Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du juillet, 2020

Ny nonenan'ny razambe voalohany teto Madagasikara (fizarana voalohany)

(Namboarina avy amin'ny lahatsoratra iray teny anglisy nivoaka tamin'ny 21 marsa 2012) Ny nahatongavan'ny olombelona teto Madagasikara no iray amin'izay tsy mahazatra indrindra, na sarotra takatra indrindra, tamin'ny vanim-potoana talohan'ny tantara voampita (prehistory). Iray amin'ny baingan-tany tongan'ny olombelona farany indrindra i Madagasikara na dia akaiky atsinanan'i Afrika aza. Raha voaporofon'ny fototarazo (genetics) sy ny fiteny ary ny kolontsaina fa samy tonga teto ny Afrikana sy ny Indoneziana, dia bitika dia bitika kosa no fantatra amin'izany fahatongavan'ny olona teto izany. Fomba fanombanana siantifika iray [avy amin'ny fijerena fototarazo] no mametraka fa vehivavy miisa telopolo (30) tany ho any (raha be indrindra), Indoneziana ny ankamaroany (~93%) no nandrafitra voalohany ny mponina teto Madagasikara 1170 taona lasa teo ho eo izay [izany hoe tamin'ny taona 842 AD tany ho any]. Noho ny tsy fisian'ny fandraket...

Andrianampoinimerina nanafika ireo renivohitra lehibe teto Imerina

Karazana fintin-tantara kely, nisy soratra (tsy merina) nilaza fa tany Ambohibemasoandro any Mandiavato no nanandratra ny tenany ho mpanjaka Ramboasalama Razaka. Vohitra 12 tafo tamin'izany fotoana izany io nanjakany io. Any akaikin'Ambohitrolomahitsy any izany raha ny toerana misy azy amin'izao fotoana anoratana izao. Avy amin'io no mahatonga ny fisian'ny Mandiavato manana anjara tany, na valisoa hafa miaraka amin'ny Tsimahafotsy sy ny Tsimiamboholahy, hatrany rehefa misy toerana vaovao azo. Nandroba-pahefana Ramboasalama Razaka tao Ambohimanga niaraka tamin'ireo 12 lahy lehibe amin'io tanàna io. Efa talohan'ny taona, na nandritra ny taona, 1785 nandalovan'i Nicolas Mayeur teto Imerina (Antananarivo) no nahazoan-dRamboasalama Razaka ny fanjakana tao Ambohimanga, nefa mbola nitondra teo Ilafy kosa Andrianjafinandriamanitra. Rehefa voatosika tanteraka Andrianjafy, ary maty mihitsy fotoana vitsivitsy taty aoriana, dia nifandamina ny fanjakana merin...

Ramboasalama Razaka sy ny nandraisany ny fahefana

Tsy hitantara amin'ny antsipirihany ny tantaran'Andrianampoinimerina isika fa boky iray manontolo ihany koa izany. Izay mifanandrify amin'ny tantaran'Isahafa sy ny mponina nanorim-ponenana teo voalohany, ny Tahiamanangoana, ihany no andeha tena ifantohana. Tsy maintsy misy ihany anefa ambangovangony, sy izay tsy voatantaran'ny boky hafa loatra, mila tantaraina hamantarantsika hoe aiza ho aiza ao anatin'ny tantara ankapobeny no lazaina amintsika io. Ary Ranavalonandriambelomasina niteraka an-dRamboasalama Razaka izay halaza aty aoriana amin'ny anarana hoe Andrianampoinimerina. Andriana, printsin'Anjafy ao Ikaloy, manana anarana hoe Andriamiaramanjaka no rainy. Ramboasalama Razaka dia teraka tsinambolan'Alahamady taombaovao izay lazain'ny mpanandro ho vintana mamirapiratra tsy ananan'ny betsaka ary voaporofo tokoa fa marina izany raha ny tantaram-piainany no jerena. Mitovy vintana nahaterahana amin'ny mpanjaka Ralambo izy amin'io lafiny...