Tsy manana kolontsaim-panairana fantatra loatra ny Malagasy raha tsy efa antomotra na efa mihatra ny loza na ny voina na ny fanafihan'ny fahavalo. Toa manaporofo izany ny fomba fitenenana iray manao hoe "Efa ho lava toy ny afon'Antongona". Tazana avy eny Antananarivo na avy eny Ambohimanga ny afon'Antongona rehefa avy ny Sakalava mpanafika tao Imerina tamin'izany fotoana izany. Mailo loatra angamba ry zalahy ka tsy noraharahian'ny mpitily sy ny mpiambina intsony izay nataon'ny teny Antongona... Efa tafiditra sarotra tohaina ny mpanafika vao velomina ny kiririoka sy ny hazolava, lasa ikoropahana daholo ny zavatra atao.
Raha mandre izany tantara izany isika dia tsy tokony hanao tsinontsinona intsony ireo fanairana manoloana ny karazana loza mitatao ho an'ny tsirairay, ho an'ny tanàna na ho an'ny firenena. Mbola tsy mahazatra loatra ny Malagasy ihany koa ireo antsoina hoe "lanceurs d'alerte" (Whistleblowers) ary indraindray aza afangaro amin'ny mpanakorontana na "fauteurs de trouble" satria mety hanelingelina tombontsoan'olombitsy izay mifandaka amin'ny tombontsoam-bahoaka. Vokatr'izany, marefo manoloana ny matanjaka sy ireo tompon'andraikitra mety mihoa-pahefana ireny karazan'olona ireny.
Nitady anarana amin'ny teny malagasy iantsoana ireo karazan'olona mpilaza ny tsy mety sy ny tsy rariny ireny ny mpiraharaha sy ny mpandala ny teny malagasy ka nanondro azy ireo ho "angaroa". Mazava loatra fa anarana tena malagasy fa tsy mahazatra izany anarana izany. Efa tsara ny fitadiavana anarana tahaka izany mba ho tafiditra ao an-tsaitsika fa fa tena ilaina ireny karazan'olona ireny. Zavamaneno maranitra feo izy io fa tsy mahalasa lavitra loatra... ka izay indray no tsy naharesy lahatra ny mpanoratra.
Lohatenin'ny lahatsoratra ny hoe tsy angaroa fa anjombona. Tsy feo avo mikiakiaka manaitra ny akaiky fa mety tsy ho ren'ny lavitra no ilaina fa feo mibarareoka mety mitrena, mitovy feo amin'ireny fanenon'ny sambo lehibe ireny na natao ho henon'ny sambo lavitra any amin'ny toerana tsy ifankahitana koa. Anjombona (ahatsiarovana ny anjombon'ny garan'i Soarano maneno rehefa fidirana sy firavan'ny mpiasan'ny RNCFM tany aloha ka hatramin'ny Repoblika faharoa) no tian'ny mpanoratra iantsoana ny "corne de brume" na "foghorn" mety hankarenin-tsofina fa mahatody lavitra dia lavitra. Mpanaitra ny akaiky sy ny lavitra no ilaina dia samy mahalala ny rehetra fa tsy kobokobonin'izay mahafantatra dia tsy fanta-piafarana avy eo.
Raha mbola tsy maharesy lahatra ilay anjombona dia ataovy hoe anjomara indray!
Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy. Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...
Commentaires