Setrin'ny lahatsoratro teo aloha. Tsy olonkafa fa izaho ihany no namaly. Efa notsakotsakoina ela tao an-tsaiko daholo na ny nosoratana teo aloha na ny soratako amin'izao fotoana izao. Nahoana moa ny olona no tsy hampiasa sarety kosa e? Ny sarety angaha sakanan'ny mpitandro ny filaminana eny an-dalana savaina taratasy? Mandeha tsimoramora ireny ary jerem-potsiny. Jereo ireo fiarakely mitondra entana sy ireo kamiao isankarazany. Impiry izy ireny no voasakana ary voasava ao anatin'ny iray andro? Hay tsy ny mpitondra entana ihany fa ireo mpitatitra olona maro koa rehefa maraina indrindra indrindra. Sady tsy voasakana ireny no hajain'ny fiara ihany koa. Na ny sarety aza no lohalaharana amin'ilay fitohanan'ny fiara ary malalaka be ny eo alohany, rehefa tsy mahasongona azy ny fiara dia mangina, tsy manendrinendry anjomara fahatany na hitabataba amin'ny mpitondra sarety fa miandry izay hirika isongonana fotsiny. Nahoana? Angaha raha voakasik'ireny sarety ire...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.