Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du avril, 2012

Horakoraka

                                                            __ Andao isika hihorakoraka am-pahanginana                                                            __ Ahoana tsara? Misy ihany amin'ny fiainana ny fotoana ilàna horaka mazàna. Ny horaka indraindray hevitra indray te-hivoatra rehefa ela leon'ny nanoaka dia hientana indray. Ny horaka indraindray milaza ilay hetsi-pò te-hitroatra notinazo fa tsy hay napoaka lasa nanjary vay Ny horaka indraindray manambara ilay fo misendaotra mampiharihary fa mandroaka na hoe koa: "Aoka izay!" Ny horaka indraindray fandrisihana izay tsy afa-nanoatra feo atolaky ny vahoaka anaty ady mahamay. Ny horaka indraindray midika...

Ny Fahanginana

Mihainoa! Fa miteny aminao ny fahanginana Mijere! Fa manoro lalana anao ny fahanginana Manamboloa! Fa manintona anao ny fahanginana Mandrosoa! Fa miaro anao ny fahanginana Ngadon'antsa tsara indrindra mahafaly ny voasedra, sy mozika tonga lafatry ny tia filaminana         ny fahanginana                 Gidran-kira fanaperana                 mankarenim-pihorakoraka                 korontamby mampihifikifika                 ny sofin'ny mpiliba                         ny fahanginana lala-migodàna fizotran'ny salama fo sy sakelika fanivaka iazahan'ny mpañony tena         ny fahanginana                 Kizo mampihemotra             ...

Dimanjato Taona

Iza moa no tsy mahalala fa misy ireo vondron'olona mitady hanjaka tokana eto an-tany. Tiany ho ny kolontsainy no hitaizana ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao. Tadiaviny ampanjakaina fa ny azy irery no fandrosoana, ny azy irery no fiainana... fiainana manadoka.  Ny olona mahatsiaro ho voahosihosy tahaka ny hoe olombelona tsy afaka mivoatra amin'ny mahaolona azy no mitroatra tsy nahy. [Ity misy rohy mifandraika amin'ity tononkalo ity.] [en] Dimanjato taona no nimaona         ranomaso no tovozina fotoana tsy nialana saona         toa olom-boahozona voatapim-bava toa moana         sy natao taingi-bozona Dimanjato taona noterena         hifindra lasy hatrany hatrany nailikilika dia nohosena         mba hangalarana ny tany rehefa notinaiza sy nolemena         fa sarangan'olona ambany Nefa te-hivoatra amin'izay         ami...

Nisy Zavatra...

Tamba-tononkalo ity atolotra anareo etoana ity. Mipetraka ao anaty kahie fa nanomboka 1991 ka hatramin'ny 1995 ka mitovitovy lohahevitra no nampiarahana ho tononkalo iray, karazana lala-piainana iray ifamahofahoan'ny hafaliana sy ny hakiviana sy ny fijaliana mankamin'ny fahasahiana. Dia mazotoa mamaky fa lavalava ihany ny lahatsoratra. Nisy zavatra... Nisy zavatra nanala tamiko ny voalin' ny tsy fahalalàna nandritra ny fahazazàna ka nidirako fiainana vaovao. Nisy zavatra nanaitra ahy nandaitra hampifaly ny foko hanary toloko raha toy ny nanjoko ao tao ho ao . Nisy zavatra nanaika ahy hampahery vaika sy hampiriotra isa-minitra ka nampanadino ny kitra tanatiko tao . Nisy zavatra nanasoa ahy tsy hikoa ka nizorako mangina ny lalam-pihafiana toa àry fiadiana raha miditra mankao . Nisy zavatra namaka tamiko ary nanjaka teo anivon'ny laka tsy hihambakavàka na iza hisompatra na iza hikàka . Eny, nisy zavatra namonjy ahy raha saiky voa...

Avy Mangataka Izahay...

Avy mangataka izahay Ka indreto izahay haka ny anay Inona re no alainareo Fa omena anareo raha mbola eo? Ny teninay re no alaina Fa ilaina mba hajaina Iza re no haka azy Iza no sahy Mitsangana! Indreto avy izahay Hamelona indray K’atolory amin’izay Amin’ny firy no fotoana fa tsy ataotao foana ndrao lasan’ankaso Izao dieny izao re no fotoana Fa vonona foana Mba hamelomaso Apetraho aloha ny safidinareo Sao mora leon’ Ny ala-safay Ny safidinay dia efa vita Iriana ho tafita satria iny no anay. … … … … Jentilisa 02 jona 1993 -1-

Eto An-Tany Ny Paradisa? Teo Ampandrenesana ny Conquest Of Paradise

Gaga ihany ny tena fa dia nahoana loatra no mangina tsy mahasoratra lava ireo mpanoratra mahasahy mametraka ny anarany na solon'anarany amin'ny diam-peniny eto Madagasikara? tratran'ny fahasahiranana ve? Tsy manam-potoana intsony ve? Sa ankona tanteraka manoloana ny zavamisy? Zava-pitranga izany ka tsy tokony hahakivy. Fa ity misy zavatra ambarako aminareo. Milaza ny tsy fahalalako zavatra mihitsy aho eto na misy ny taranja tena tsy manavanana ahy loatra ka taraiky aho. Hatramin'ny nanombohan'ny tolona laoranjy dia mba te-hahalala ilay feon-kira fandefasan-dry zareo mialoha ny hanentanana ny olona iny aho. Tsy misy mahalala izay lohateniny, tsy misy mahalala izay tonony ny olona anontaniako. Samy vendrana amin'ilay taranja koa angaha no mifanontany ka tsy nahazoam-baliny an-taonany mihitsy ny fanontaniana. Tampoka teo, ny marainan'ny 18 avrily 2012, indro nisy siokantsera avy amin'ny namana iray nilaza ny lohatenin-kira ( Conquest of paradise ) ...