Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du mai, 2012

Raha notefena...

Raha notefena hanompo firenena ny ratsy tsy ekena fa ny soa no jerena Raha notefena hanompo firenena tsy mila manantena vola be ho valim-babena Raha notefena hanompo firenena ny filibana horesena ny sitra-po ahena Raha notefena hanompo firenena tsy ho fanosihosena no hangoronan-karena Raha notefena hanompo firenena ny hery no omena hahatò ny fandresena Jentilisa 28 janoary 1993 -32-

Mitady anao

Tratry ny aloka maizi-tsy sazoka toa kibay no midaboka amparahatoka Vata-mangovitra nofo mari-koditra sy fanahy rovidrovitra no mihovitrovitra Nefa manam-pinoana fa misy fotoana ho tafarina foana mba hitady anao Jentilisa 11 novambra 1993 -31-

Ianao ve tsy hilalao

Kalokalo no atao miantso anao manainga anao kalokalo no atao Ianao ve tsy hilalao? Lamako aloha no atao hanakoako tsy miato lamako aloha no atao Ianao ve tsy hilalao? Soamiditra izao mandrosoa avokoa soamiditra izao Ianao ve tsy hilalao? Dihy kely afindrafindrao tsara indrindra ny mirindra dihy kely afindrafindrao ianao ve tsy hilalao? Ny rehetra milalao izaho sy ianao isika izao ny rehetra milalao Ianao ve tsy hilalao? Jentilisa 27 jona 1993 -30-

Miomàna

Ho avy ny Tompo e ka miomàna ny vato misakana mety hanjera         ndeha horavana         ilay fisalasalana Sakano tsy hiditra ny fireharehana bahano mihitsy ny fampiasan-kery         hanjakazakana         hahazoana ny tany Fehezo ny tena tsy ho resim-pilàna aza mety adalaina ho voafita-pijery         ka hitady handala         azy ihany mazàna Ho avy Jesoa ary ka miomàna Izy akory tsy hamela ho very         ireo mavesa-pahotàna         tia hiova fitàna Jentilisa 12 desambra 1993 -29-

Lasam-binany

Lasam-binany     Rabefisentoana         ny tenabeny eto foana             fa ny fony, hono, any. Antsoiny mafy     Rafaharetana         ho fotoa-miserana             ny rivo-mifafy. Rafanenenana     nohalaviriny koa         fa mahakanosa Indro trotroiny     Ifanantenana         mba ho tamàna Jentilisa 28 jona 1993 -28-

Vary no tiako

Vary no tiako fa tsy mofo dipaina satria nokarakaraina tato amintsika Vary no tiako fa manome toky ho hani-mahavoky sy andrim-pisiako Vary sosoa vary ampangoro no enti-mijoro sy iasana koa Vary maraina vary atoandro vary isan'andro tsy mampalaina Fa vary ilaofana izay mitafotafo dia efa sakafo sarotra ilaozana Jentilisa 6 desambra 1993 -27-

vato fanorenana

Miditra am-birao fa ampy taona sy vonona ka sombin-taratasy maro ao no angonina nefa ny iray amin'ireny ihany no nofidiako taratasy toa milaza fa izy irery izao no tiako Rehefa natsofoka ary ilay taratasy nofinidy taratasy tokana ihany ho fanefana ny adidy dia arotsaka amin'izay ary tsy hasiana hajia alatsaka am-bata iny vao izay mamita ny sonia Vato, hono, iny! ... eny e! iny no anjara biriky vato narotsaka satria antenaina hisian'ny tsiky fa ny vato voatambatra no ho vato fanorenana fanorenana iriana hitondra fanarenana Jentilisa 15 jona 1993 -26-

Lazaiko izao

Lazaiko izao : ny endrika sariaka iza idray no tsy hilaza hoe tsy misy tomika no anananao? Lazaiko izao : raha jerena izato bika iza no tsy hendratra hampirongatra ny sioka milaza ny hasoanao? Lazaiko izao : ny famindra izany iky fa na ny olo-masina aza ho tafavadika hibirioka raha tafaraka aminao     Lazaiko izao : na vaventy na madinika manambady sa mpitovo? dia tsy maintsy mijajirika rehefa andalovanao Lazaiko izao : na polisy na ny jirika mana-tanjo-tsy miova na miantso na mikitika hampiherika anao   Lazaiko izao : toa vahoaka indray mihiaka fa na izay saro-kenatra aza na koa olona masiaka indreo no hita mihaohao   Lazaiko izao : tsy hitanao ny fivontirik' ireo mpialona anao mampihomehy koa ny fisitrik' ireo izay mety ho rafinao.     Lazaiko izao : fa na maro aza ny takoritsika te-handresy lahatra anao dia fantaro ihany ny bitsiky ny fitiavako anao.   Lazaiko izao : ny foko koa mba te-hi...

