24.2.23

Toe-tsaina no fototry ny fahantrantsika!

Tsy fantatro intsony na efa nosoratako na tsia. Isaky ny fiakaran'ny rano no tena azo itarafana ny fahantrantsika miainga avy amin'ny toe-tsaina. Fahantrana ilay mihevitra ny tranga voajanahary ho loza aloha voalohany indrindra, zavatra tsy maintsy hitranga ny rivo-mahery sy ny mety ho tondra-drano aterany fa ny saintsika no mametraka azy ho rivoDOZA na LOZA VOAJANAHARY. Voajanahary ve dia ho loza? Fampironana ny saina ho maika hiraviravy tanana izany fa ny toe-tsaina tsara entina miatrika dia ny fisorohana sy ny fiomanana. Tsy maintsy hitranga ny rivomahery dia ny fonenana sy ny fotodrafitrasa no hamafisina hahazaka sy hisedra izany fa tsy hionona amin'ny zavatra mora rava lava izao tahaka ny hanome tsiny an'Andriamanitra. Efa nomen'Andriamanitra saina ianao dia ampiasao io saina io.

Hadalan'olombelona ny manorim-ponenana amin'ny lemaka raha tsy miomana amin'ny mety ho fikorianan'ny rano. Izay mahita ny sarin'Antananarivo fahiny dia hahita fa tanimbary sy tanimboly no tena betsaka amin'iny lazaintsika ho Besarety, Ampandrana, Andravoahangy sy ny manodidina azy rehetra iny. Efa nisy ny fametrahana tatatra lehibe ihany amin'ireo faritra mora tondraky ny rano fa mbola tsy ampy ny fivoahan-drano. Ny tondradranon'ny taona 1959 nanondraka iny toerana iny no tokony ho fanairana fa tsy maintsy havaozina tanteraka ary tsy maintsy handravana trano maro hasiana ny tatatra fivoahan-drano ny drafi-panorenana amin'iny faritra iny, saingy noho ny tahotra sy ny tsy fahampiana ara-bola angamba dia fisokirana  madinidinika ihany no atao. Samy manentsina avokoa na ny fako alefan'ny olona amin'ireny tatatra ireny na ireo fanorenana goavana ataon'ny mpanankarena tsy miraharaha izay mety ho fivoahana sy ny fikorianan'ny rano rehefa avy orana, loza mitatao ihany koa ny tsy-firaharahiana ireo faritra-mando izay tokony ho avela hiaina hatrany ho fitsinjovana ny tontolo iainana.

Miharihary saingy lasa heverina ho "normal" avy eo ireo karazana fiantraikan'izany fahantrana ara-toetsaina sy fahasahiana hiatrika ny zavamisy izany. Tafiditra amin'io ny miandry hatrany izay atao na omen'ny manampahefana ambony na dia zary toa fanesoana sy fividianana olona aza izany toe-javatra izany.
 

16.1.23

Dika an-tsoratra ilay toriteny tao amin'ny Coliseum 15 janoary 2023

 Ry hava-malala rehetra ao amin'ny Tompo, ampitomboina ao amintsika anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.

Ny tenin'Andriamanitra izay toriana amintsika anio ry havana dia izay voasoratra ao amin'ny Salamo 33 ny andininy faha-12 no tsongaintsika fa ny andininy rehetra ao amin'ny salamo faha-33 no hotoriana amintsika.

Izao no voasoratra ao amin'ny andininy faha-12 amin'ny anaran'i Jesoa: 2 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. [2]

Ny salamo 33 ity ry havana dia manomboka amin'ny firesahana ny hoe "Mihirà fihiram-baovao, mitendre tsara amin'ny feo fifaliana" Inona moa no mahatonga azy manao an'izany? Raha mamaky ny Salamo 32 isika ao alohany ao dia salamo izay haintsika tsara mihitsy rehefa mahazo ny famelan-keloka isika, dia ilay teny malaza manao hoe

1 Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.2 Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.

