Efa nahavita ny fivoriana fahatelo fanaony tokoa ny ao amin'ny Mpiandraikitra Foibe an'ny Fiangonan'ny Jesoa Kristy eto Madagasikara voafidin'ny Synoda Lehibe faharoapolo notanterahina tany Tolagnaro. Ity sehatra misy antsika ity dia sehatra mahaleotena fa tsy miankina amin'ny fiangonana na amin'ny fanjakana na mpanao politika na mpandraharaha vaventy sy madinika akory aza. Noho izany dia Maharesaka ireo lohahevitra mety tsy ho sahin'ny hafa lazaina na anaovana resaka sompirana akory aza. Natao ampahibemaso sy hitan'ny rehetra ny fanambarana, noho izany dia afa-manontany ampahibemaso izahay na dia tsy voatery hahazo valiny aza. Manaraka izany ihany koa, ny raharaha manahirana (izay no voasoratra amin'ny Foto-Dalàna sy Fitsipika) no fady tsy azo avaka ivelany raha mbola te-ho mpikambana ao amin'ny FJKM sy ny raharaha saropady angaha, fa ny eto kosa dia fanontaniana tsotra noho ny famakiana ny fanambaràna ampahibemaso satria misy zavatra tiana ho azo tsara na aleo mazava tsara amin'ny rehetra.
Voasoratra ary fa mijoro ara-panjakana ny Kitapo Iombonan'ny Fampandrosoana. Izany hoe fikambanana ara-panjakana ve izany ilay K.I.F? Ny fantatray dia ny Kitapo Iombonana izay misy miantso hoe Adidy Miakatra na K.I. sy ny Kitapo Iombonana ho an'ny Sekoly (FJKM) na K.I.S. Taona vitsivitsy izay dia ampirisihana hatrany ny Fitandremana tsirairay mba hanao asa fampamokarana. Eny, tsara ny hevitra fa, amiko manokana, dia nihevitra avy hatrany aho hoe karazana adidy inona indray ny ampivesarina ny Fiangonana ity. Koa noho izay eritreritra izay no mahatonga ny fanontaniana hoe Azavao tsara ary ilay KIF, adidy tsy maintsy aloan'ny Fitandremana tsirairay ve izany izy io? Izay amin'ny ankapobeny ny fanontaniana mba hazava amin'ny saina tsara sy ho azon'ny rehetra ny momba azy io fa tsy te-hanitatra azy ho amin-javatra hafa.

Commentaires