenena frantsay aza ny tena dia nanaraka manokana ity raharaha nitranga tao Frantsa ity. Tsy araka izay asehon'ny haino vaky jery mahazatra fa araka izay hita na izay fijery avy ety ivelan'i Frantsa sy an'ny tena manokana.
![]()
Avy amin'ireo lahatsary asehon'ny mpandray anjara sy tia mampita mivantana no ahitana fa be loatra ny fitoviana tamin'ny tranga. Nianatra tantaran'i Madagasikara ve sa izay nanolo-tsaina tamin'izay nitondrana ny "tolona" teto Madagasikara ihany no manolo-tsaina amin'io tolona ao Frantsa io? Sa niara-nanovo paikady tamin'ny vondron'olona iray ireo mpitolona teto Madagasikara sy ao Frantsa amin'izao fotoana? Sa efa izay mihitsy no fomba fiady sy fomba fitolona amin'izao fotoana?
![]()
Niainga tamin'ny fanakatonana ny fahitalavitra VIVA noho ny famerimberenana ny fanentanan'ny Filoha Ratsiraka hanongana an-dRavalomanana ny tolona andiany voalohany tamin'ny taona 2009. Nanomboka tamin'ny fitakian'ny mpianatra noho ny fahalavan'ny fotoana ianarana sy ny tsy fahampian'ny mpampianatra kosa ny ao Frantsa raha ny ofisialy, saingy heverina fa ny fandraràna ny finday tsy mahazo miditra ny toeram-pianarana kosa no tena nahatonga ireo mpianatry ny Lisea hanao ny tolony.
![]()
Raha nitolona ry Andry Rajoelina dia masiatsiaka mihitsy fa tsy azo kitikitihina ny mpanara-dia azy. Notarihany ho any amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy, araka ny kabariny, nefa hay handoro no RNM sy ny TVM izay vao nahazo fitaovana tena raitra dia raitra no paika tao ambadika, dia avy eo nandroba sy nandoro ny fananan'ny Tiko Group manerana an'Antananarivo saingy niafara tamin'ny fandrobàna ireo mpandraharana malagasy teny amin'iny Ankorondrano sy ny manodidina iny izany. Misy ihany koa ny an'ny vahiny no voakitika.
![]()
Raha nandeha indray ity tolona ao Frantsa ity dia be ireo mpaneho hevitra fa tsy tokony hokitikitihina ireo zaza tsy ampy taona ireo noho izay taonany izay. Ny mpitandro ny filaminana anefa amin'io maty toraka sy tifitra amin'ny alalan'ny afomanga. Dia manao ny danin'ny kibony tokoa ny lazaina ho mpianatra fa mamotipotika ny fananam-bahoaka, mandoro ary manilikilika sy manositosika ireo tsy mitovy hevitra aminy. Tonga amin'ny fandoroana isankarazany, velona ihany koa ny fandrobàna ho porofo fa tena mijaly tokoa ny vahoaka. Mody odiana fanina fa anisan'ny lasibatra ireo fanorenana kristiana.
![]()
Nirahin'i Andry Rajoelina ny mpitolona hovonoina teny Antaninarenina, ahitsy kely, haka ny Lapan'Ambohitsorohitra fa an'ny vahoaka ny lapa, tamin'ny 7 febroary 2009. Dia na tsy ankiteniteny aza dia nisy koa ireo vondron'olona nanatona ho eny amin'ny lapan'i Elysée saingy voasoroka mialoha moa izany ka tsy tody tany ireo andian'olona ireo, ity kosa tsy ankiteniteny ny an'ny Frantsay.
![]()
Ny an'i Andry Rajoelina fomba fakana fahefana lazaina ho niarahana tamin'ny tolom-bahoaka, saiky maty momoka raha tsy nisy ny fiokoan'ny miaramilan'ny Capsat tamin'ny fiandohan'ny marsa 2009. Ny tolona any Frantsa hita fa ny LFI no atidohany, ary fomba hisintonana ny olona hifidy azy, sady hanehoana fa tokony ho izy no mandresy amin'io fifidianana ho avy io. Tsy mandeha irery anefa ny LFI fa tanana matanjaka mampahomby ny tolona ny hery islamista miaradia aminy. Ny mahavariana ny ao Frantsa, na dia miharihary aza ny zavatra ataon'ny LFI dia mbola minia mikimpy ny mpanaraka azy fa lazaina ho ny hery farany ankavanana no manao ireo fandrobàna sy fandorana ho fandotoana ny tolona ary tsy maintsy hifidy ny LFI ry zareo fandrao lasan'ny RN ny fahefana.
Commentaires