Dia izany olona voavela heloka voavonjy izany voalaza ao amin'ny Salamo 32 no antsoina ho amin'izany mihira ny fihiram-baovao izany ary any amin'ny salamo hafa mihitsy aza any amin'ny faramparany any dia izao rehetra rehetra izao no taomintsika mpino voavela heloka mba hidera an'Andriamanitra mpahary. Raha ny voalazan'ny Jean Calvin rehefa manazava ny salamo 33 ity izy dia hoy izy hoe "henatra sy fahafaham-baraka izany olona voavela heloka nefa tsy midera an'Andriamanitra izany. Fa ny olona voavela heloka dia mipololotra avy any anatiny any izany fiderana an'Andriamanitra izany. Raharaham-pirenena, fiainam-pirenena, firenena no ambara eto amin'ity salamo 33 ity ary izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, izany firenena izany no ho sambatra.

Ato anatin'ity salamo 33 ary, andeha hojerentsika ny eo amin'ny andininy faha-5 eo, izao no voalaza ao amin'ny adininy faha-5 "Tia fahamarinana sy rariny Andriamanitra; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany."

Tia fahamarinana sy rariny Andriamanitra :

Rehefa manjaka ry havana izany fahamarinana sy rariny izany, izany no atao hoe manome voninahitra an'Andrimanitra isika. Isika manko matetika rehefa miresaka izany fiderana an'Andriamanitra izany sy manome voninahitra Azy dia miakatra mankany amin'ny mijidina (vertical) iny ihany, fa ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ihany koa ity izao tontolo izao ity no kianja na alitara na sehatra iderantsika an'Andriamanitra ka eto no ampanjakantsika ny fahamarinana sy ny rariny satria tian'Andriamanitra izany.

Ilay lehilahy izay nahazo ny prix Nobel momba ny ekonomia tamin'ny taona 1998 atao hoe Amartya (Kumar) Sen dia niresaka momba an'io tsi-rariny io. Izao no noteneniny: "Aza manonofy rariny tonga lafatra ianao fa esory izay tsy rariny misy andavanandro na kely na lehibe. Tsy ilay hoe any misy tsi-rariny ngezabe dia misy rariny ngezabe tokony ho ataoko. Fa inona ny tsi-rariny misy andavanandro dia izay atao na kely io na lehibe".

Iarahantsika mahalala ry havana, ity taona 2023 ity dia taonan'ny fifidianana ho antsika eto Madagasikara. Ary amin'izany taonan'ny fifidianana izany dia misy zavatra tokony holazaina, lazain'ny fiangonana amin'ny maha-mpitilin'ny firenena azy. Ny tokony ho fantatsika rehetra dia ny hoe manasarotra ny olana politika ny fisian'ny halabato. Manasarotra ny olana politika ny fisian'ny halabato ary manasarotra ny fahamahana olana ihany koa ny fisian'izany halabato izany. Isika indray ve no ampianarina fa lafobe anie izany sandan'ny halabato izany e! Lafobe izany.

Iray, tsy mari-toerana izay mitondra eo, politika izay, fa ny ataony dia manao ny antsoina hoe clientelisme sy ny intimidation, izany no ataon'izay rehetra tafakatra noho ny halabato, tsy marin-toerana izy.  

Ny faharoa, lafobe ihany koa ny sandan'ny halabato eo amin'ny toekarena satria tsy misy fampandrosoana mety handeha eo, ary misy firenena anankiray izay, fantatsika rehetra rehetra, fa fahadimy avy any amin'ny gisitra izy, amin'ny laharana. Tsy mandeha ny fiainam-pirenena rehefa ny halabato no ampanjakaina, ary tsy misy fampivoarana ihany koa amin'ny tokantrano sy ho an'ny tsirairay. Lafobe ny sandan'ny halabato.

