Ny marainan'ny zoma 16 oktobra 2026 no efa raikitra ny fifampitorahan'ny samy mpianatra tao Antsiranana tao. Voalaza fa nisy ihany koa ireo nitondra zava-maranitra ho enti-miady. Fototry ny fifandirana ny fizarana ireo efitrano vaovao ho an'ny mpianatra izay notsinjaraina mitovy ho an'ny fikambanan'ny mpianatra isam-paritra. Tsy nanaiky izany toe-javatra izany anefa ny fikambanan'ny mpianatra avy ao Sofia sy Sava araka ny tatitra satria mihoatra ny atsasaky ny isan'ny mpianatra manontolo ao an-toerana ry zareo ka heverin-dry zareo ho tsy rariny izany fizarana mitovy isa isa-pikambanam-piaviana izany.
Olana lehibe ho an'ireo Oniversite maro eto Madagasikara io resaka fonenan'ny mpianatra io satria tsy ampy velively ho an'ny mpianatra izany amin'ny ankapobeny. Tranga fahita matetika ny fibodoan'ireo mpianatra efa nahavita fianarana ny trano na dia efa tsy mpianatra intsony aza izy ireo. Ivelan'izay, raha ny tao Ankatso, karazany mividy trano ny mpianatra vaovao nefa tsy lasany io trano io raha ny tena marina fa ahafahany mipetraka amin'ny trano ihany izany. Izay no antony mahatonga ny fitondram-panjakana miezaka ny hanarina tanteraka ity raharaha ity ka hanaisotra ireo efa tsy mpianatra intsony. Mazava loatra fa tsy hanaiky moramora izany ireo efa nahazo ny toerana. Manaraka izany koa, mahamenatra, gaboraraka ny jiro eny amin'ny faritra ka mizaka ny tsy eran'ny aina na ny JIRAMA na ny Minisiteran'ny fampianarana ambony.
Hevitry ny mpanoratra: rafitra nolovaina tamin'ny Repoblika faharoa ny fanasongadinana ny fikambanan'ny mpianatra iray faritra, ary azo lazaina avy hatrany ho efa savaranonandon'ny rafitra politika federaly tiana ho atao malaza sy ampiharina eto Madagasikara. Amin'ny ankapobeny dia avy amin'ireny fikambanana ireny no ivoahan'ny taniketsan'ny mpanao politika eto Madagasikara. Tsy ratsy izany nefa tsy tsara ihany koa satria lasa fitadiavan-toerana politika no tena masaka fa tsy ny famoahana manampahaizana loatra. Mety ho natao hampitovy lenta ny mpianatra izany tany am-piandohana tany na natao ho vahaolana tamin'izany fotoana izany, ankehitriny anefa lasa olana ilay izy satria ady ho an'ny faritra niaviana no masaka kokoa fa tsy ny fijerena izay hahasoa ny firenena na hampandroso ny firenena.
Koa fotoana izao esorina amin'ny fikambanan'ny mpianatra ara-piaviana ny tombony manokana amin'ny fitsinjarana fonenan'ny mpianatra izay efa mitovy laharana amin'ny tranomaizin'ny gadralava ihany rehefa tena dinihana. Aleo ho an'ny tompon'andraikitra manontolo ny andraikitra fitsinjarana ny fonenana fa tsy lasa ny mpianatra no ampiadiana ankolaka fa tsy hivakiloha amin'ny fitsinjarana ara-drariny mihitsy ny lehiben'ireny fikambanana ireny fa izay akamakama sy olom-pantatra ankaiky ihany no hahazo vahana.
Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy. Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...
Commentaires