Rehefa avy nanoratra ny fitovitoviana tamin'ny tranga nisy teto Madagasikara ny amin'izay nitranga tao Frantsa tamin'ny 17 oktobra 2026 dia mipoitra tsimoramora eny ihany ireo tsy nolazaina ankarihary fa manjary fanehoana fanavakavaham-bolonkoditra hono. Nisy ireo vondron'olona nanao fihetsika maha-mpivavaka azy mialoha ny fanaovana ilay fandrobàna. Lohalaharana tamin'ny famakiana ny tranon'ireo mpivarotra... fa mifantina ireo tranombarotra hovakìna. Dia tsikaritra avy eo fa vaky avokoa ny tranombarotra tantanin'ny Jiosy tao amin'ny lalana iray tao Marseille tao nefa tsy nokitihina mihitsy kosa ny tranombarotra tantanin'ny Miozolomana. Toeran-kafa indray, niaro mafy ny fivarotany ilay ramatoa ary nampiseho fa Miozolomana izy, vantany vao fantatra izany dia niala teo ireo mpamaky fa nandeha toeran-kafa. Hita ihany koa ny lahatsary entin'ireo taranaka mpifindramonina, mibaiko manaisotra izay sora-baventy na soratra amin'ny baoritra tsy misy fanandratana ny Islam.
Mifanindran-dalana amin'izany kosa, mipoitra manome ohatra tsara, maneho fa tena mandala ny fiaraha-monina ny sasany amin'ireo mpifindramonina. Mijoro tsy te-hihemotra manoloana ny fandrahonana lazaina ho mpamadika na adala na tsy misaina, ka mety hotafihana fa manakorontana ny lamina tiana hotanterahina. Ny hany adinon-dry zareo dia ny mifamory isan-tanàna mba hijoro ho mandatehezana manohitra ny fandrobàna sy ny fanalana baraka ankolaka ny taranaka mpifindramonina efa mahatsapa tena fa tena frantsay. Izay no fomba mety mba tsy ho voatery hifidy RN rehefa tonga ny fifidianana afaka volana vitsivitsy.
Efa nanao izany izahay tamin'ny taona 2009. Nisy ramatoa iray nenjehin'ireo tontakely satria nitoroka azy ireo tamin'ny polisy. Nitsofoka tao amin'ny PMU Soarano (tsy bet261) ilay ramatoa sady nitady vonjy tamin'ireo olona teo. Nahatsikaritra ny olona tao fa tonga dia nilahatra tamin'ny tohatra miditra mankao avokoa. Saika hisisika ry zalahy fa tonga dia niara-niteny ny olona teo sady tsy nisy nihetsika hoe haninona? Lazaina fa mpangalatra ilay ramatoa fa tonga dia niteny ny olona hoe fa tsy ialahy isany izao no tena paozina mpangalatra eo? Fa na ampolony aza ry zalahy dia tsy nahasahy namaky satria maromaro kokoa ireo olona vonon-kiatrika an-dry zalahy. Niandry manoloana ny boriborintany voalohany ry zalahy. Izahay kosa niantso ny polisy mba hiaro ilay ramatoa. Tsy voatery hitovy firehan-kevitra izahay teo fa ny niraisana kosa dia ny fanoherana ny fandrobàna sy ny ramatahora nataon'ny mpandroba. Notantaraina izany ilazàna fa mbola misy ny azo atao na inona na inona toe-javatra nitranga.
Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy. Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...
Commentaires