Minainaina isika raha henoina ny feon'ny olona izay entintsika : inona no mba mankany amin'ny vilaninay? fa androany ianao manontania olona maro fa tsy manambilany intsony ny olona, na nisy nangalatra ny vilaniny, na namidy ilay vilaniny, ka inona intsony ny hohaniny?         

Izany no zavatra vokatra ateraky ny hoe tsy manjaka ny fahamarinana sy ny tsi-rariny.

Namadibadika tahirin-kevitra aho ry havana, izay navoakan'ny Banky Mondialy tamin'ny septambra 2022 vao lasa teo. 3,3 miliara dôlara ny vola omeny antsika ao anatin'ny taona iray. Dolara no resaka eto, ampitomboy 5000 Ariary izay fa tsy zakan'ilay machine-kelinao. Fa mihoatra lavitra noho izany ny tahirin'ny harena an-kibon'ny tany fotsiny (ressources minières) dia mahatratra 800 miliara dôlara ny eto Madagasikara, araka ny tombana. 800 miliara dôlara ny tahirin-karena ankibon'ny tany fotsiny. Dia ataovy anie ny fampitahana e! ilay 3,3 miliara dôlara, na roanjato taona aza tsy mahatratra an'io 800 miliara dôlara io izany hoe tsy ny fanampiana no ivelomana fa ny fampivoarana ny fiainan'ny firenena mba hanjaka ny fahamarinana, mba hanjaka ny rariny. Fa tsi-rariny tompoko ny halabato. Tsi-rariny tompoko ny halatra sy ny zara-vilana amin'ny harem-pirenena rehefa mba metimety ny fisandratan'ny firenena.

Izao no lazain'ny bokin'ny Ohabolana 30 : zavatra telo na efatra no tsy mampandroso ny tany ary ny anankiray amin'izany dia ny hoe raha ny andevo no tonga mpanjaka. Io tsy misy resaka firazanana izany! Adama sy Eva angaha andevo sa andriana? tsisy izany. Ary raha samy zanak'Andriamanitra isika, Andriamanitra angaha andevo sa andriana? Fa ny andevon-karena, ny andevom-pahefana, ny andevon'ny fitiavan-tena, raha ireny no tonga mpanjaka tsy tafavoaka isika. Fa ny olona tia fahamarinana tahaka an'Andriamanitra, ny olona tia rariny tahaka an'Andriamanitra no lazain'ny mpanao salamo ary itenenany hoe : Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny satria olona tia fahamarinana sy tia rariny no mitondra.         

Ny zavatra faharoa horesahantsika ato anatin'ity Salamo 33 ity dia ny andininy faha-7, izao indray no lazainy ao amin'ny and-7 eo: "Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy."

Izany zavatra ambaran'Andriamanitra izany ry havana dia ilay programa mba mampiketriketrika antsika mianakavy. Mikoriana ny ranomamy, io tsy mijanona eo io, mikoriana. Ilay tanimbary mantohatohatra ireny. Mahazo rano ny any ambony dia midina amin'ny ao ambany, dia midina ao amin'ny ambanimbany, dia tonga any amin'ny farany ambany. Mikoriana ny rano!

Aza tsy ampidinin'ilay any Ambony anie ilay rano eo e! (manana tanimbary izany mihomehimehy izany na zana-drazana!) Mikoriana ny ranomamy dia mitety faritra. Aty afovoantany izy atao hoe Ikopa, rehefa mandeha mandeha miakandrefana any izy dia ataony hoe (iza indray no anarany?) Betsiboka. Dia ajanony eto amin'ny faritra afovoantany anie io rano io e! Mikoriana ny ranomamy fa mikoriana ihany koa ny ranomamy dia mitety firenena, isika moa firenena tokana dia tsy dia hita loatra ilay izy, fa ataovy hoe miala any Egypta dia mankany an'anona dia mankany an'anona dia giazo eo anie io rano io e!  Ady tsy vita io ary mila Firenena Mikambana sy Fifanarahana Iraisampirenena mandamina ireny rano izay mikoriana, ranomamy ireny.          

