Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du mars, 2022

Bokotra mainty

Mety tsy haharaka loatra ny tian-kolazaina ny tanora mpamaky raha tsy hoe efa lalin-tsaina sy tsara fahalalàna ankapobeny izy. Mety ho hita amin'ireny lanonana ara-panatanjahatena ireny ny fanaovana fehy mainty rehefa maneho fiaraha-miory na fisaonana noho ny voina na fahafatesan'olona maro tamin'ny zava-nitranga iray. Tsy ho nisy nahatsikaritra loatra kosa indray ny fametahana bokotra miloko mainty eo amin'ny akanjo. Marika fisaonana (nampidirin'ny Tandrefana) avokoa anefa ireo efapolo taona mahery izay ary mety ho fanao nandritra ny tapany voalohany tamin'ny taonjato faharoapolo ihany koa rehefa mijerijery sary na sarimihetsika fahiny. Manoratra izany aho satria manana reny nodimandry tamin'ny marainan'ny 17 marsa 2022. Efa nanindry mandry ahy ihany io fahafatesan'ny reniko izay efa narary am-bolana maro (mety ho efa an-taonany aza) rehefa nanomboka diso andro sy fitadidiana ny tsingerintaonan'ny vadiko izy tamin'ity taona ity: enina andro ...