Dieny mialoha aho no manoratra fa rehefa manao ny tsy mety ny olona iray, nefa vahiny lazaina ho mizaka ny zom-pirenena malagasy izy dia vahiny ihany eo anatrehan'ny fiaraha-monina ary vahiny mitady hanjakazaka amin'ny malagasy amin-kafetsena. Tena lasa anjakazakam-bahiny mihitsy ve i Madagasikara amin'izao fotoana izao? Vao tsy ela isika no nitantaràna ny tany iray ao Bemahatazana Sabotsy Namehana, nisy nangalatra ny kadasitry ny tany dia migadra ny mpangalatra nivarotra ilay tany fa ilay mpividy kosa tsy voakitikitika mihitsy satria "vahiny" Karana mpanambola malaza ary "taratasy ara-dalàna" no nividianany azy. Dia io "vahiny" io indray no nivarotra tamin'ny "vahiny" hafa, tsy mitovy fiaviana aminy fa samy Aziatika, Shinoa ilay vahiny iray faharoa ary lazaina ho mizaka zom-pirenena malagasy. Izay mahatsikaritra ny vaovao fanadihadiana dia mahita fa mikirakira finday ilay shinoa iresahana amin'ny mpisolovavany, izany hoe ts...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.