Fa isika miresaka izao, miharìtra ny ranomamy, satria mitombo ny isan'ny mponina. Oharo ao an-trano ao fotsiny e! Ilay iray seau anao iny tsy laninao indray andro, fa ataovy folo an-trano ianao dia ho hitantsika, dia ohatr'izay ihany koa amin'ny raharaha rehetra rehetra. Mitombo ny isan'ny mponina, miharìtra ny ranomamy. Mitombo ny isan'ny indostria izay mampiasa rano betsaka, mitombo ny fiompiana sy ny fambolena izay mila rano betsaka. Ary izany rehetra izany no mitarika antsika hieritreritra amin'izao ora itenenantsika izao: inona izany izao ny biby tokony ompiana? Fa misy biby mandany rano an! Inona ny legioma tokony hovolena sy voninkazo tokony hokarakaraina, izay tsy mandany rano loatra? Tokony eritreretina izany satria minainaina isika hoe Jirama, jirama nefa ao aminao koa no manomboka io, manomboka eo amintsika io.    

Andeha haka biby anankiray tsy fantatsika eto Madagasikara ary eritreretina aiditra eto (hehin'ny mpihaino). Elefanta ohatra 150 kilao isan'andro ny zavamaniry lanin'ny elefanta, tsy mifidy io na bozaka na hazo na inona na inona, fa izay doniny dia any, izay doniny dia any, 150 kilao isan'andro. Ary ny rano sotroiny, izy ilay mitroka amin'ilay lava orona be iny, folo litatra iny, izany hoe firy seau aminao? Trohiny indray mandeha dia laniny, izay no folo litatra. 150 litatra isan'andro ny rano sotroiny. Ô rey olona a, barika iray anie izany e! Ka mampidira elefanta eo dia apetraho eo amin'ny ranon'Anosy eo, herinandro io dia ritra (hehin'ny mpanatrika).

Fa raha miompy akoho ianao, ny akoho misotro rano na be na kely azo, firy mililitatra ny rano sotroin'ny akoho? (hehin'ny mpanatrika) ary firy grama ny zavamaniry laniny? Ary raha ny faminaniana mandeha, ny omby sy ny biby lehibe rehetra ho voasolon'ny akoho atsy ho atsy. Satria nisy ny dinôzôro tsy hita intsony, dia mihalany indray ny biby lehibe , dia manomboka any amin'ny kely sisa. Isika miara-miaina amin'ireny biby madinika ireny sisa. Ka any aoriana any, izay manana ranomamy ampy sy betsaka no tafita, ary izany no mahatonga ny firenena maro izay tsy ampy rano, mamadika ny ranomasina ho rano azo sotroina, manangona ranon'orana, manao lavadrano sy vovo.

Tamin'ny herintaona tahaka izao isika, nisy fanangonam-bola nataontsika rehetra rehetra teto nahavitana vovo iraika ambin'ny folo tany amin'ny faritra atsimo, vovo 11. Mila angonina io ranon'orana io, mila manana lavadrano isika ao anatin'izany. Ary raha mamaky ny genesisy isika ry havana dia mahita hoe tany paradisan'ny genesisy misy rano tao. Rehefa mankany amin'ny Apokalypsy isika, tapitra indray ny fotoanan'ny fahotana dia misy rano manondraka an'izany tany vaovao rahatrizay izany. Saino tsara tompoko ny momba an'io rano io fa harembe io ary tena fiderana an'Andriamanitra ny fahaizana  mitantana azy satria mitovy saina amin'Andriamanitra isika raha ilay voalazany hoe: "mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy". Mila mahay mitantana ny rano isika mianakavy mba ahafahantsika tafavoaka miaraka amin'Andriamanitra.             

Fa ny zavatra fahatelo farany hotsongaina amintsika amin'ity salamo 33 ity dia ny eo amin'ny andininy 16 sy 17

Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny. Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.

