Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du novembre, 2023

Nosamborina ny kandidà Paraina Auguste

 Toy ny baomba nipoaka ny filazana nataony fa ampanantsoin'ny fitsarana any Londres ny kandidà Andry Rajoelina amin'ny 30 novambara 2023 ho avy izao. Nampanantsoin'ny sampana miady amin'ny heloka an'habaka izy... fa tsy tonga ary nosamborin'ny polisy. Heloka iampangana azy ny fampielezana vaovao tsy marina sy fanalambaràka olona ary fandrisihana ny hafa hankahala olona.

Tsy fahavononan'ny mpitarika ny vondron'ny kandidà?

Niady irery indray ireo tanora manoloana ny mpitandro ny filaminana androany 11 novambra 2023. Efa nisy nahasikaritra ihany ireo mpanakorontana/nokaramaina handrava ny tolona amin'ny alalan'ny fanaovana herisetra sy fanaratsiana endrika ny tolona. Samy hita teny Behoririka sy teny Ankadifotsy akaikin'ny tobin-dasantsy izany toe-javatra izany tamin'ny alalan'ny famakiana ny fiaran'olona tamin'ny tora-bato sy fanakanana ny kodiaran-droa tsy hahazo mandalo. Ny mahavariana dia ny tsy fikitihan'ireto andian-jatovo mpiherisetra ireto ny mpanao gazety/ mpanangom-baovao tamin'izany toe-javatra izany. Ny mahavariana fotsiny dia ny famakiana fitaratra nataon'ny sasany tamin'ny trano fisakafoana an'ny mpihira iray malaza amin'ny fanohanana ny hetsika fotsy teo Ankadifotsy teo sy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso amin'ny faritra mihiboka. Ny tsikaritra koa dia ireo tanora tsy maro nahasahy nijoro sady nanangan-tanana roa mitabataba hoe...

Hafatry ny fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara

Tsonga ihany, noho izany tsy ilaozan'ny fitongilanan'ny mpanangom-baovao. "Inona ary no hataonay?" Gaga sy sanganehana miaraka aminareo izahay, amin'ny maha-Raiamandreny anay, raha mahita ny zavamisy ankehitriny. Tontolon'ny herisetra no misy antsika, na amin'ny alalan'ny fitaovana izany na amin'ny alalan'ny fihetsika sy ny teny. Tsy misy olona to teny intsony satria tsy mahay mifampihaino [...]. Ny vahoaka no mizaka ny tsi-fitovian-kevitra eo amin'ny mpanao politika. Isaorana ireo rehetr [...] mitady vahaolana am-pahendrena, mifanatona sy mampifanatona ny hery sy ny firehana samihafa. [...] Maro ireo mpanao politika sy mpanambola no toa mihevitra fa fananany manokana i Madagasikara ka entiny amin'izay tiany hanaovana azy.[...] Aoka holazaina mazava fa amin'ny maha-tany demaokratika sy tany tan-dalàna ny firenentsika dia ny vahoaka no lohalaharana. Ny vahoaka maneho ny heviny amin'ny alalan'ny fifidianana malalaka sy mangara...

Fanambaràna telo

Fanambaràna nataon'ny Filohan'ny Antenimieram-Pirenena Taorian'ny kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoanan'ny Antenimieram-Pirenena nataon'ny Filohany, Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine tamin'ny 17 oktobra 2023, dia natsangana tamin'ny 02 novambra 2023 ny VOVONANA ho amin'ny fifampidinihana sy fanelanelanana iarahana amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara mba isian'ny fitoniana sy fitadiavam-bahaolana mialoha ny fifidianana ho Filoham-pirenena. Ahitana sokajin'olom-pirenena avy amin'ny sehatra marolafy izay manana traikefa eo amin'ny raharaham-pirenena anatiny sy iraisampirenena io VOVONANA io. Ny fivoriana tamin'io datin'ny 02 novambra 2023 io no nijerena ny zavamisy mahatonga savorovoro sy sakana hirosoana amin'ny fifidianana madio sy milamina. Ny 03 novambra ny VOVONANA nihaona tamin'ny Lehiben'ny Iraky ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikana ary ny SADC miasa eto Madagasikara, nampa...

