Tranonkalam-baovao manana foibe eto Antananarivo fa mivoaka amin'ny teny frantsay ise amin'ny ankapobeny. Tsindraindray ihany vao mba misy amin'ny teny malagasy. Tsy misy ifanomezantsiny ny amin'izany. Misy ny teny mahavelona satria sokajin'olona ambony no voasarika ho amin'izany ary ireny koa no afa-manjifa izay atolotry ny mpanao dokambarotra. Ireny no tena mpamelona antsika koa tsy olana izany. Ny ato r'ise tsy azoko fa tsy hita laharana ny mpitsidika avy ao Frantsa a! Avy ao Etazonia no be mpanaraka indrindra vao manaraka lavitra dia lavitra ny avy eto Madagasikara. Nefa dia miverina mankany Amerika Avaratra indray fa avy ao Canada no laharana manaraka ary mitovy laharana aminy ny avy ao UK. Noho ny tsi-fampiasako ny teny frantsay ve no mahatonga izany?
Tsipalotro tampoka ihany koa fa tena matihanina sy za-draharaha ireo mpanao gazety ao amin'ise. Tsy mahafantatra aho na firy na firy fa mahay mampita vaovao ry zareo ka. Mety tsara ny fomba famoahana vaovao ao amin'ise. Azo lazaina hoe tsy mitongilana ny famoaham-baovaon'ise fa izaho kosa manana fijery hafa. Ny famoahana vaovao bebe kokoa momba ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repobika sady lohateny lehibe matetika dia mahatonga ahy hihevitra fa akaiky kokoa ny fitondrana ise. Nefa tsy hita koa anie hoe iza na inona loatra no hotantaraina momba ny eto Madagasikara e! Ho zava-dratsy sy mahasosotra foana kosa ve?
Tsikaritro ihany koa fa nanokana andro ise nanisy fanatsarana ny endrika maha-tranonkala an'ise. Tena tsara ilay izy fa nampiana fanaovana filazana, fametrahana tolotr'asa na antso hanaovana tolotra fikarakarana ao amin'ise. Tena tiako ilay fivoarana satria fomba iray ihany koa hampidiram-bola an'itony tranonkala itony ary fomba hanaovana izay hahatamana ny mpamaky rahateo. Arahabaina fa tena nety tsara ilay izy ary tsy misy madilana na indrokely intsony raha ny fijeriko azy. Mety ho andrana fiovana lohamilina na famindrana rakitra (angotoro hoy Atoa Indrianjafy izay) tsy tofy hatramin'ny farany angamba ilay nampikorapaka ahy tsy nahitana an'ise iny mihitsy fa mody tsy niteniteny ise.
Efa nandalovan'ny masoko fa tsy misy politisiana manohana ara-bola an'ise manokana. Mety ho marina izany fa ny teto Madagasikara anie r'ise tsy ny politisiana loatra no atahorana fa ny mpandraharaha e! Indrindra rehefa mihagoavana ny fihariana tantaniny dia lasa patiraon'ny mpitondra fanjakana ireny karazana mpandraharaha ireny ary tsy maintsy mitady izay hiarovana ny tombontsoan'ny orinasany.
Mitovy daholo rehefa mpandraharaha fa ny Malagasy teratany ihany no tena maty enjika sy lazaina ho tsy mifaditrovana. Jereo ny nanjo ireny filoha teo aloha voatery nitsoaka ireny. Efa nisy moa ny tafaverina an-tanindrazana saingy tsy mana-nify hikaikerana intsony. Dia indro koa ilay mpandraharaha iray, lazaina ho mpanolo-tsaina manokana ny filoha teo aloha nandositra anaty kesika iny, tsy navelan-dry zalahy Maorisiana nivoaka ny fonja fandrao votsotra eo dia herintaona izany izy izay no tavela any. Ataoko fa tsy azon'ise lavina izany lazaiko izany, enga anie mba tsy ho antsoina hoe "super-président" ny tompon'ise. Izay ihany fa aza ampitenenina izay tsy noteneniko aho fa mirary soa an'ise. Nofinofiko ny hoe mba afa-mifaninana amin'ise, hono, aho fa mbola lavitry ny afo ny kitay e! Hiezaka fotsiny aho mba ho tsaratsara kokoa noho ny nataoko sy vitako omaly no ho tontosako rahampitso.

Commentaires