Notontosaina tany Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia omaly 14 oktobra 2026 ny faha-68 taona ny Repoblika Malagasy. Tsy mbola nahazo ny fahaleovantena isika Malagasy tamin'io fotoana io, saingy nanomboka teo kosa isika no tsy lazaina intsony ho zanatany frantsay (araka ny lalàna tamin'ny 6 aogositra 1896). Nandritra ny kabary nataony ny Filohan'ny Fanavaozana, Michaël Randrianirina, no niampanga ny endrika fanjanahantany vaovao mihatra amin'i Madagasikara, noho ny fiankinana ara-toekarena mihatra aminy sy ny herim-panintonana vahiny ary ireo fomba nolovaina mbola mangeja.
Ankoatra izay nolazainy dia nanintona ny sain'ny Maharesaka manokana ny tenin'ny filoha momba ny toeran'ny teny malagasy ao amin'ny fampianarana. Notsikerainy tamin'izany ny fandraràn'ireo toeram-pampianarana miteny frantsay ny mpianatra ao aminy tsy hahazo ny tenin-dreniny, izany hoe ny teny malagasy. Fomba mifanohitra amin'ny fankatoavana ny mari-pamantarana ny kolontsaina malagasy izany, araka ny fiheveran'ny Filoha.
Ny mpanoratra manokana dia vavolombelon'izany fandraràna izany, izay nitranga tsy tao an-drenivohitra fa aty amin'ny tanàna itatra efa somary ambanivohitra. Mifampitohy amin'izany ihany, tsy nahatezitra ny ray aman-dreny izany fandraràna izany fa vao mainka aza nahafaly azy ireo, satria heveriny amin'ny ankapobeny fa tsy lazaina ho nianatra ny zaza malagasy raha tsy amin'ny teny frantsay no anaovana ny fampianarana ary amin'ny teny frantsay ihany koa no ifampiresahan'ny mpianatra eo an-tokotany. Mipetraka afisy mazava tsara fa manomboka eo am-bavahady dia tsy azo atao intsony ny miteny malagasy fa amin'ny teny frantsay ihany no ifampiresahana, na dia ho an'ireo olondehibe na mpanampy asaina maka na mitsena ny ankizy aza.
Mety ho be ny mihevitra fa tsy misy na tsy ampy ny fampitaovana ho amin'izany fampianarana amin'ny teny malagasy izany. Tsy marina loatra fa misy ary betsaka izany, fa noho ny tsy firaharahian'ny ray aman-dreny na noho ny tsi-faharesen-dahatra, dia tsy manavao na mamerina mamoaka izay fitaovana mifandraika amin'izany intsony ireo mpitia sy mpandala ny teny malagasy. Manaraka izany, araka ny iheverana ny fitaovana ho mora koa angamba no iheverana azy ireny ho tsy misy lanjany loatra. Ny manahirana amin'ity raharaha ity, noho ny tsy fahafaha-manao angamba dia ireo olona sahirana ara-pivelomana no mionona amin'ny fampianarana amin'ny teny malagasy, izay vao mainka manamafy ny fiheveran'ireo avo fari-piainana kokoa fa ho an'ny mahantra sy ny tsy dia mahay loatra ny teny malagasy. Sa ahoana ny hevitrao?
Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy. Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...
Commentaires