Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du mai, 2022

Ny atao hoe Tantara (historíā)

Tsy maintsy miainga avy amin'ny teny niaviany aloha isika raha hamaritra ny atao hoe Tantara. Ny loharanon'ny teny dia ny teny grika fahiny hoe  ἱστορία-historíā izay midika ara-bakinteny hoe famotorana na fanadihadiana na famakafakana na/sy fahalalàna avy amin'ny famotopotorana. Fianarana sy fandraketana ny lasa. Tafiditra ao anatin'ny historíā ireo zava-nitranga teo aloha miaraka amin'ny tsiaro, tsikaritra, angona, fandaminana, fanolorana sy fandikàna ireny zava-nitranga ireny. Ny ἱστορία-historíā dia avy amin'ny voambolana hoe ἵστωρ-hístōr izay midika hoe « fahendrena », « vavolombelona » na « mpitsara » Raha ny teny malagasy indray no heverina, andrana avy amiko manokana, dia nindramina handikana ny ἱστορία-historíā ny voambolana hoe tantara (tantaro) izay nanana dika fahiny hoe vato vavolombelona (vatolahy sy fandriam-bato ao am-pasana), ny voalohany tsangambato naorina ho fahatsiarovana misy soratra fampitadidiana na tsia ary ny faharoa kosa manondro ny ts...

Orimbaton'Isahafa sa Fasan-dRalambosahafa?

 Ny lahatsoratra manontolo dia nalaina avy amin'ny ranty Facebook navoakako androany zoma 20 mey 2022 ihany. Hisy ny fanamarihana fa hoavy tsikelikely eo ihany. Toa izao ary ny ranty: _o0o_  Nilazàna aho hanoratra ireto zavatra manaraka ireto fa efa nandalo tao amin'ny Kaominina ny olona nampanao an'io ka hoe manana taratasin'ny tany. Voalohany, voamarika ao amin'ny sarintany nentiny (tao amin'ny kaominina) fa fasana io toerana io ary nolazainy fa milevina ao Ralambosahafa, tsy azo andevenam-binanto io fasana io ary tsy misy na iza na iza afaka mikitikitika azy io afa-tsy izy (ilay nandalo tao amin'ny Kaominina) irery ihany. (Faharoa) Nolazaina ihany koa fa azy koa ny tany andrefan'io toerana (misy kininina) izay noheverina hatramin'izay fa tanim-panjakana io. Raha nanontaniana hoe aiza izany no misy ilay orimbato nanaovan'ny miaramilan-dRadama fitsitsihana (fianianana) eo amin'ny vavahady atsinanan'Isahafa Atsimo (araka ny fahafantaran...

Notontosaina teo amin'ny Kianja Isahafa ny adina EPS fanadinana BEPC

Raha teny amin'ny kianja Saint Pierre Andralanitra no mahazatra tamin'ny adina EPS no an'ny mpiadina BEPC ho an'ny distrikan' Avaradrano hatramin'izay dia notontosaina tetsy amin'ny Kianja Isahafa (sy any Ankadinandriana) kosa izany tamin'ity taona 2022 ity noho ny fanamboarana atao ao amin'ny kianjan'ny Père Pedro. Fiara fitaterana sy an'olon-tsotra anjatony sy mpiadina mbamin'izay mety miaraka amin'aliny no nifamezivezy teto Isahafa hatramin'ny alatsinainy 16 mey 2022 ka mandraka androany 18 mey 2022.   Maro ireo sekoly na ZAP naka fiara manokana fa nihevitra angamba hoe tena ambanivohitra be na tena lavitra izany toerana izany. Ny distrika rahateo tena midadasika aoka izany. Raha ny teto amin'ny kianja Isahafa manokana dia tsy hahita afa-tsy kianja ny olona mandalo ety amin'ny toe-javatra tahaka izao.  Tahaka ny hoe babangoana sy tany malalaka fotsiny no hitanao. Mety tsy ho tsikaritrao koa ny fikarakarana nataon'n...

Nateraky ny 13 mey 1972 aho!

 Ary sahiko raisina ho reharehako. Herintaona mahery kely talohan'ny taona 1972 aho no teraka ka fifampitohizan'ny talohan'io vanim-potoana io sy ny taoriany. Taona 1982-1983 no namaliako an-dranomaso voalohany ny raiko satria notereny hianatra teny frantsay kilasy faha-fito any Frantsa aho izay kilasy faha-fito amin'ny sekolim-panjakana eto Madagasikara. Hoy izy tamiko tamin'izany hoe tsy hahita asa sy ho tafita amin'ny fiainana mihitsy ialahy raha vao tsy mahay teny frantsay. Nitolona tamin'io taona 1972 io anefa izy ary ny 13 mey 1972 mihitsy no tokony hamoahana azy teny Maibahoaka Ivato ho mpiasam-panjakana sy manana ny anjara toerany hiasa hisolo ireo tompon'andraikitra voalohany isa-tanàna maka "congé" any amin'ny faritanin'i Toliary. Tamin'izany fotoana izany no fanambiko tao anatiko fa tsy voatery mahay teny frantsay vao tafita amin'ny fiainana... fa varavaram-be ihany koa ny teny anglisy sy ny teny malagasy. Fa tsy main...