Raha ny fomba fisainako tsotra izao dia tsy ho nanao lohateny tahaka izao mihitsy aho. Heverina avy hatrany ho fisainan-jaza ny fomba fihevitra mametraka andian'olona ho hetsehin'ny devoly na tarihin'ny anjely. Fa sarotra kosa ny manazava amin'ny fomba tsotra ny toe-javamisy ao Frantsa amin'izao fotoana izao raha tsy tonga ao an-tsaina ny amin'ny anjely sy ny devoly.
Lazaina ho anjely amin'izao lahatsoratra izao ny fandalàna ny fifankatiavana, ny fandalàna ny filaminana sy ny fifanampiana ary ny fifampizaràna sy ny fandriampahalemana. Lazaina ho devoly kosa ny fandalàna ny fahatezerana mitondra ho amin'ny haromotana ka manjary tia manimbazimba, dia mihantsy ady, mitoraka fananan'olona sy mandroba ny hafa ihany koa, miafina ao ambadiky ny fitakiana izany vao mainka manampy trotraka ny olana ny fihetsika atao. Nahoana no mitaky fanorenana tsara raha simbaina sy dorana izay vao naorina?
Endrey ny hafalian'ny maro, endrey ny fanandratana hira fideràna na an-trano na eny ambony fiara fitaterana na tao an-kianja raha nandalo tao Frantsa ny Lehiben'ny EKAR sady Filohan'ny Fanjakana ao amin'ny cité de Vatican. Toa nahazo hery vaovao enti-miatrika indray ny fiainana, nampahafantarina fa efa hatry ny ela no niorina tao Frantsa ny fivavahana sy ny kolontsaina kristiana. Nivoaka tamin'ny fahanginana ireo tanora frantsay maneho ampahibemaso ny finoany nahilikilika sy natao anjorom-bala hatry ny ela. Fa nisy ny tezitra tamin'ilay fahazoana angovo tsara tamin'ny fandalovan'ilay rangahy iny.
Ny ampitso ihany ary efa naharitra andro maromaro izao, niseho ny endrika faharoa, navoakan'ny tanora tsy nanaiky ilay toe-javatra teo aloha. Tsy mahita izay fitakiana ny olona aty ivelan'i Frantsa, fa toa mifandaka amin'ny zavatra takiana ny atao. Dorana ny fanariam-pako, torahina sy potehina ny fananam-bahoaka (abribus, ny eo aloha amin'ireo sekoly manana ny lazany) ary tonga hatramin'ny fandoroana. Toy ireny hoe ezahina fafàna ilay zava-nitranga tamin'ny fandalovan'ny Papa. Ankehitriny, tonga ny fandrobàna ny toeram-pivarotana sy ny fanimbazimbàna ny fiangonana kristiana ary tanora no tena manao izany satria tsy nampianarina ny amin'izay zava-masina ireo. Toa ezahina fafàna sy tsy ho tsaroana intsony ilay filaminana sy fitoniana niainana andro vitsy lasa izay. Moa va tsy tonga ho azy ny eritreritra hoe tena netsehin'ny devoly ireto olona ireto?
Mamehy izany rehetra izany kosa ny tena hoe, izay ka, izay rehefa tsy ampianarina sekoly alahady sy katesizy dieny mbola kely ny zaza sy ny ankizy. Ampianarina aza izy efa manahirana koa vao mainka tsy ampianarina?

Commentaires