Accéder au contenu principal

Avia! avia ra-orana ô!

Vakio tsara aloha ny lohateny sao dia diso fandray dieny ety am-boalohany. Tsy niantso fozaorana aho fa orana tsotra! Tsy niantso orana bibikely koa anefa aho fa oram-batravatra, orana milatsaka manamando ny tany, mamelona ny voary manontolo, mamelombelon'aina koa ny olombelona izay matetika tsy mahay mankasitraka izay mahasoa azy fa izay tiany ihany no ataony. Saingy izao:

Avia! avia ra-orana ô! hoy ny hirahiranay fahakely. Hiram-pankasitrahana satria fanomezan'Andriamanitra koa io, tsy misy afa-tsy izay ny tonony, hiram-pifaliana io ny anay fa tsy fanafenana tomany. Raha azonay natao aza dia nilalao tao anaty orana izahay. Tsy mahalala izany hoe mankarary anie io.

 

Ao anatin'izany no ahatsapana fa manana fahendrena kokoa ny Malagasy manoloana ny toetr'andro. Ny mpanjana-tany no mety ho niezaka nanazatra antsika ny voambolana hoe tsara ny andro na ratsy ny andro fa ny antsika malagasy manorana na maina io dia mivonona amin'izay hitranga. Ny Malagasy talohan'ny fanjanahantany angaha raha tratran'ny rivomahery nitady fangatahana tany amin'ny mpanjaka na mpitondra fanjakana? Io araka ny fitenenana hoe indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe ary raha nanao no tsy ambinina AMPISAMBORY fa havana ory.

Taty aoriana no mihevitra fa andrasana amin'ny fanjakana daholo ity zavatra rehetra ity. Ity kosa indray ny toetra ratsy: fantatra fa fandalovan'ny rivomahery ny amorontsiraka ary mafy ny fandravana aterak'izany. Ny any an-kafa miezaka ny tsy haharava ny fanorenana atao na dia misedra ireny zavatra voajanahary ireny, ny antsika kosa lazaina ho hetraketraky ny tany ka tsy misy na inona na inona azo atao, tsia, fahadisoana goavana izany.

Misy ireo mpikaroka dia efa nahita teknika fa azo atao tsara ny manorina fonenana mahazaka rivomahery dia manao izay hahabetsaka ireny, dia mihavitsy hatrany hatrany ny faharavana aterak'izany avy eo ary mety tsy ahitana faharavana intsony aza. Isika teto Madagasikara kosa, nihomehezantsika ilay izy satria tsy misy ilàna izany. Tsy misy ilàna izany satria manjary tsy misy zavatra takìna amin'ny fanjakana intsony. Ny fanjakana koa etsy andaniny tsy nitozo tsy nandidy fa lasa mampiasa ireny toe-javatra ireny hanararaotana fangatahana fanampiana avy any ivelany. Lasa tsy menatra ny mangataka intsony isika. Paika manao ahoana no atao mba hanesorana izany toetrantsika ratsy izany?

 


Fahiny angamba tsy nisy fikorontanan'ny toetr'andro loatra fa ankehitriny anie lasa irariana aza ny fandalovan'ny rivomahery matetika mba ho avy ny orana e, ny orana no miantoka ny fahaveloman'ny zavamiaina rehetra eto an-tany, na dia mahasorena olona maro aza. Amin'izao fotoana izao, efa fotoana itadiavana vahaolana maharitra manoloana ny El-Niño sy ny El-Niña miainga amin'ny fitsimbadihan'ny fitsokan'ny rivotra any amin'ny Riaka Pasifika any izay misy fiantraikany manerana izao tontolo izao. Mba tsy hanao fanorenana manohitra ny fironan'ny rano amin'ny tsy misy dikany intsony isika, mba hitady izay hitehirizana ny orana isika tsy ho verivery foana ny tolotra omena antsika ary mba hahay hiatrika ny rivodoza tahaka ny fiatrehan'ny Japoney ny fihovitrovitry ny tany tsy mety mitsahatra any amin'ny misy azy any. 

Andao hohamaroantsika ny fahasoavana azontsika amin'ny fisian'ny orana sy ny hadadasiky ny nosintsika ka tsy hihazakazahana hototorana tany ny toeram-pambolentsika. Io tondra-drano miseho matetika an-drenivohitra io anie noho ny tsy fanajana ny lalan'ny rano, tsy fanajana ny honahona mpanangon-drano ary ny tena mahasorena, ny fanangonana sy fanovozan-drano tahaka an'i Soarano sy Behoririka ireny no lasa fanariana ny riaka sy ny rano maloto, koa aiza moa isika no tsy hahantra fadiranovana? Tsy lazaina intsony i Betsimitatatra (sy Laniera) tokony ho sompitra kely ho antsika, zava-maitso midadasika manome endrika ny renivohitra... nefa toa zavatra hafa no re momba azy amin'izao fotoana, lazaina ho tsy an'ny Malagasy intsony? 

 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...