Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du juillet, 2025

Antsirabe: Olompirenena sy tinaiza manarina ny tanàna nidonam-pahamaizana

Tsy niraviravy tanana ireo tia mandray andraikitra fa nanokatra fitia tsy mba hetra ho fanarenana ny tsena izay may tanteraka. Tsy niandry na nanantena fitondram-panjakana fa miezaka manao kosa izay heverina ho anjara tandrify ho fanarenana ny tanàna (nanangana vondrona Facebook ho fanarenana ny tsena mihitsy!). Tahaka izany ny nataon'ny pejy Facebook i.n.m na Inona no maresaka , izay mpilaza ny tantaran'Antsirabe sy ny mponina ao, mpamoaka tahirintsary maro sy fijoroana vavolombelon'ireo fotsy volo amin'ny tany. Mariky ny fitiavana ny tanàna tokoa ny fitiavana sy ny fahafantarana ny tantarany ary raha tsy nisy izany fahalalàna ny tantara izany mety ho kely ny herijika handraisana fanapahan-kevitra tahaka izao.    Tsy ambaka amin'izany ihany koa ny fikambanana Grandir à Antsirabe , mifantoka amin'ny fitaizana ankizy, ahitana vahiny sy teratany ary tahaka izany koa ireo zanaka ampielezana fa nihalehibe na tinaiza tao Antsirabe ka miezaka manao izay azony atao ha...

May ny tsena Sabotsy ao Antsirabe

  Herinandro mahery taorian'ny nahamay ny Jirama tao Ambalavato Antsirabe dia nirehitra amin'ny ampahany be ireo talantalana sy fivarotana tao amin'ny tsena Sabotsy ny alatsinainy 21 jolay 2025 lasa teo.    Havokavoka mamelona ny ampahany maro amin'ny mponina izao lasa may izao. Tsena lehibe indrindra eto amin'ny Ranomasimbe Indiana ary isan'ny lehibe indrindra ihany koa manerana an'i Afrika. Manana velaratany 4,5ha eo ho eo izao tsena izao ary azo heverina fa teratany avokoa ny mpivarotra ao.    Efa nisy fotoana nivarotra tao amin'io tsena Sabotsy io ihany koa ny mpanoratra ary lalana fandalovana tamin'izany raha handeha sy avy any am-piangonana.     Efa mitsinjo sahady ny ampitso ireo mpivarotra may fananana ka mitaky avy hatrany mba ho azy ihany ny toerana efa nivarotany talohan'ny fahamaizana.    Nataony izany mba ahafahany mioitra indray, satria tsy ny fahalavoana no inona fa ny fiarenana no tena zava-dehibe.    Be loatra ny ho...

Ilay faty iray nihoatra

Tohina tanteraka ny maro amin'ireo mpanjohy vaovao ao amin'ny media sosialy.   Niboraka amin'izay ny alahelon'ireo olona niezaka ny hangina rehefa tonga teo amin'ny faha-31 ireo maty tamin'ilay tsingerintaona matroka tao Ambohimalaza.  Misy ireo manentana ny hitroatra sy hampiseho ny fahatezerana hitaky ny marina, fa misy sokajin'olona saika tsy hiteny ihany fa niboraka ihany ny farany, na dia teny tsipalotra fotsiny aza. Maro ireo influenceurs no miteny amin'izay. Avoahy ny marina! hoy ny antso miverimberina. Manao antso avo ireo namany solombavambahoaka ny depiote Me Hanitra boriborintany voalohany Antananarivo.   Fa mbola ifanontanian'ny samy Malagasy koa ny hoe mbola ao amin'ny Malagasy ve ny firaisankina?   Fanampim-baovao: Namoaka fanambaràna tao amin'ny fahitalavi-pirenena ny minisitry ny fitsarana fa anisan'ny hohadihadiana ny tompom-pety sy ny fianakaviany satria nisy nitory.   Ny henjana amin'io raharaha io dia mety tsy mis...

Ilay Lanonan-Tsingerintaona Matroka tao Ambohimalaza

Iray volana mahery izao no nitranga ilay voina tsy manampaharoa teto Madagasikara nitranga teny Ambohimalaza, sampanana mivily mankany Imerinkasinina. Noho ny toe-javatra mifamahofaho tsy ahafantarana izay nitranga tokoa na iniana anafenana izay tena nitranga sy ny antony mahatonga ny voina dia nanoratra ihany ankehitriny. Ny fitondram-panjakana midrikina hatramin'izao fa famosaviana amin'ny alalan'ny fanapoizinana no nitranga tamin'io fotoana iray efa nahafatesana olona mihoatra ny telopolo amin'izao fotoana izao io. Misy kosa ireo mihevitra fa tsy izany velively fa trangan-tsakafo efa tsy tokony nohanina intsony ny tao ka niteraka aretina (fahapoizinana ihany koa) antsoina hoe "Botulisme" izay tsy maintsy anaovan'ny fitondram-panjakana fanambaràna eo amin'ny sehatra iraisampirenena amin'ny alalan'ny OMS (Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana) ny fisiany. Efa niteraka fisamborana olona, izay heverin'ny mpanoratra ho...

Fanararaotra sa mampatahotra?

Mahafantatra isika fa miezaka manatanteraka ny lalambe migodàna na ny autoroute ny fitondram-panjakana malagasy. Malaza fa tsy misy vola aloa ho an'ireo manana tany tratran'izany lalambe migodàna izany, marina ve sa tsia?  Nisy ihany ny fanoheran'ireo izay niharan'izany nefa haingana ihany dia nitsaha-ketrika izany. Sarotra ho an'ny olona izany hiady amin'ny fanjakana izany, indrindra fa hoe aty ambanivohitra. Mora ahodina manko ny vaovao nefa tsy eo ampelatanan'ireo tantsaha ireo mihitsy ny hery sy fandresen-dahatra ny hafa, na ny any an-tanandehibe na ny any ampitan-dranomasina, hoe tena tsy rariny ho azy ireo ny mihatra amin'izy ireo. Vao lazain'ny filazam-baovao fotsiny hoe "dahalo" ireo dia efa faty izany no miandry, ary fonja farafahatsarany. Hita koa fa misy ireo olona izay ankebakeban-tany teo aloha, nefa lasa amoron-dalana amin'izao fotoana izao, no mivarotra ny taniny noho ny tahotra fandrao lasa tsy ahazoam-bola ihany koa ny ...