Tao ho ao izay dia nahazo vahana ny fanenjehana ny kristiana. Raha ny eto Madagasikara aloha dia mbola eo amin'ny sehatry ny ady hevitra sy ny famelezana am-bava no manjaka. Na izany aza, be loatra ny lainga ao amin'izay voalaza ka mahatonga ny Maharesaka efa nampiomana mialoha fa manana fironana kokoa hiaro ny kristianisma. Efa zatra nanoratra, nifanakalo na niady hevitra tao amin'ny diniky ny namana serasera eo amin'ny finoana sy ny fivavahana nandritra ny fotoana nampahalaza azy koa ny tena. Raha manao izany dia tsy manana antokom-pivavahana manokana ho arovana. Tsy voasakana hanao tsikera anefa satria izay no fahalalahana ary tsy matahotra excommunication satria tsy mandray baiko avy amin'olona na rafitr'olombelona (raha lazaina amin'ny fomba hafa dia hoe Andriamanitra no henoina kokoa mihoatra noho ny olombelona).
Rehefa manara-baovao dia mahatsikaritra fa raha mahasahy mijoro amin'ny maha-kristiana azy ny olona iray dia tondroina avy hatrany ho extrême-droite, indrindra raha amin'ny amin'ny ilabolantany andrefana ny toerana ivoahan'ny vaovao. Inona no mahatonga izany fiheverana izany, sa izany fanondroana izany? Hevitra manokana fotsiny hoe entina hampandosirana ny olona tsy ho liana amin'ny zavatra kristiana izany, na tiana holazaina fa efa vakoka navelan'ny Ntaolo ny kristianisma.
Ny kristiana sy ny fanalan-jaza, fantarina aloha ny anton'ny fanalan-jaza. Mariho manokana fa na ny lalàna 305 nivoaka tamin'ny 29 marsa 1878 tamin'ny andron-dRanavalona II, izay nilaza tena ho kristiana, aza dia tsy manakana ny fanalan-jaza raha fanolanana no antony na raha mampidi-doza amin'ny fahasalaman'ny reny ny fitondrana vohoka, tsy misy fanakanana bontolo noho izany fa nosainina tamim-pitiavana sy fahafantarany ny vahoakany.
Any amin'ny tany tandrefana, tsy natao ho rehareha na aderadera loatra ny maha-kristiana fandrao mandika ny lalànan'ny laïcité. Na inona anefa lazaina na inona dia namolavola ny rafitra ankapobeny any amin'ny tany tandrefana ny soatoavina sy ny tandrohasina kristiana. Tany Eoropa Andrefana no nohatsaraina sy novelarina kokoa ny demôkrasia sy ny Repoblika. Tsy manavakavaka ny kristiana fa mandray vahiny, fa na izany aza tsy ny vahiny noraisina indray no handidy ny fiainan-tokantrano na ny fiainam-pirenena, indrindra raha mikendry ny hamafana tanteraka ny maha-kristiana amin'ny fomba rehetra ny zavatra entin'ny vahiny.
Eo no manomboka ny tsi-fitovian-kevitra. Eo ihany koa no miditra an-tsehatra ireo mpandala ny hery farany havanana. Amin'ny ankapobeny manko lazaina fa miorina amin'ny fankahalàna vahiny ny fotokevitra farany havanana. Ny fisainana malagasy ankapobeny kosa, indrindra raha eto Madagasikara, eo amin'ny toe-javatra tahaka izany dia tena vitsy no mihevi-tena ho tsy extrême droite: mandray vahiny fa tsy manaiky ny hobaikoany kosa indray na manana fankahalàna amin'ireo vahiny lasa tanana ankavanan'ny mpitondra.Izay tsy ao anatin'izany fomba fisaina izany kosa indray dia lasa tafiditra ao amin'ny fanompoana sy fisolelahana vazaha (fotsy, mavo, mainty). Misy indray sady manana fankahalàna no misolelaka.
Nandray anjara tamin'ny fanatevenana ny Repoblika sy ny Demokrasia efa nisy tao amin'ny tontolo grika ny kristianisma ary tsy maintsy misy fifidianana ao anatin'ireny rafitra synodaly ireny na dia samy manana ny mahazo mifidy ao aminy aza ny isam-piangonana. Noho izany, fivilian-dalana eo amin'ny sasany ireny mandrisika ny olona ao aminy tsy hifidy ireny eo amin'ny fiainam-pirenena ary tokony ho azo raisina ho antokom-pivavahana mampidi-doza aza satria manao izay hahatonga ny olona tsy ho lehibe sy tompon'andraikitra.

Commentaires