Ny filohan'ny " Association Mamy ny Soa " nanofa compacteur tany Atsimondrano ho amin'ny fanarenana ny lalana nandritra ny roa andro Tamin'ny 07 septambra no nambara tato amin'ity blaogy ity ny fanatontosana lanonam-panangonam-bola hanamboarana ny ampahan-dalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa ary mipaka amin'ireo tanàna hafa manodidina. Efa fantatra tamin'izany fotoana izany, noho ny hamoran'ny fanasana, fa tsy hahavita manontolo ny fanaovan-dalana mihitsy ny vola azo amin'izany, fa ny ampahan-dalana manahirana indrindra kosa no ezahina hovitaina mialoha ny firotsahan'ny orana. Fony vita ny fanangonam-bola saingy mbola tsy nanomboka ny fanarenana ny lalana. Tsy maintsy natao aloha, avy amin'ny volan'ny tena manokana, ny anesorana ny atsanga (sy vato sy biriky) nanentsina ny lalan'ny rano ka nampitondraka ny riaka sy nanimba ny lalana izay mpitranga teo aloha. Teo amin'io sary io no niandohan'ny fahoriam-ba...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.