Eto dia lehilahy iray no manontany lehilahy iray hafa hoe "Moa tia ahy va ianao?". Amin'ny vanim-potoana ankehitriny dia mety ho hafahafa izany fanontaniana izany. Fa rehefa mieritreritra fitiavana ny maro dia tahaka ny any amin'ny fitiavan'olon-droa hatrany no ironan'ny saina. Misy tsy fahasalamana ara-tsaina ihany ao amintsika ao raha mibahana ao an-tsaina ny fihevitra tahaka izany. Azo itsapana ny fivoaram-pieritreretana ao amintsika ihany koa ny tranga toa izany. Aoka anefa homarihana fa ampahan-dahatsoratra ao amin'ny baiboly no nakako izany lohateny izany. Horaisintsika ampahany ary izany (Jaona 21:15-17): Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, bar-Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Hoy indray izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia hoy...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.