Raha ny voalazan'i Jean Calvin ry havana rehefa manazava io andininy raisintsika io izy, Dia hoy izy hoe: Arakaraka ny ananan'ny olona fiarovana tsara sy mafy no ialàny amin'Andriamanitra satria mitoky amin'ny ara-tafika izy. Ary raha miresaka izao isika hoe tsy misy kalachnikov eo ka inona koa no idiran'izay soavaly any fa izany no fitaovam-piadiana tsara indrindra tamin'izany andro izany, ny herin'ny miaramilanao tsara indrindra amin'izany andro izany. Izany hoe izay rehetra rehetra manana fitaovam-piadiana sy miomana tamin'ny Ecole de Guerre io teneniny io. Fa  izao no aza adino(ina), manana ny tafika faran'izay raitra tamin'ny andron'i Mosesy ny Egyptiana. Be ny miaramila sy soavaly Egyptiana fa ripaka tsy nisy niangana izany tao amin'ny ranomasina mena tao. Tsy dia azo itokiana re ny herin'ny tafika. Inona moa no hotenenina amin'ny tafika eto Madagasikara? Manao ahoana ny hery ara-tafika malagasy? 27/34 amin'ny firenena eto Afrika isika. Faha-27, resy ihany isika izany an! Hoe haka Iles Eparses dia hiady amin'ilay matanjabe io? Ianao ary 27/34 eto, io no andrandramana eo, lalana hafa atrehana.

Fa izao no nolazain'Isaia 2 and-4 Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.

Inona no ambaran'izany? Ny ambaran'izany ry havana dia tsotra amin'izao andro ahavelomantsika izao. Manana sabatra ianao? Avadiho ho angady izany.Manana lefona ianao? Avadiho ho fanetezam-boaloboka izany. Manana Kalachnikov ianao? Avadiho ho angadin'omby izany. Manana bala ianao? Avadiho ho masomboly izany. Izay ihany io [2].

Izay hampandroso ny toekarena sy ny famokarana no ilofosy, izay ihany io. Raha te-ho tafavoaka ianao, tsy ny herin'ny miaramila no hahatafavoaka fa ny herin'ny toekarena mandroso sy ny fampamokarana tafita, ahenao ny tetibolan'ny tafika raha atao ara-bakinteny izany, dia ampitomboy ny tetibolan'ny famokarana sy ny fampamokarana. (tehaka madinidiniky ny mpanatrika).

Ny Soisa ("Angaha an-kitehaka ao anaty toriteny?" novalian'ny hehin'ny mpanatrika re mazava tsara). Ny Soisa dia firenena tsy manana miaramila, kanefa dia tsara fari-piainana izy satria ny "services civiles" ny azy no asolony azy hoe tsy maintsy manao "services civiles" ny vahoaka Soisa. Ka raha tiana ho tafarina ry havana ny firenena dia ny fanarenana ny toekarena no ilofosy mafy fa milamina io insécurité io. Fa mifampitana anie isika sy ny dahalo amin'izao e! Ny basy anananao indraindray ohatra ny tsy tsara noho ny azy an! Mas 36 izany an! ny azy raha misy dia Mas 38, ny anao Mas 36 tamin'ny ady lehibe faharoa.

Fa alefaso ny toekarena, areno ny fampandrosoana ny firenentsika dia mihena izao tsi-fandriampahalemana izao. Ary mitombo ny an'asa rehefa mandroso ny toekarena. Ny fiderana an'Andriamanitra ry havana, ilay Rain'i Jesoa Kristy dia tena ao anatin'izany ny fampandrosoana sy ny toekarena, ary izany no isehoan'ny fitahiana avy aminy.  Fiderana an'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy ho antsika mba tsy ho mpanao politika mangalabato. Mba ho politikan'ny rano tsara tantana no isitrahan'ny vahoaka. Ary mba ho fampandrosoana sy asa sy ny toekarena fa tsy ny hery ara-tafika no ametrahana ny fanantenana.