Misy ny Bitsika

Misy ny bitsika ny ampitso ho vanona mba hampaharisika miara-miriaka tsy hahajanona ny karaza-tsarîko Velomy ny hiaka handeha avokoa tsy hisy hipìka Ny tanjotsika fitodian-tsoa ny eto anivon'ny riaka Jentilisa 6 desambra 1993 -24-

Jesoa no fivoy

Ianao Jesoa no fivoy manjohy ny lakana itoerako ety ny tenako izao no misosa hanatontosa ny adidy napetrakao Jesoa ô! ampangino ny onja mahery fa mila ho very ny finoako anio ny tenako raha misedra ireo setrasetra mila ny famonjenao Omeo ny hery avy aminao amin'izao fotoana izao ity nofo mora lò fa ianao irery no tokiko Jesoa tsy atosiko mba hiarahana mandrakizay Jentilisa 21 febroary 1993 -23-

Nikatsaka

Nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra aho       ary hitako fa misy tokoa izany: nanontany ny amin'ny fahamarinana aho       dia novaliany ny rariny indrindra nitady ny filaminana aho       dia nanehoana ny fampihavanana nihazakazaka ny fitiavana aho       fa nabonoka ahy ny hafanana nitolona ho amin'ny toetra mendrika aho       ka niaritra fisedrana mahamay satria raha nitaky ny hisian'ny fanovana       dia nitsena fanoherana nefa raha nifikitra tamin'ny tarigetra       dia nanamboaram-po mazoto niandrandra hahazo fahalehibiazana aho       fa nomena fo mazoto nangetaheta toro-hevitra aho       ka nisotro fahendrena vao nieritreritra ny ho aviko aho       hay nanampy ahy avokoa ireo rehetra ireo Dia asandratro ho avo ny am...

Fahadisoako

Fa notadiaviko itsahina ilay zava-masina ...    fahadisoako e! ny nampandefitra ny foko ny fahadisoako e! tsy tiako indroasina tsy tiako iteloana fa miverina foana.                     Fa notadiaviko idifiana                     ilay nifaliana                     sady nijaliana                     ...    fahadisoako e!                     ny nampandefitra ny foko                   ...

Ny Anaranao no tiako ho anarako

Ny anaranao no tiako ho anarako anarana enti-mandravaka ny resaka izay ifanaovana anarana manototra lavaka hampitambatra ny tena fitiavana Ny anaranao no tiako ho anarako anarana enti-manavaka voasoki-panahy tao anaty anarana tsy mahasaraka mbola entina rehefa maty Ny anaranao no tiako ho anarako anarana natao hitovy tiam-bentesina foana anara-tsy mety ho fanova mampiaina ny firoandroana Ny anaranao no tiako ho anarako anarana itatazana ompa avy amin'ireo mpankahala anaran'ny Tompon'ny tompo nefa fiantsoko ataoko malala Jentilisa 1994 -20-

Ho maraim-baovao

Raha tsy lazaina ny tahaka izao dia heverina ve fa tsy hisy ny maraim-baovao? Indreny izy rehetra fa miada-pandeha, mitaritari-tongotra toy ny hoe anaty kapa toa tapaka kofehy sy misaringodringotra voagejan'ny tsy fananana na inona na inona sy ny hanoanana mianjady ka sahirana mitady izay mba azony tsimponina sakafo ny tadiaviny manilika sy mitsindroka nefa tsy mahita hohanina ka rehefa sosotra fa tsy mahita arapaka dia manandratra ny lohany miandrandra toa mitaraina amin'ny lanitra saingy manome tsiny ny mpitondrany mpitondrany sady Andriamaniny Dia indro fa niondrika Feno fahakiviana, mahatsiaro fanina ketraka tanteraka Difotry ny henatra ka nanarona ny loha Eny, ny fahadisoam-panantenany tena lalina dia lalina Difotry ny aizina Nefa ...   ...   ... NEFA Nahoana izy ireo no avela hanjakazakàn'ny fahafam-baràka?     Tsy efa ampy ve ny fotoana...     niondrehana?     nidarabohana?     niesonana? Efa ampy t...

