Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du octobre, 2011

Hanenenan'ireo!!!

Efa ela no nangidihidy ny tanako hanoratra momba ny zava-nitranga tany Libya izay nanonganana ny mpitondra tany. Somary nanahirana ihany ny nandika ireo lahatsoratra niresaka momba azy ka nilazana hafaliana amin'ity fahafatesana. Tsy dia mahazatra ny Malagasy loatra izany, eny fa na dia ireo lazaina ho fahavalo aza no maty , fa toy ny manana toe-tsaina mpamosavy . Ny mpamosavy ihany manko no faly amina fahafatesan'olona. Fanamarihana no ilazana fa fitondram-panjaka no naongan'ny filoha Muammar Al Gaddafi tamin'ny 1969. Teto indray dia mbola fanonganam-panjakana hatrany no misy na dia iniana afenina amin'ny anarana revolisiona aza, saingy revolisiona tokoa ve ny tolona niarahana tamin'ny daroka baomba tandrefana (Frantsay sy Amerikana)?. Miresaka daroka baomba ihany isika. Efa nisy tranga fanonganam-panjakana tany Guatemala tamin'ny 1954 izay nampian'ny Amerikana tamin'ny fanafihana avy eny an-habakabaka ihany koa. Moa ve tsy ny fiverenan'ny...