Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles associés au libellé #M21112

Amboary ny fandaminana amin'ny Fitsenana

Hanao ahoana indray ny ho fizotry ny raharaha amin'ny Asabotsy 04 febroary 2012 ho avy izao? Niaiky ny mpikarakara ny fandaminana fa nisy ny tsy fahatomombanana tamin'iny fitsenana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc iny. Ny mpikarakaraka tokoa no tsy matotra loatra tamin'iny toe-javatra iny raha ny fijeriko azy. Efa reko ihany ny toho-tsofina nifanaovanareo heverina ho anatin'ny fandaminana sy ny fiarovana fa misy antokon'olona tsy mazava loatra eo anoloan'ny Air France Cargo nefa dia mbola tsy hainareo ihany ny nisoroka izay azo nosorohina soa amantsara. Inona moa ny dikan'izany ho ahy izay nahare tsara ny resaka nataonareo? Manaraka izany dia mbola tsiniako ihany koa ny mpitarika ao amin'ny delegasiona isan-tokony tsy nahay nasiaka tamin'ny fotoana nilàna izany. Oviana ny mpandala ny ara-dalàna no nitaky ny "hikarakarana" ny Viva na ny eny Ambatobe? Nefa dia mbola navelanareo ireny andian'olona tsy mazava nahasahy nanakaiky ana...

Ny sary maraina teny Ivato 21 janoary 2012

Fanazavana, Raha te-hahita ny andinindininy momba ny nitranga androany ianao dia karohy amin'ny alalan'ny tenifototra #21112 any amin'ny media sosialy dia hiavaka ny vaovao an-tserasera momba ity fitsenana androany ity. Eo anoloan'ny La Hutte Canadienne Mamory Ivato no miverina ny ankamaroan'ny fiara fitaterana izay eny Andranomena indray no maka olona hafa hankaty Ivato. (Tsindrio ny sary rehetra raha tianao ny hijery azy lehibe kokoa). Efa maromaro ny fiara mivezivezy "eto am-pahatongavana", misy ny mpitolona mahasahy mikiririoka anaty fiara fitaterana, tsy nahitana mpitandro ny filaminana mpandamim-pifamoivoizana loatra teny an-dalana. Maro ihany koa no nanomboka dia an-tongotra hatreto raha nanam-bintana nahazo fiara hankanesana taty. Mizotra mandeha mafy ihany koa ny fiaran'ireo mpitandro ny filaminana, finday no nakana sary ka lasa ny fiara fitaterana indray no tena hita. Araka ny tena idirana ny tanànan'i Mamory no m...