Buzz na samonomonina tao amin'ny Facebook (sy ny Twitter koa) ilay raharaha nakana live ilay mpampianatra fanatanjahantena nifamalian'ny depioten'Atsimondrano iray momba ilay zanany nalaza tampoka amin'ny anarana Bryan. Niniako ny tsy namoaka izany lahatsary (horonantsary) izany satria ny endrik'ilay mpampianatra no tena naharihary, toy ny hoe atao izay hanalana baraka na hamaizana azy. Niresaka sy saika nitokelaka avokoa anefa ireo naharaka ity toe-javatra iray ity. Santionany fotsiny ireto mivoaka eto ireto fa tsy izy rehetra tsy akory. Pejin-d RAOTO manontany izay diso amin'ilay mpampianatra sy ilay ray aman-drenin'ny mpianatra. Radio Mada 100.8 nanoratra hoe lasa malaza ny teny hoe: "Iza(h)o tsy matahotra depiote Pejy 24hMada namoaka karazana ady rima momba ity raharaha ity: Pov kosa somary lavitra ny sainy amin'ny hoe raha eto Antananarivo ary misy tranga tahaka izao, dia ahoana ny any amin'ny tsy hita maso any? Azo lazaina hoe voatery n...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.