Efa ela no te-hanoratra saingy androany angamba vao tontosa izy ity. Lohahevitra hafa no nokasaina fa tonga amin'ity lohahevitra tsy noheverina ity fa kibo saoky ny nahiny. Nisy nanapongatra tampoka taorian'ny fihaonan'ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron ny taratasy voasonian'ny tompon'andraikitra frantsay sy ny gazetim-panjakana nanondro fa nahazo (rehefa nangatahana) ny zom-pirenena frantsay tamin'ny 19 novambra 2014 ny Filoha malagasy ankehitriny sy ny vady aman-janany. Misy ireo miteny, fa tsy misy porofo, hoe hatramin'ny nanomanana ny fanonganana ny Filoha Ravalomanana no efa nanaovana ny fangatahana ho fiarovan-tena raha sanatria ka tsy nahomby ny raharaha. Rediredy kely mialoha ny ventin-dresaka, tsaroantsika tsara angamba fa nisy teratany malagasy roa nalaina tao an-tranony tao Frantsa tao fa hoe halaina am-bavany amin'ny resaka fanohintohinana ny ain'ny Filoha Malagasy tamin'ny volana mey 2023 lasa t...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.