Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du janvier, 2012

Telo taona izay ny 26 janoary 2009 [sary]

Te-handray anjara kely indray amin'ny tsiahin'ny tantara ny tena noho ity andro iray mipetraka ho tantaran'i Madagasikara ity. Misy ny haino aman-jery no milaza azy ho androm-pisaonana. Izany tokoa ve? Teto no nanomboka ny sahotaka teto Antananarivo ary tsy mety mitsahatra ny krizy hatramin'izao fotoana izao. Mba hamoaka sary vitsivitsy indray ny tena hanaovana jery todika ny zava-nitranga. Ny maraina, efa nafana noho ny fitsenana an-dRavalomanana omalin'io ny toe-draharaha teto Antananarivo. Indreo ny maro amin'ny Tanora Gasy Vonona, miomana sahady amin'ny alalan'ny fanentanana. (tsindrio ny sary rehetra izay tiana hohalehibiazina ny mahita azy) Indro ny Ben'ny tanàna efa tsara aro, fa misongadina eto ny fahamaroan'ny tovolahy sy ny lehilahy. Efa vonona hisedra izay hitranga rehetra ve ry zareo? Raha ny sary dia tena tolon'ny tanora tokoa izy ity. Sa ahoana? Efa nirohotra tokoa ireto vahoaka ireto, mety ho tezitra...

Ny sary maraina teny Ivato 21 janoary 2012

Fanazavana, Raha te-hahita ny andinindininy momba ny nitranga androany ianao dia karohy amin'ny alalan'ny tenifototra #21112 any amin'ny media sosialy dia hiavaka ny vaovao an-tserasera momba ity fitsenana androany ity. Eo anoloan'ny La Hutte Canadienne Mamory Ivato no miverina ny ankamaroan'ny fiara fitaterana izay eny Andranomena indray no maka olona hafa hankaty Ivato. (Tsindrio ny sary rehetra raha tianao ny hijery azy lehibe kokoa). Efa maromaro ny fiara mivezivezy "eto am-pahatongavana", misy ny mpitolona mahasahy mikiririoka anaty fiara fitaterana, tsy nahitana mpitandro ny filaminana mpandamim-pifamoivoizana loatra teny an-dalana. Maro ihany koa no nanomboka dia an-tongotra hatreto raha nanam-bintana nahazo fiara hankanesana taty. Mizotra mandeha mafy ihany koa ny fiaran'ireo mpitandro ny filaminana, finday no nakana sary ka lasa ny fiara fitaterana indray no tena hita. Araka ny tena idirana ny tanànan'i Mamory no m...

Nahoana no misaritaka?

Miarahaba ny mpamaky etoana indray nahatratra ny taona vaovao 2012. Tsy maintsy atao mandrakariva ny mirary soa rehefa voalohan'ny taona tahaka izao ka enga anie ho salama tsara ianareo rehetra ary hahazo izay iriana ka mahasoa ny tsirairay. Izay no vita fa hanoratra zavatra kely, tsy zavatra ankapobe fa manokana momba ny tolon'ny mpanohitra ny fanonganam-panjakana niseho tamin'ny 2009. Somary gaga ihany ny tena raha nahare hoe  nisy fifamaliana tao amin'ny kianjan'ny finoana tao fa nisy ny vondron'olona mitarika ny mpitolona hanao "action" na hivoaka ny kianja ka hidina an-dalambe. Nisy kosa ireo nisiotsioka azy ireo ho mariky ny tsy fankasitrahana izany fitarihana izany. Tsorina fa fifanoheran-kevitra anatiny izany tranga izany ka mila fandrindrana fa tsy tokony hisy kosa ny fifanenjehana na ny avy amin'ny andaniny na ny avy amin'ny ankilany samy ao anatiny ao. Ny tenako raha mpanatrika fivoriana tamin'ny voalohany dia tsy nanao izany ...