Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du décembre, 2023

Fanodinana tany teto Isahafa, nisy ny fisamborana!

Tsy ela taorian'ny hetsika nataon'ny fokonolona tamin'ny 29 desambra 2023, izay niantsoana mpanao gazety ilazana ny toe-draharaha dia tonga tany am-pototsofin'ny filoham-pirenena ny raharaha satria... nampidirin'ny sasany amin'ny tsy izy tao ny reniny ka nahatohina azy mafy! Satria nihevitra ireo mpanodina tany fa raha misy anarana na sata voatonona dia hatahotra ny fokonolona. Tratra tamin'ny haingony anefa satria nikitika ny tsi-fikitika, tsy ilay resaka tany loatra no antom-pisamborana azy voalohany fa noho ny fihamboana raha jerena amin'ny fomba nitenenan'ny tompon'andraikitra azy. Ny SEG (secretaire d'Etat à la Gendarmerie) no nirahin'ny Filoha hanao ny fanadihadiana momba ilay raharahan-tanin'olon-tsotra sy tanim-panjakana angatahana dia hamidy avy eo (izay fahadisoana iray hafa ihany koa). Ny alin'ny Asabotsy hifoha Alahady no tonga tao amin'ny sefo fokontany ny zandary milaza fa ho tonga hanao famotorana amin'ilay ...

Nifampitafa tamin'ny mpanao gazety ny mponin'Isahafa sy ny tompon'ny tany!

Ny lahatsoratra farany tato niresaka ny fangalaran-tany teto Isahafa. Tahaka ny tamin'ny herintaona, nampiatso mpanao gazety indray ny mponina hiresaka ity olana momba ny tany ity. Ny somary nahavariana rehefa nandeha ny resaka an-jorony fa ny mpanao gazety indray aza no mahalala bebe kokoa noho ny ao amin'ny fokonolona amin'ilay resaka. Ity misy soratra iray navoaka Facebook momba ilay raharaha ihany:  Misy mbola tsy voatantara ny teo anelanelany teo. Ny alahady 17 desambra 2023 maraina dia nisy nahatsikaritra ny fiaran'ny zandary nijanona amoron'arabe somary manoloana ny kianja lehibe fantatra eto Isahafa ary somary eo avaratra atsinanan'ny sekolim-panjakana (EPP) eto Isahafa. Afaka kelikely, indreto ry zalahy nodidiana nandrefy tany fa miaraka amin'ny shinoa manondrotondro ilay tanin'olona nisy olon-kafa milaza ho tompony, izany hoe raha jerena dia miezaka mivarotra ilay tany amin'io shinoa io ry zalahy sa ve hoe io fa efa vita refy tsara ilay tan...

Fangalaran-tany eto Isahafa?

Mety ho be ny tsy mahazo tsara ny resaka nefa tsy maintsy soratana ihany. Tsy maintsy efa nandalo ny mason'ny mpamaky eto ihany ny resaka raharahan-tany mitranga eto amin'ny tanàna ipetrahako. Hatramin'izay dia tanim-panjakana sisa tavela eto Isahafa no noezahan'ny olona narovana fa tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia tanin'olontsotra no niharan'ny fangalarana. Iharan'ny fangalarana, hoy aho, satria voafindrany ho amin'ny anarany ny tanin'olona efa misoratra amin'ny razambeny (olona niaviany). Filazana fivarotana tany efa nipoitra ela (19 oktobra 2023 sy 2 novambra 2023) no tsipalotry ny tompon'ny tany tampoka tamin'ny 20 novambra 2023 fa misy mivarotra ny taniny. Nanaovany "photocopie" ireo filazana ireo ary nanaovany fanakanana teny amin'ny (prezidàn'ny) fokontany ihany koa. Tonga ny tamin'ny alarobia 22 novambra 2023 dia nisy olona nanatitra taratasy tao amin'ny prezidàn'ny fokontany fa hanaovana ...

Ry mpanohitra, mbola hofitahanareo indray ilay vahoaka?

 Eny, tsy ny mpitondra tokoa no hokianiko eto fa ny mpanohitra, na ireo milaza tena ho mpitarika ao amin'ny fanoherana eto Madagasikara. Mitendry milina indray noho ny fahatezerana, tezitra satria mahatsiaro ho voafitaka, mahatsiaro hoe hay tena kely hery sy katahotra izaitratra ireto mpitarika ao amin'ny fanoherana ireto. Satria henoko fa hoe tsy hanao na inona na inona, hono, ianareo mandritra ny fianianan'i Andry Rajoelina amin'ny 16 desambra 2023 fa aorian'izay vao mitohy ny tolona. Dia hoy aho hoe mba tahaka ny ahoana tokoa moa ny hevitra ao ambadik'izany toe-javatra mahasanganehana izany? Lasa mieritreritra fa tena misy mpamadika sy manao izay tsy hahombiazan'ny fanoherana eto Madagasikara mihitsy ao amin'ny lohandohany ao ary manao izay hampanjaka tokana ny mpitondra amin'izao fotoana nanao sarintsarim-pifidianana. Mbola nofitahanareo indray ilay vahoaka, satria tsy nandeha nifidy izahay tamin'ny 16 novambra 2023, ao anatin'ny fananten...

Ny adidiko ho an'ny tanindrazana!

Mangina tanteraka amin'izao fotoana izao ny vondron'ny kandidà teo aloha sy ny hetsika fotsy miaraka aminy. Lasa mahatonga ny eritreritra manao hoe tena nofitahina sy nanaovana hafetsifetsena ve Ravalomanana Marc nialoha sy nandritra ireny fifidianana ireny no toa tapaka tanteraka ny tohiny na izay tokony ho tohiny rehefa vita ilay fifidianana? Ekena tanteraka kosa fa tsy voatery hitovy hevitra velively izany olona efa ho folo miara-midinika na miara-mihevitra izay tokony ho atao izany. Tsy te-handany rora na penina amin'izay mety ho fitaka na paikady rehetra hampandaniana izay ho lany na mety na tsy mety, na ara-dalàna na tsia aho fa hametraka kosa ireo fandraisana anjara noheverina mba hampahomby ilay tolona tamin'izany fotoana izany. Efa niarahan'ny rehetra nahare fa tsy handray anjara ary tsy hampandany ny tenany amin'ny fifidianana ny vondron'ny kandidà folo tamin'izany fotoana izany. Nanitrikitrika tamin'ny hevitro aho fa tsy ampy velively ny m...