Raha eto Madagasikara no miresaka famantaranandron'ny gara dia ny ao Soarano, Antananarivo, avy hatrany ny ao an-tsaina. Isaky ny miditra mankeo Analakely aho dia any amin'ny Gara hatrany no itopazako maso voalohany. Rehefa mijery ny gara aho dia ny ora tondroiny no karohiko. Tsy izay ihany fa eo anoloan'ny gara no mipetraka ny vaton'ny PK0 ho an'ny lalampirenena rehetra miainga ao an-drenivohitra. Noho izany, tokony ho ny famantaranandron'ny Gara no "Big Ben" eto Madagasikara. Tsy zavatra moramora izany fa ny ora tondroiny no tokony arahin'ny olona sy ny orinasa rehetra ao Antananarivo mba hifanaraka ny ora fa tsy izay tian'ny tsirairay no atao.
Noho izay fiheverana araka ny fitantarana izay dia toy ny tsy azo visavisaina fa karazana vaovao lehibe manerana an'i Madagasikara raha ny famataranandron'ny gara no tsy mandeha, saingy mbola manjaka loatra moa ny fotoan-gasy, ka tsy mbola tafiditra tsara ny ho mari-potoana. Ny fanajana ny fotoana anefa no marika voalohany fanajana ny tenanao sy izay mifanao fotoana aminao. Ny mbola fifikirana amin'ny fotoan-gasy izay ihany koa no mety ho soritr'aretina maha-gisitra antsika manerantany io na dia lazaina ho tany tsy misy ady aza eto Madagasikara.
Nisy fotoana anefa matimaty ny ora tondroiny ka tsy hay intsony izay tena ora. Ny zavatra mba niova rehefa hita fa tsy nandeha ny famataranandro dia ny nanodina azy hanondro amin'ny 12 ora katroka. Fantatra avy hatrany fa tsy mandeha ny famantaranandro ary maneho koa ny ora fa efa hitan'ny tompon'andraikitra ny fahasimbàna. Fihetsika iray mba nankasitrahako manokana na dia tsy mahalala ny tena ora aza aho.
Ankehitriny, araka ny nambaran'ny tompon'andraikitra dia efa mandeha soa aman-tsara ny famantaranandron'ny gara. Mety ho be ny mihevitra hoe izay fotsiny ve dia anaovana lahatsoratra lava nefa ny valiny dia hoe izay indrindra no antony nanoratana azy satria andry iankinan'ny ora ofisialy eto Madagasikara izy.
Hery Zo Rakotondramanana from Antananarivo, Madagascar, CC BY-SA 2.0, via Wikimedia Commons
Commentaires