Aleoko

Aleoko mandrodana ilay manda tsy tiana nangeja vahoaka ho ao anaty fijaliana ilay vohitra tontolon'ny fahakambotiana no hanorenana indray ilay firaisan-kina. Eny, aleoko aseho amin'izay ny fahasahiana fa efa ela izahay no leon'ny fangirifiriana nefa ny herim-panahy no atao fiadiana sy ny herim-bahoaka tsy azo sangiana. Aleoko migadra sy ampijaliana hiray dia amin'ireo noambanimbaniana toy izay handray vola fandrabirabiana tsy haiko ny hino fa tsy nosolokiana Ny fanantenana sy ny fahakiviana ny andro itomaniana sy ny andro ifaliana nifandimby nefa aleo zakaina ny fihafiana toy izay hiaina hatrany ny fahoriana Eny, fiainam-baovao indray manko izao no irariana fa ny ho avy manko tsy azo ikipiana. Jentilisa Jolay 1991 -18-

Ny Fisalamoana voalohany

Sambatra ny olona sahy mandà ny hevi-petsin'ny ratsy fanahy Sambatra ny olona tsy mankasitraka ny laingalainga sy ny fitapitaka, ny riban'ny mpanota tsy ataony maodely fa ny didin'IKAKY no arindra tsikelikely, ny famindra-pony no ijoroana Ka ny zanaka nirahina no antsoina. Sambatra ny mitandrina ny nobinaiko na sarotra aza izany hampikaikaika satria ny finoana ahazoana famonjena no sahy isedrana toa volamena ny tenin'IKAKY no angala-tsoakevitra sainina hatrany sy mahabe eritreritra; Angataha-piarovanaamin-talaho Ilay Kristy Zokiny raha misy raorao Ny fitiavan'ny Tompo no karohiny ny soa avy aminy no ho fisotrony satria IKAKY no loharano mamelon'aina ireo ombàny; ny mana-pinoana marina maneo fifaliana isaky ny mahazo fitahiana izany izy jerena ka velom-bolo ny ataony rehetra vanona daholo. Fa lozan'izay tsy ampy finoana very hevitra aok'izany raha vao voadòna ny fampianarana angamba noraisiny ihany saingy ny tenany kosa be...

Isa manonga velezin-damàko

Isa manonga velezin-damàko no atao miako dobok'amponga toa famindra midrako no atao miako ivelezan-damako e ny isa manonga ho antso ho tonga nataoko mafy e ny dobok'amponga hamory kilonga Isa! Roa! varavara-mivoha! telo! efatra! boky mivelatra! dimy! enina!mandray penina! fito! valo! aza mimalo! sivy! folo! hahavita daholo! Isa manonga velezin-damàko no feon-dakolosy dobok'amponga narindra hiako mibaiko handroso ivelezan-damako e ny isa manonga ho fampianarana nataoko mafy e ny dobok'amponga ho fanentanana Isa! roa! mitraka loha! telo! efatra! idiro ny sehatra! dimy! enina! aza miverina! fito! valo! ataovy ny kalo! sivy! folo! ho tafita daholo! Jentilisa 13 jolay 1995 -16-

Lehibe

Tsy ny feo mihavaky no mahalehibe Tsy ny fitomboa-malaky no mahalehibe Tsy ny fanaovan-tsipa no mahalehibe Fa ny fikirizan-ko tafita no mahalehibe Tsy ny manao beloha no mahalehibe Tsy ny mahatò sitrapò no mahalehibe Tsy ny haben'ny famaritra no mahalehibe Fa ny fahaiza-miaritra no mahalehibe Tsy ny be setrasetra no mahalehibe Tsy ny mahavita amboletra no  mahalehibe Tsy ny totohondry sa daka no mahalehibe Fa izay mahafakafaka no ho lehibe Tsy ny nono asongadina no mahalehibe Tsy ny fe mandimandina no mahalehibe Tsy ny lamosina ahanja no mahalehibe Izay fatra-panaja no ho lehibe Tsy ny oroka imolotra no mahalehibe Tsy ny olon-droa mifanototra no mahalehibe Tsy ny fifampisafosafoana no mahalehibe Fa izay mianatra foana no ho lehibe Tsy ny famelana takaitra no mahalehibe Tsy ny mahavita mafaitra no mahalehibe Tsy ny manao zazasary no mahalehibe Fa izay tsara ny tsiarony no tena lehibe Jentilisa 23 oktobra 1995 -15-

Diam-penina

Ny tsingerina ao am-po namelombelona fanahy no mba entina hovakiana Diam-penina ho anao Ny toloko tao am-po fa nisoko ny tsiahy no atolotro hovakiana Diam-penina ho anao Ny taraina tao am-po adintsaina voatsiahy no tantaraina hovakiana Diam-penina ho anao Ny vokatry ny tao am-po voasokitra tsinahy noho ilay olo-tiana Ny voatondro dia ianao. Jentilisa 12 oktobra 1993 -9-

Nous ne savons...que le français

Nous ne savons que le français A la mode! à la mode! Nous ne savons que le français A la mode  est le français! Le malgache est meprisé A la porte! à la porte! Le malgache est meprisé A la porte et du balai Ny any aoriana hanao ahoana ange hana'hoana! hana'hoana! hanao ahoana ny teny va re? Ilay teny malagasy adinon'ise [Hiraina araka ny savez-vous planter les choux] Jentilisa 25 Jona 1992 -8-