Eto am-pamaranana, misy toe-tsain'ny Fiangonana izay tiany hozaraina amintsika ry havana. Nisy omby anankiray nitondraka teo amin'ny tanimboly. Dia nisy karazan'olona roa teo. Ilay olona anankiray niteny hoe "Ombin'iza ary io?" Ary ilay anankiray niteny hoe "Esory aloha ilay omby" izay manimba ny tanimboly. Iza amin'ireo ny kristiana? Iza? Ilay voalohany sa ilay faharoa? (Ilay faharoa no be mpiteny namaly) Ny faharoa? Ny toe-tsain'ny Fiangonana tsy mandany andro amin'ilay hoe "Fa iza marina no nandetika an'iza? Iza marina no nangalatra inona?" Misy mpanao izany. Fa ny toe-tsain'ny Fiangonana dia tsotra: Esory aloha ilay omby mitondraka dia ho hita eo ny tohiny. Voninahitra ho an'Andriamanitra. Amena! (tehaka sy tsiky sy hehy). [fijerena 129K ny 16 janoary alina tao amin'ny Facebook Watch, 10K kosa tao amin'ny YouTube]                                 


Ilay toriteny tao amin'ny Coliseum niteraka resabe fiandohan-taona 2023

 Efa taona maromaro izay no efa mahazatra ny fifampiarahabana sy ny fitondrana am-bavaka ny filohan'ny FJKM isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana janoary. Niavaka kosa ny taona 2023 noho ny resabe naterany ary tsikera mamaivay amin'izany ny hoe manao kabary tsy valiana ilay Fiangonana.

Tsoriko fa tsy nivonona ny ho eny amin'ny Coliseum ny tenako, sady tsy nivonona ny hihaino ny toriteny tanatin'izany. Manana olana manokana aho raha izay no filaza azy. Raha misy ny ilaina fanovana ka tiana haharitra sy hahasoa dia ao amin'ny Fiangonana no tena tsy maintsy iandohan'izany fanovana sy fiovana izany. Izany koa no antony nanoratako tato teo alohaloha teo.

Fa noho ny resa-be naterany dia lasa nihaino ilay toriteny ho azy. Niezaka nihaino fa tsy hionona amin'ny fanehoan-kevitry ny olona amin'ny media sosialy. Politika tokoa ve no resaka sa zavatra iainana sy/na zavatra tadiavina ampiainana eto Madagasikara? Indro izany toriteny nahazo tsikera mamaivay tamin'ny vaovao hariva tao amin'ny TVM ka nahatonga ny maro hitady azy.


Etsy ankilany, tsy azo adinoina ihany koa ny fotoana notontosain'ny Filoha Andry Rajoelina voalaza fa niaraka tamin'ny tanora tao amin'ny Lapam-panjakana tao Iavoloha. Sady tsy voaasa no tsy tany ihany koa ny tenako fa ny sary no mahatonga ahy hihevitra tao amin'ilay efitra malalaka namboarin'ny Filoha Ravalomanana no nanaovana izany fotoana izany. Azo lazaina fa raitra dia raitra ihany koa ny fotoana.


Mariho mazava tsara fa nanana anjara fitenenana tamin'io fotoana io ny Filohan'ny FJKM amin'izao fotoana izao. Tsy mahalala izay votoatin-dresaka aho fa ny sary ihany no hitako.


Nanana anjara fitenenana tamin'izany fotoan'ny zoma 13 janoary 2023 izany ihany koa ny Filoha Rajoelina. Ny sary hatrany no milaza izany:




13.1.23

Tantaran'i Jerosalema sy ny Tempoliny amin'ny endrika telo refy (3D)

Mba ho tahiny no hametrahako ity lahatsary iray ity eto. Sao misy ilaina azy ka saro-tadiavina izy. Ahafantarana zavatra maro tsinona momba azy.Tantaran'ny 4000 taona fantatra momba azy amin'ireo fanorenana manantantara ka lohalaharana amin'izany ny Tempoly.

