Accéder au contenu principal

24 taona ny tambajotra malagasy namana serasera org


Araka ny nolazain'ny nanangana azy voalohany dia feno 24 taona ny tambajotra malagasy "namana serasera" talohan'ireo malaza fantatsika ankehitriny sy zary mahazatra antsika. Ny 19 oktobra 2002 tokoa, araka ny voalaza, no nitsangana ny tranonkala. Ny zavatra niainako kosa no azoko lazaina. Tamin'ny voalohany dia "mailing list" na "yahoogroupes" no nidirako. Dia nisy ireo Malagasy manerana izao tontolo izao niditra tamin'izany vondrona izany. Asa tsy nisy niresaka ve sa ahoana fa "nangataka kintana" tsirairay ireo olona tao, izany hoe nangataka ny hiala amin'ny vondrona. 


Avy eo nisy resaka politika mafana tao amin'ireo Malagasy diaspora ireo. Ny tsy zakako tao anatiny tao dia ny lainga nafafy tao anatiny, mifanohitra tanteraka tamin'izay niainan'ny Malagasy no niadian-kevitra tao. Nanomboka tamin'izay aho no namoaka vaovao isan'andro manana ny lohateny hoe Maresaka arahina daty. Tankina ny lainga nifafy. Avy eo nahita sy tafiditra tamin'ity sehatra ity amin'izay. Nifanontany tamin'izany hoe maninona raha mitambatra ny Serasera.org sy ny Serasera.com fa samy Malagasy izao ihany. Nanaka-dresaka ilay tao Italia fa tsy nanaiky araka ny tatitra ny tao Soisa satria samy manana ny tanjony. Ankehitriny, ity mbola mijoro ity sisa mbola mitsangana, noho ny fitiavana ny teny malagasy. 

Mijoro fa sehatra hafa indray no tena ahafantarana azy amin'izao fotoana izao: ny Tononkira sy ny Radio Vazo Gasy. Azo atao ihany koa ny miteny ny Baiboly Katolika sy ny Baiboly DIEM, nandray anjara tamin'ny fampidirana andininy tamin'izany ny tena. Azo ambara hoe nisy fananganan-javatra tao anatin'izany. Nisy fitadiavana namana tao, nisy fanaovana dinika izany hoe fiadian-kevitra, nisy ny karajia raha te-handany andro angaha sy mifampiresaka mivantana, nisy koa ny sehatra blaogy roa samy hafa. Tena hoe natao ho an'ny Malagasy daholo ny zavatra natao tao e!

Niroborobo tany am-piandohana fa efa takon'ny media sosialy vahiny manerantany amin'izao fotoana izao io sehatra io. Miditra amin'ny alalan'ny solon'anarana fa mbola tsy nahazatra ny Malagasy ny nilaza tamin'ny teny anarana. Inona ry no tokony atao mba hampisy hatrany ny fifampidinihana sy fifampiresahan'ny samy Malagasy e? Arahabaina izany nahadingana izany taona maro lava dia lava izany. Ny Manaraka dia firariantsoa... mba haharitra hatrany sy hahita lalam-baovao ahafahana mamaha-tena.

Fanamarihana: Efa nahavita manontolo ity lahatsoratra ity aho vao nahita ity fitantarana ny amin'ny fahaterahan'ny Serasera.org ity. Manambina azy manokana ny volana oktobra fa 3 oktobra 1999 no nijoroan'ny tambajotra voalohany indrindra izay niovaova endrika mihitsy aloha!



Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...