Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du avril, 2026

Fahadisoam-pamindra tena ratsy voalohany

Ny fahadisoam-pamindra dia izay nataon'ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Izay maharaka vaovao dia mahafantatra tsara fa mbola tena miasa mafy any ambadimbadika any ireo mpitondra teo aloha mba hiverenana amin'ny fitantanana eto Madagasikara. Ireo kaonty fako feno manerana ny tambajotra sosialy no mahatonga izany fahatsapana izany. Mila mitandrina mafy noho izany ny mpitondra mba tsy hibolisatra fa fahadisoam-pamindra iray monja dia mahalatsaka anaty vovo ary tena ho sarotra vao tafala ao raha tafala. Manaraka sy mitsikilo akaiky izay fihetsika rehetra ireo te-handavo, ary tsy izay ihany fa mamandrika sy manao fihantsiana ihany koa aza mba hanafaingana ny raharaha. Indrisy fa voafandrika ihany ny farany, ary any amin'ny tsy tokony hijabahana mihitsy. Io resaka kianjan'ny 13 mey io no tena saropady ho an'ny mpitondra ary tsy mamela mahazo araka ny fitenenana. Raha nanao fanambaràna ireo tanora sasantsasany ao amin'ny Gen Z fa hila...