Nolazaina ampahibemaso tamin'ny alarobia 21 oktobra 2026 teo fa nahitana lesoka ara-piarovana roa lehibe tao amin'ny arofenitra ara-pandrafetana PHP, izay lazaina ho "hazondamosin'ny folihala" araka ny filazan'ny manampahaizana sasany. Nomena ny laharana na anarana CVE-2026-109618 sy CVE-2026-109619 ireo lesoka roa lehibe teo amin'ny PHP nomena anarana tamin'ny voalohany hoe "Personal Home Page" fa lasa "Hypertext Preprocessor" amin'izao fotoana ireo. Manodidina ny 70 isanjaton'ny tranonkala manerantany dia saika mampiasa azy io avokoa fa ny lohamilina (serveurs) rehetra mampiasa ny rafitra PHP kosa dia tratrany avokoa.
Araka ny tatitra dia efa roa volana izay no tsikaritry ny Ilontsaina Arafitra (IA) ireo lesoka ireo fa rehefa hita ny fomba hanitsiana azy vao nambara ampahibemaso izany. Manaporofo ny tanjaky ny IA izao toe-javatra izao sady mampanahy koa ny zava-bitany fandrao tsy voafehin-draolombelona intsony. Voalaza fa tsy mahazo fanavaozana ara-piarovana avy amin'ny tetikasa PHP intsony izay kinova talohan'ny 8.2. Mbola nahazo ny fanitsiana hanentsenana ny lesoka kosa ny kinova 8.3 izay tsy hozakaina intsony amin'ny fomba ofisialy manomboka ny 31 desambra 2026.
Maro dia maro ny tranonkala tantanin'ny fanjakana no voatery nakatona vonjimaika mba hanatanterahina ny fanavaozana ara-piarovana sy ialana amin'izay mety hanararaotan'ireo mpisovoka sy mpisompatra. Afaka miditra malalaka, maka ny rakitra na manova izany manko ny mpisompatra raha tsy tontosaina haingana ny fanavaozana (fanankotrihina).
Commentaires