Nentin'ny Meksikana tanora vavy 16-17 taona tany amin'ny ISIF 2026, International Science and Invention Fair, tany Jakarta Indonezia tamin'ity volana ôktôbra 2026 ity ny fitaovana iray noforoniny entina mamono afo amin'ny alalan'ny fidoboky ny feo fotsiny, tsy mila rano, tsy mila roatra (foam), ary tsy mila fitaovana shimika hafa.
Ángela Karime Venegas Hernández no anaran'izany tovovavy izany, 16 taona izy ary avy ao an-tanànan'i Altamira, fanjakan'i Tamaulipas, Meksika. Mbola mpianatra amin'ny Lisea (teknika) izy no nifaninana amin'ny famoronan-javatra ao amin'ny firenena misy azy. Nahazo ny laharana faharoa ny tetikasany manoloana ireo mpifaninana 270 hafa, nahafahany nisolo tena an'i Meksika mandritra ny Foara Iraisampirenena momba ny Siansa sy ny Famoronana (International Science and Invention Fair) taona 2026.
Nomeny anarana Vortex Tech ny fitaovana entina mamono afo ary fomba fiasan'ny fitaovana ny "manakenda" ny lelafo ao anatin'ny segondra vitsy monja. Prototypes (endri-pitaovana voalohany) karazany dimy no natsangana ary fanandramana in-jato vao tonga amin'izao tanjona izao ny mpamorona. Tanjon'ny fitaovana rehefa ampiasaina ny manosika ny oksizenina manodidina ny lelafo hiala, manasaraka izany amin'ny fototry ny afo ka mahafaty izany ao anatin'ny segondra vitsy monja.
Singa mora hita eny an-tsena no nampiasaina hananganana ny fitaovana ka ao anatin'izany ny vatoaratra 12 volts, mpihary onjampeo natao hidoboka in-30 isan-tsegondra na hiasa 30Hz, mpanamafy feo (Power amplifier) sy fanamafisam-peo (speaker): Ireo no miantoka ny famoahana ny herin'ny feo. Ny fahamaizana vao miandoha na kelikely velarana no fampiasa azy.
Dingana lehibe manaraka ho an'ity mpamorona ity dia ny fampitomboana ny herin'ilay fitaovana, mba hahafahany miatrika fahamaizana lehibe kokoa. Mazava loatra fa mbola ao anatin'ny dingana fanandramana ny tovovavy la irìna indrindra ny hahombiazany.

Commentaires