Accéder au contenu principal

Tantara: ny fankatoavana ny Fanjakan'i Madagasikara na Royaume de Madagascar

Radama I, portrait by Ramanankirahina 

Manankarena zavatra tokony holazaina ny Tantaran'i Madagasikara rehefa volana oktobra. Fantatra voalohany indrindra amin'izany ny 14 oktobra 1958 izay nijoroan'ny Repoblika Malagasy (voalohany), mitovy daty amin'izany koa ny niakaran'ny Filohan'ny Fanavaozana an'i Madagasikara (PRRM) Michaël RANDRIANIRINA teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2025. Tsiahy koa fa tamin'ny 15 oktobra 1896 no nitifirana an'i Rainandriamampandry, jeneraly mpitari-tafika tsy afaky ny mpanani-bohitra tamin'ny nifaharany tao Manjakandrianombàna (Farafaty) sy ny Printsy Ratsimamanga, rafilahin'ilay manamboninahitra malagasy nisafidy ny hiara-dia amin'i Frantsa (valifaty ny azy).

Fa ny anankiray tsy dia misy mitantara, fa tsy tiana ho henon'ny taranaka mihitsy aza, dia ny fankatoavana ny fijoroan'ny Fanjakan'i Madagasikara, na Royaume de Madagascar, noho ny fifanarahana vita teo amin-dRadama Rainy sy ny solontenan'ny Mpiandraikitra voalohany ny Fanjakana Britanika eto amin'ny Ranomasimbe Indiana tamin'ny 23 oktobra 1817, fa nentina nosoniavin'ny governora Farquhar tenany ihany koa ho marika fa tena manaiky ity fifanarahana ity ny governora monina sy miasa ao amin'ny nosy Maorisy.

Tanjon'io Governora Farquhar io tamin'izany fotoana izany ny hanafoana ny fanondranana andevo ho tonga ao Maorisy sy Bourbon (La Réunion). Sarotra ny manakana azy raha any an-toerana vao sakanana fa any amin'ny fiaingany voalohany any mihitsy no kendrena mba tsy handefa olona ho amidy. Fantatra mazava fa avy aty Madagasikara ny ampahany maro amin'ireo andevo tonga any koa dia nojereny izay fomba hampitsaharana ny fanondranana andevo eto Madagasikara. Te-hampihatra ny lalàna nolanian'ny parlemanta anglisy amin'ny fanafoanana io varotra andevo io anefa izy hanehoany amin'ny fanjakana foibe any Lôndra fa tena manatontosa ny andraikitra nampanaovina azy.

Tany am-boalohany dia tsy misy mihitsy ny eritreritry ny governora hametraka mpanjaka tokana eto Madagasikara. Andao horaisina araka ny fomba nanoratan'ny vahiny azy ny tantara, printsy efatra no nanirahan'ny governora olona hitondra fifanarahana ara-barotra eo amin'ny tsirairay avy sy ny fanjakana britanika. Nataony izany mba tsy ho tratran'ny antsojay ireo sambo miantsona eto Madagasikara ka te-hanao varotra eto. Efa fankatoavana ankolaka izany fa tsy misy afaka mihambo an'i Madagasikara ho fananany na ny Fanjakana Mitambatra na i Frantsa.

Tsimiririlaza (avy any Atsimo Atsinanan'i Madagasikara), Fisatra (Fiche avy ao Atsinanan'i Madagasikara), Jean René (avy ao Atsinanan'i Madagasikara) ary Radama ireo nohatonina sy nifampiraharahana. Fifanarahana miafina ilay hoe tsy manondrana andevo intsony, nampiarahana tamin'izany ny hoe mandefa ny zanany na havany akaiky mba hitsidika hianatra any Maorisy. Tsy nisy nanao fanambaràna mivantana hanaiky ilay fampitsaharana ara-tsy Radama taorian'ny fandresen-dahatra maromaro, Radama irery ihany koa no nanaiky handefa ny havany akaiky (Rahovy sy Ratafika) hianatra any Maorisy.

Fandresen-dahatra avy amin'ny solontenan-dRadama indray ny nanao izay hifanarahana fa mahavita samirery manakana ny fanondranana andevo izy sady manao izay hanakanana ny Betsimisaraka sy ny Sakalava tsy hiondrana hanafika an'i Anjouan (sy Kômôro) fa ho takalon'izay kosa dia omena azy ny anaram-boninahitra Mpanjakan'i Madagasikara, raha voalohany amin'ny printsin'i Madagasikara kosa no tao an-tsain'ny anglisy tamin'ny voalohany. Nankatoavina ny sosokevitra ka lasa Radama sisa no tena nifanarahan'ny anglisy ara-taratasy. Ka tamin'ny 23 ôktôbra 1817 no vita ny fifanarahana ary tao Toamasina Radama no nanao ny soniany. Nanaiky ny maha-mpanjaka azy ny governora Farquhar, izay efa mariky ny fankatoavan'ny Fanjakana Mitambatra amin'ny ankapobeny. Tsy nanaiky kosa i Frantsa satria tsy misy tombontsoa azony avy amin'izany sady manakana azy tsy hakàna an'i Madagasikara ho zarataniny izany. 

Fehiny: Ady diplômatika no nahazoana ny fankatoavana eo amin'ny sehatra iraisampirenena ny amin'ny maha-fanjakana mahaleotena an'i Madagasikara ny taona 1817 ka hatramin'ny taona 1896.

       

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...