Ny andavanandron'ny herinandro faharoan'ny volana novambra 2023

Rehefa tsy nahomby ny fidirana ny kianjan'ny 13 tamin'ny asabotsy tamin'ny 4 novambra 2023 dia toa zary nivenjivenjy sy tsy mahalala tsara izay tokony hataony ny vondron'ny kandidà ny alatsinainy manaraka, milaza ny mbola hihazo ny kianja ihany nefa tena ankavitsiana ny nanaraka. Dia mbola natao ihany ny tigetra hoe samy manao izay idirana ny kianja. Teto no nisy kandidà tsy hita mihitsy tamin'ny asabotsy fa tamin'io andro io vao hita. Raha tsikera hatramin'ny ela ny hoe dia hanaiky hosamborina tahaka ny dokotra fotsiny ve rehefa eny an-kianja satria hoe hetsika milamina dia tamin'ity andro alatsinainy ity, ny maraina vao nandeha ny toromarika 1- Tsy misaratsaraka, mifampiaro, miara-miainga, mirodorodo, mitsoaka mandroso sady miaraka 2- Manamafy fiarovana, vinaingitra, arontava, akanjo matevina, kiraro sns. 3- Mikaondoha: mivondrona mijery paikady isaky ny vondrona 4- Mifanampy: Tsy avela irery ireo namana misedra olana sy ireo iharan'ny herisetra 5-...

4 novambra 2023: Tsy voatsoaka ny excalibur-n'i Madagasikara

Heverina ho efa mangatsiatsaka kokoa ny fo nanoloana ilay toe-javatra tao Antananarivo tamin'ny Asabotsy 4 novambra 2023. Mariho mazava tsara fa efa nanoratra aho an-taonany vitsivitsy aloha tany fa tsy mahomby ny tolona rehefa tsy tafiditra eo amin'ny kianjan'ny 13 mey, ny kianjan'ny 13 mey no excalibur an'i Madagasikara. Hatramin'izao dia tsy miova loatra ny fomba fanao, voalohany amin'izany ny filazana mialoha fa hiditra eo amin'ny kianjan'ny 13 mey satria tsy mety mihaino ny mpitondra. Faharoa manaraka izany, filazana no atao fa tsy manao fangatahana amin'ny mpitondra, atao izay handrenesan'ny besinimaro ilay teny ary na hanao fangatahana aza dia efa lavin'ny manampahefana misahana izany avy hatrany. Fahatelo amin'izay ny fifaninanana miditra eo. Efa lasa fomba mampiavaka ny Malagasy io mandraka androany. Nanao fanambaràna ary ny Firaisankinan'ny Kandidà Tia Tanindrazana fa hiditra eo amin'io kianja io ny Asabotsy taloha...

Fantatrao ve fa miaina tantaran-tolom-panafahana isika izay miaina izao taona 2023 izao?

 Indro Madagasikara mitodi-doha hiverina ho "colonie". Tia mamaky sy mandalina ny tantaran'i Madagasikara aho, mangetaheta tantaran'i Madagasikara hatry ny fony vao zaza. Tsapako ankehitriny fa lasa iainantsika ankehitriny amin'izao taona 2023 izao indray ny efa niainan'ireo razantsika teo aloha niady tamin'ny fanjanahantany. Fantatrao ve fa nisy ireo Malagasy tsy manaiky ho entim-bahiny na hofehezim-bahiny ka manao ny fomba rehetra hialan'ireo vahiny mitady hanjakazaka, mitady hitsentsitra ny harem-pirenena sy manandevo ny olon'ilay firenena itsentsefany izany firenena izany? Izay no mahatonga an'i Madagasikara tsy mety ho zanatany raha tsy tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19. Fantatrao ve fa efa nisy ireo ampahana Malagasy tsy tia ho entin'ireo mpitondra malagasy tena tia ny tanindrazany fa naleony nifanaraka tamin'ny Frantsay misolo tena an'i Frantsa toa izay mijoro matanjaka izany firenena malagasy izany? Izay no mah...

Mahitsy: ny olona mihitsy no naka ny kandidà nosakatsakanana

Taorian'ny tany Ambohitrimanjaka omaly 2 novambra 2023 izay tsy nisy fanakatsakanana nefa nahazoana olona maro manomboka tany amin'ny tetezana fidirana ny tanàna mandra-pahatonga tany amin'izay nandehanana nanaovana kabary farany dia mifanohitra tamin'izany kosa ny nitranga tao Mahitsy 30km any ho any miala an'Antananarivo manaraka iny Lalampirenena fahaefatra iny androany 3 novambra 2023. Nanomboka teny Ambohidratrimo ny fanakatsakanana ny tsy handehanan'ny kandidà tamin'ny alalan'ny kamiao fanahy iniana ajanona afovoan'arabe dia ilaozan'ny mpamiliny avy eo. Nahazo fanakanana manokana ihany koa Ravalomanana satria nanomboka hatrany an-tranony ny azy ny fanakatsakanana nataon'ny zandary. Avy eo moa dia tena tsy navelan'ny mpitandro filaminana hiroso intsony ny fiara nandehanan-dry zareo kandidà ka voatery ry zareo nandeha an-tongotra tsimoramora fa tsy hoe niverin-dalana kosa satria efa fotoana nifanomezana io.  Etsy ankilany, tsy navelan...