 

4.1.23

Ambohimanga Rova sy ny resabe noho ny fandisoam-baovao!

Vaovao ny taona, ifampiarahaban'ny mpianakavy sy ny mpiara-monina, ka miarahaba anareo rehetra noho izany vanin-taona izany ary mirary soa ho anareo indrindra. Hotsarovana amin'ity fiandohan'ny taona 2023 ity ny fahatapahan-jiro nihatra taminay nanomboka ny 1 janoary tamin'ny 5 ora hariva ka hatramin'ny 3 janoary tamin'ny 5 ora hariva mahery... izany hoe naharitra 48 ora be izao raha enina ora izany fahatapahana izany telo taona lasa izay.

Noho izany fahatapahan-jiro maharitra nihatra taminay izany dia tsy naharaka ny resabe tamin'izay nitranga teto akaikinay izahay (mifanila amin'ny kaominina Ambohimanga Rova tsinona izahay!), koa aza atao mahagaga raha tena tratra aoriana tokoa ny fitantarako izay fahazoako ny resaka izay tsy hanafosafo na handambolambo velively. Tsy mitovy amin'ny maro amin'ny olona fantatro ao amin'ny media sosialy ny hevitra satria hitako fa nanjaka ny fandisoam-baovao ka tafiditra amin'izany ny gazety amin'ny teny malagasy toa ny gazetiko ohatra! (io no hitako Facebook!).

Inona ny fiandohan'ilay resabe?




Namoaka ranty tao amin'ny Facebook ny iray amin'ireo (rahalahy) ao amin'ny Tarika Christophe Ratrema fa nanao diabem-panafahana nitety ireo doany rehetra tao Ambohimanga Rova dia avy eo namarana izany tamin'ny fiderana lehibe niarahana tamin'ny tarika sy ny Koraita ary ny Ampifitia.

Avy amin'io fitenenana io no niteraka ny fandrangitana rehetra sy ny filazana fa nanimbazimba ireo Doany tao ny tarika sy ny Fifohazana izay tondroin'ny LGDI avy hatrany ho sekta moa izany. 

Nampiana 08 janoary 2023: ny nosoratan'i Xavier Ratrema:
Fotoana manan-tantara ny andro androany 29 desambra teny Ambohimanga izay niarahana tamin'ny tobim-pifohazana teny an-toerana! nanao diabem-panafahana nitety ireo doany rehetra avy eo nofaranana tamin'ny fiderana lehibe niarahana tamin'ny Tarika Christophe Ratrema, Ny Koraita, ary ny Ampifitia. Maro ireo olo-manakaja nanotrona sy nandray anjara! Dingana lehibe ho amin'ny fifohazam-panahy no vita! Mbola nanamarika ity taona ity! Taona 2022 famangian'Andriamanitra manokana Sal 29:4 [ampidiriko eto ity fa tsy tao anaty ranty "Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra."]


Ahoana hoy ny Gazetiko?

[Lohateny: Doany eny Ambohimanga Rova, niteraka resabe ny fandroahana devoly nataon'ireo andiana mpivavaka]

Nanatanteraka fandroahana devoly tamin’ireo doany tao amin’ny Vohitr’Ambohimanga ireo kristiana notarihin’ireo mpihira evanjelika  dia ny tarika Christophe Ratrema sy ny Koraita ary ny Ampifitia ny 29 desambra 2022 lasa teo.

Nanaraka izany ny fanehoan-kevitra notsongaina avy amin'olona vitsivitsy milaza fanamelohana izao fihetsika manimbazimba ny kolontsaina malagasy izao.

Ahoana hoy ny La Gazette de la Grande Ile?

