Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du avril, 2025

Iza no mifehy an'Antananarivo?

Izay nanara-baovao dia naharaka fa niezaka ny hanadio an'Analakely sy ny manodidina ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo fa ho avy eto Antananarivo ny filoha frantsay sy ny delegasiona matanjatanjaka ihany. Efa mahazatra ny eto an-tanàna ny miezaka ny hanadio, manatsara ny tsihy avelatra, na mihatsaravelatsihy hoy ny fiteny mahazatra. Dia tsy maintsy mba mametraka fandaminana kely na dia vonjimaika aza. Saingy tsy nizotra araka ny noheverina ny zavamisy ary tokony hihiratra avokoa ny mason'ny rehetra, indrindra ireo miseho ho manantsaina saingy mbola manandratra ambony ny revy sy ny fety dia miaritra indray ny andro hafa sady mody mimenomenona amin'ny gaboraraka nefa tsy hanao na inona na inona hiatrehana izany. Ny faran'ny herinandro teo, ilay lazaina ho mandritra ny taombaovao malagasy sy ny Aid-el-Fitri anefa dia tsy nijery andro fety izany ny mpivarotra amoron-dalana fa nanatontosa fitokonana, niara-nientana avy hatrany. Atao hoe miankina aman'aina ilay izy...