Accéder au contenu principal

Fifankahalàna sisa no avelan'ny politika amin'izao fotoana izao

Tsikaritra rehefa manara-baovao amin'izao fotoana izao, na aiza na aiza, fa lasa mifankahala sy mifandramatra ara-pitenenana ny olona, mifanompa sy mifanambany. Tsy mifidy firenena izany fifankahalàna izany, na firenena mandroso io na firenena an-dalampandrosoana na firenena mahantra mihitsy koa aza, fa lasa miteraka fifankahalàna amin'izao ny tsi-fitovian-kevitra.

Ny hitako aloha dia ny eto Madagasikara, ny ao Frantsa sy ny ao Eoropa amin'ny ankapobeny ary ny ao Amerika Avaratra, dia tsy adino koa ny ao Amerika Latina amin'ny ankapobeny. Raha ny eto Madagasikara dia fantarina fotsiny ny fironan'ny fantsona famoaham-baovao iray dia miharihary ny karazam-baovao avoakany, misy ny mitsikera hatrany ny ataon'ny mpitondra na inona na inona ataony, misy indray miaro hatrany ny mpitondra amin'ny lafiny rehetra... lasa toy ny fady ny manao elanelam-panahy, tsy fantatra intsony izay marina sy izay rariny. 

Ny ivelan'i Madagasikara indray dia misy fironana tena mahavariana eo amin'ny ankavia sy ny ankavanana. Raha milaza tena ho ankavanana ny olona iray dia tondroina avy hatrany ho fasista tsy tia vahiny, tsy tia mainty, tsy tia miozolomana, tsy tia arabo, raha ao anatin'ireo sokajy ireo ilay olona ka taranaka vahiny nefa milaza tena ho ankavanana dia voavidy, mpamadika, adala, tia tena tafahoatra tsy mahalala afa-tsy ny tenany. Raha ankavia indray ilay olona dia tsy tia ilay firenena ipetrahany, te-handrava ny kolontsaina sy ny fahazaran'ny firenena hatry ny ela, mampiditra vahiny betsaka araka izay azo atao satria tombom-bato ho azy ireny rehefa misy ny fifidianana, ao koa ny tsi-fitiavana ny mpanankarena fa mpanambaka sy mpisoloky, mpangoron-karena tsy mahay mizara ho an'ny hafa.

Raha ny tokony ho izy, tia miresaka politika aho. Saingy ankehitriny tsy hita intsony ny elanelam-panahy, tsy hita sy tsy misy intsony ny fifandeferana sy fifanajana tsotra rehefa samy mahalala ny hevitry ny mifampiresaka aminy, lasa mifanindry no betsaka. Lasa hita matetika ny fifanenjehana ara-politika, mifampiandry kendry tohina amin'ny zavatra mitranga rehetra. Mbola manana ny hoavy ve ny demôkrasia raha tsy maintsy andalovana ny fitiavana hamaly faty? Dia raha tsy miresaka politika dia anjakan'ny mpanambola mikendry toerana politika eto hatrany? Sa haninona ialahy rehefa tsy manam-bola? Ahoana ny hevitrao?  


 

   

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...