Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du mai, 2006

Ilay revy Japoney!

Somary hisintaka kely any amin'ny tanin'ny Masoandro miposaka any isika anio na dia mbola mafana dia mafana aza ny rivotra politika eto Madagasikara. Tsy natao hanempotra manko ny raharaha eto na dia fantatra aza fa any amin'ny faramparan'ny taona any vao tena hafana izy io. Andeha atao hoe haka rivotra kely isika. Rivotry ny revy ihany koa anefa! mbola vinavina manko ilay izy fa tsy mbola tena hita maso. Vinavina tsy mba kely sy ho an'ny tsy manambola na dia izany aza fa ho an'ireo izay mahasahy manonofy hahavita zavatra hahagaga an'izao tontolo izao sy mety hampiova ihany koa ny firafitry ny trano sy ny tanàna mihitsy aza amin'izao fiandohan'ny taonarivo fahatelo izao. Isika rehetra izay naharaka na dia kely ihany aza amin'ny tantara na eto an-toerana na any ivelany dia mahatsapa tsara ny lanjan'i Japana eo amin'ny toe-karena. Noheverina ho vao taonjato roa izay no nivoarany...indrindra taorian'ny fivoarana haingana Meiji...saingy e...