Vorondolo

Onena ny foko ary ny saiko dia vaka f'ilay vorontsoa mba mendrika ho tabiha no andosirana sy tsy misy mpitia                 Vorondolo io rahavako. Tsy rariny lahy raha ny voromora no amoronan-dainga sy hampielezan-tsaho mba hovonovonoina sy atao maty kora                 Vorondolo io ry namako. Nahoana izy ireny no ampijaliana f'angaha  ny fisiany no manorisory no dradraina ho rangory no atao hoe fongory                 Vorondolo no ambarako. Nefa lazaiko sy atao antso avo Foto-tsakafony anie ireo mpandrava Tsy inona izany f'irony karazam-boalavo                 Hoy ny hevi-tsy tanako. Jentilisa 21 mey 1993

Izay misy ahy dia misy Azy

Izay misy ahy dia misy Azy Tazany hatrany aho F'Izy no mpiandry ahy         Hatramin'izay. Raha misy ahiahy Tsaroako Izy no niahy Namelombelona fanahy         Tamin'izay.     Jesoa no tia     Tonga hiara-dia     Jesoa 'lay Mesia     No tena Tia. Ao anaty ady sarotra 'Zay mampatahotra no mitady avotra         Dia vonjeny. Raha  misy aretina Izy nanasitrana Ary koa raha vizana         Nomeny hery. Jentilisa 1995

... Ry Tompo Jesoa

Indro aho ry Tompo Jesoa         O! Banjino         Ka ivimbino     Ny fahasoavanao Na ho jamba aza aho hitako ny misy Anao na ho tapaka ny tongotro hatoniko ihany re Ianao na ho  bory koa ny tanako ny tananao no mandray izao Anaro aho ry Tompo Jesoa         Mampahery         Anay efa very     Ny Filazantsaranao Tezao aho ry Tompo Jesoa         Ampitomboy         Kolokoloy     Ny finoako Anao Jentilisa 13 aogositra 1992 -10-

Raha miaraka isika roa

Efa noheverinao ho fahatsiarovana sisa Ny visavisa hianoka paradisa Dia ny ranomasonao no nakorisa Efa niainanao fa raha eto an-tany Na ny fahiny na ny ho avy izany Tsy tafala avy hatrany ny vinany sy tomany Fa ampitaiko aminao fa mbola misy vetsom-po maniry ny hahita anao sy hilaza izao teny izao koa Fa maninona moa raha mba miaraka isika roa? Jentilisa 21 septambra 1992

Fa ny foko re no manina

Fahatsiarovana sisa no atao tanisa tanisaina ilaina nantenaina hamohafoha sy saina kanjo nanagaina ka ho lany izany aina Mbola misy ve? hery miafina tsy nokasaina tsy hay notohaina tsy hay dikaina tsy hay ovaina ka nohiraina? Aiza izy izay ilay olona iray any ho any eto an-tany nefa onona ihany tsy mahafa-pò izany ka mahalasa ny vinany Alahelo foana no manoloana indrisy mamparisarisa tsy misy heviny ny sisa toa tsy misy paradisa ranomaso no akorisa Fa ny foko re no manina ka ny tenako no fanina Eny! lavo aho fa ho tafarina Jentilisa Janoary 1991

Misy tsy misy

Misy tsy misy taloha no nisy fahatsiarovana sisa Misy tsy misy lazainy fa misy lainga nosinisy Misy tsy misy takiana ho misy ho filan-kisa Misy tsy misy saingy mety hisy anaty visavisa Misy ny misy misy fa indrisy efa masiso Misy ny misy irìna tsy hisy fa manala paradisa Misy ny misy lazaina ho tsy misy: risoriso! Nefa raha ny misy no lazaina ho tsy misy dia ho inona sisa? Jentilisa 13 desambra 1993

Ezaka

        Samy maso mijery         ny fivoarana         tian-kihoarana         saingy toa mihavery         ny tomba-pananana         izay nisasarana Laviko kosa raha mbola hitoretra ny hioitra manko tsy vitan'ny tsetra         Samy sofi-mandre         tsy hanaiky ho mpanaraka         fa mba hiavaka         ka ny enta-nafehy         ilay hevitra tapaka         handà raha hangataka Hilefitra ve ka hiankin-doha Hisolelaka ve vao hahazo ny soa?         Ny saina nomena         hisafidy ny tsara         sy enti-mikaroka ny lavorary         ny herin'ny tena         ho enti-mihary         fehezina mihitsy tsy ho mora f...