Somary nahataitra ahy ny momba ity fokon'olona antsoina hoe Bajuni efa hanjavona amin'iny manamorona an'i Afrika Atsinanana iny. Vao henoko ny anarany sy ny fombany dia ny Vezo eto amintsika avy hatrany no ao an-tsaiko. Taranaka mpiandriaka tahaka ny Vezo manko ry zareo ary tia sy mankamamy ny ranomasina tahaka ny Vezo. Ny vezo izay mitovy fomba sy kolontsaina amin'ny vondron'olona any Indonezia antsoina hoe bajau izay tantarain'i Otto Christian Dahl amin'ilay boky mitondra ny lohateny hoe "From Kalimantan to Madagascar". Amin'ny faritra Somalia dia naripaky ny Somali ireto taranaka mpanjono ireto, natao ankeriny ny vehivavy sy ny zazavavy, novonoina sy notsatohana antsy ny lehilahy sy ny zazalahy. Monina amin'ny nosy hatrany ireto Banjuni ireto fa ny Somali an-tanety mandrakariva. Tamin'ny fikorontanana politika taona 1991 no naka ny tany sy ny toeran'ireto Banjuni ireto ny Somali. Talohan'izany anefa ireo samy olon-ko azy.Iz...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.