Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du novembre, 2026

Fahaizana sa vintana ny an'i Feno Ralambomanana, Filohan'ny Delegasiona Manokana Antananarivo Renivohitra ?

Ralambomanana Fenoherintsoa, anarana tsy mba henon'ny mpanoratra nialoha ny nahalaniany ho solombavambahoakan'i Madagasikara tao amin'ny Boriborintany fahatelo an'Antananarivo Renivohitra, tamin'ny alalan'ny lisitra Tiako Madagasikara tamin'ny 16 jolay 2019. Mbola lany fanindroany indray ny tenany teo amin'io fari-pifidianana io ihany tamin'ny taona 2024, tamin'ny lisitra Firaisankina izay nisy ny Antoko Tiako i Madagasikara ihany. Nitsahatra ny amin'ny maha-solombavambahoaka azy izy tamin'ny 21 avrily 2026 rehefa notendrena ho Filohan'ny Delegasiona Manokana an'Antananarivo Renivohitra. Tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2019 dia tsy mba nahita an'i Feno Ralambomanana niditra an-tsehatra, nankeny an-kianja nanentana loatra ny mpanoratra. Ny mpiray lisitra aminy, Bodoharisoa Razafindrazaka, no tena tazana tamin'izany fotoana izany satria izy rahateo no fantatry ny olona kokoa amin'ny maha-mpihira azy. Tsy niar...

Vanga: Tranonkalam-baovao ara-toekarena mieritreritra ny hivoaka amin'ny teny telo

Tsy maintsy misy fampahafantarana hatrany ny tranonkala vao mety ho fantatry ny hafa. Tranonkala iray vao niorina tamin'ity taona ity ny Vanga ary miompana indrindra indrindra amin'ny toekarena mazava loatra. Namana iray tao amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety no nahitako ny momba azy io. Natombony tamin'ny fampahalalàna ny manjo ireo Malagasy mpanao gazety ny resaka ary iaraha-mahalala tokoa fa tena kely ny fivelomana raisina. Na dia mafy aza izany fanamby izany dia misy hatrany ny mijery lavitra ary manana tondrozotra ao anatin'ny dimy taona.  Taona voalohany tian'ny Vanga iompanana, araka ny hita ao amin'ny mombamomba azy, ny famoahana matetika ny vaovao momba ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, ny fanenoman-damba ary ny fizahantany. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny famoahana gazetiboky ara-toekarena voalohany. Kinendry ao anatin'ny telo taona kosa indray ny manao izay hampitomboana ny angon-drakitra sy fametrahana mili-p...

Firenena iavian'ireo mpamaky ny blaogy Maharesaka

  Tamin'ny voalohany ny blogger.com tsy mba nahitana antontanisan'ireo mpitsidika ny tranonkala. Ny te-hahafantatra no mampiditra rafitra kely hamantarana izany. Amin'izao fotoana izao ny blogger.com eo ambany fanevan'ny Google ka afa-mirafitra ao anatiny ny fijerena antontanisa. Blaogy madinika ity tsidihantsika ity, saingy tena avy amin'ny vazantany efatra ny mpamaky azy. Tamin'iny volana iny ary dia araka izao filaharany izao ny habetsaky ny mpitsidika ity blaogy ity isam-pirenena:   Etazonia (ny 1/3n'ny mpamaky nandritra ny volana dia avy ao avokoa) Madagasikara Brezila Singapaoro Fanjakana Mitambatra Frantsa India Viêt Nam   Arzantina Manaraka izany ny ao (10) Alemaina , (11 aexequo) Meksika sy Hôlandy (13 aexequo) Canada sy Afrika Atsimo, (15) Pakistan, (16 aexequo) Espaina sy Kôlômbia (18) Rosia.  Hitantsika araka izao hita izao fa mieli-patrana manerana izao tontolo izao ny Malagasy sy izay mahay mamaky teny malagasy. Mirary soa antsika rehetra...