Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du janvier, 2007

Ny lalànan'ny fahaizana

Omaly no notontosaina ny filankevitry ny minisitra voalohany niarahana tamin’ny Jeneraly Rabemananjara ho praiminisitra. Fantatra moa fa “vaovao” avokoa ireo mpikambana ao amin’ny governemanta amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy misy ihany ny fifandimbiasan-toerana, ny fanendrena olona vaovao hisahana andraikitra ambony any anivon’ny departemanta tsirairay any. Tapaka ary fa voatendry ny governora vaovao hitana ny Banky foiben’I Madagasikara. Efa hisotro ronono angaha I Shaolin ka dia tendrena ny olona handimby azy. Noho ilay anarana tsy tadidy no sady tsy fantatra rahateo ny andraikitra nosahaniny teo aloha dia tsara kokoa ny hanonona anarana amimpisalasalana: Ranarison Frédéric no tadidy nefa mety ho diso io anarana io, ny fanampin’anarana kosa aloha marina na dia izany aza. Ankoatra izay dia tapaka fa atao tolotr’asa avokoa ny fitadiavana ny toeran’ny sekretera Jeneraly sy ireo asa tena ambony hafa isaky ny departemanta rehetra. Tsy ho masontsivana na oviana na oviana ny fihaviana n...

Fahasahiana

Misy zavatra telo no azo lazaina ao anatin’io teny hoe fahasahiana io amin’ny lahatsoaratra avoaka androany. Ny gazety Ny vaovaontsika Sambany araka ny fahalalako azy no nanoratra nitsikera ny mpiasan’ny fivondronana ity gazety fantatra fa ny manam-pahefana lehibe indrindra eto Madagasikara no tompony. Asa efa neken’ny tonian-dahatsoratra matoa tafavoaka ny lahatsoratra. Tao Anosibe tsena andrefan’Antananarivo no niseho ny raharaha. Noraofin’ny mpiasan’ny fivondronana manko ny voankazo mbola tao anaty sobika maromaro an’ireo mpivarotra an-tsisin-dalan’Anosibe. Sady mandraoka ny varotry ny olona ry zalahy no mamely ka nisy ny naratra vokatr’izany fanao mamohehatra izany. Saiky safotra tsy nahatsiaro tena ranamana vokatr’ny ny daroka nataon’ny mpiasan’ny fivondronana. Soa ihany fa nisy ramatoa (izay heveriko fa olona akaikin’ny ao amin’ny mbs group) nitondra ilay maratra tany amin’ny hopitaly ka voatsabo haingana ihany ranamana. Nilaza ny tsy hametraka fitoriana ranamana maratra satria m...

Rafitra lany andro ny fokonolona

Niteny aho omaly fa tsy namoaka vaovao atoandro ny mbs omaly atoandro. Gaga aho ny alina fa toa fandaharana miverimberina no hitako. Vita ny vaovao dia resaka momba ny zazakely no nandeha. Vita izay dia nisy horonantsarimetsika nampihomehy iray izay. Vao vita io horonantsarimihetsika io dia niverina indray ilay fandaharana momba ny zazakely vao nolazaiko teo. Ahoana ary ity fandaharana miverimberina ity ? hoy aho anakampo. Hay moa ka niatrikasa ry zareo omaly tontolon’ny andro. Teny amin’ny serana Tangaina no nanaovany izany atrikasa izany. Ny vondrona Mbs manontolo mihitsy moa no niatrikasa tamin’izany. Tao amin’ny gazety ny vaovaontsika nivoaka androany no nahitako izany vaovao izany. Ny tsikaritra tao amin’ny filazana dia naharihary tao ny maha an’ny Mbs ny radio fahazavana izay noheverina ho radio fjkm. Amin’izay fotoana izay dia tokony tsy ho radio fjkm intsony ny radio fahazavana mba tsy ho voagejan’ny safidin’olo-tokana. Na farafaharatsiny tsy tokony hotononina ho radion’ny fjkm...