Raha ny marina dia mahafinaritra ny mitoratoraka ny vaovao sy ny torapo eto amin'ity blaogy ity. Tsy fantatro marina izay zavamisy na isaky ny atoandro aty Dago dia matory ny famoahandahatsoratra na tsia. Tsy mety mahatoraka intsony manko aho amin'ny maraina na atoandro fa miandry firavana mihitsy vao mety rehefa isisihana mandrakariva. Mampahatsiahy ny fanao rehefa hiantso amin'ny alalan'ny telma ilay mitoraka blaogy eto. Fahefatr'adiny mbola tsy tafiditra hatrany. Mahazo ilay hoe tsy misokatra io tadiavinao io na tsy mety angamba ny parametre-nao. Dia vaka eo ny saina. Ankotrihinia hatrany fa e-he (Actualiser-na no tiako lazaina eo). Dia mety ho lasa ihany indray ny eritreritro hoe ny famoahana na fahazoam-baovao sy serasera ampiasaiko ihany koa no mety mihatsentsina ka tsy mahafapo ahy loatra intsony. Nefa mivoaka ihany anie ny sehatra hafa e! dia ahoana izany? Dia tsy fantatro intsony izay marina. Dia hoy aho hoe be loatra ihany koa anie ireto blaogy itorahako ...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.