Nahazo habe tsy hay refesina intsony ny ranty nataon'i Xavier Ratrema tamin'ny 29 desambra 2022. Novizanin'ny mpikirakira Facebook tanteraka ity filohan'ny fikambanan'ny mpihira evanjelika ity. Anisan'ny nanameloka ny fanimbazimbana ireo alitara masina fanaovana fomba ireo ny gazety sady manaja ny maha-lahika ny firenena.

Amin'ny ankapobeny dia fanamelohana ilay fihetsika no nalaza tao amin'ny Facebook.

Fa inona no nitranga tao Ambohimanga Rova tamin'ny 29 desambra 2022?

Herinandro mialoha ny fotoana dia efa nahita ilay afisy tao amin'ny Facebook aho. Voalaza mazava tsara fa ny Fifohazana FJKM sy ny Kaominina Ambohimanga Rova no miaraka mikarakara ilay "Ambohimanga Rova Midera" izay lazainy fa "Fiderana goavana". Voasoratra anelanelan'izany fa "Vavaka sy Fiderana an'ilay Tompon'ny Tompo sy Mpanjakan'ny Mpanjaka ho fanasitranana ny firenena" no anton'ny fotoana.


 

Notanterahana tokoa ny fotoana fa mbola nisy zavatra nokarakaraina teny an'elanelany teny. Voatery adika manontolo eto ny fandaminana sy izay notanterahana:

Ny hetsika Ambohimanga Midera dia hetsika nokarakarain'ny Kaominina ary nangatahina fiaraha-miasa tamin'ny fifohazana. Zavatra niarahan'ny roa tonta nidinika teo amin'ny iray volana ny zavatra ho atao. Ka toy izao:

06 ora-7 ora: Vavaka fanomanam-panahy hiatrehana ny DIABE Vavaka mangina mitety vohitra (tsy mihira, tsy miresaka, tsy mandroaka devoly)
7 ora-8 ora: Fandaminana sy fanomezana ny toromarika rehetra. Ny zavatra tsy azo atao rehetra mba hifanajana. TENA HENTITRA TAMIN'NY IO ZAVATRA TSY AZO ATAO IO NY TOMPONANDRAIKITRA NANAO FANDAMINANA (Nizara tarika 11)
8 ora-10 ora: diabe mitety tanàna ka mifarana teo amin'ny tokotaniben'ny Kaominina.
8 ora-8 ora 30mn: Fanolorana ny rano ho an'Ambohimanga izay namboarin'ny Fifohazana rehefa simba tsy nandeha nandritra ny 2 taona mahery.
10 ora-11 ora 30mn: fanompoam-pivavahana ho an'ny Firenena. Notronin'ny Ben'ny Tanàna, ny Filohan'ny senat, BMF, ireo Mpitandrina sy Raiamandreny Toby.
11 ora-12 ora: Fandraisam-pitenenana.
12 ora-15 ora: Hira fiderana niarahana tamin'ny Ny Koraita, Ampifitia, TCR

[Mariho fa:]
Tsy nisy fandravana doany
Tsy nisy fidirana doany fa nandalo ny faritra misy doany.
tsy nisy fandroahana devoly nitabataba  fa vavaka mangina


Inona avy izany ny fandisoam-baovao tsikaritra?


1- Ny filazana fa ny Tarika Christophe Ratrema no nitarika ny diabem-panafahana tamin'ny alalan'ny fandroahana devoly tany amin'ireo doany.

Voalazan'ny afisy fa ny Fifohazana FJKM no niaraka nikarakara tamin'ny Kaominina Ambohimanga Rova ny fotoana. Ny fanazavana ambanimbany dia nanoritra mazava tsara fa ny Kaominina no nila vonjy tamin'ny Fifohazana FJKM tamin'ny alalan'ny tobim-pifohazana teo an-toerana. Fanontaniana: Fa naninona no nila vonjy ny Kaominina ary nahoana no ny Fifohazana FJKM no nangataham-bonjy?

2- Ny filazana fa nisy ny fidirana tamin'ny doany sy ny fandroahana devoly natao tany amin'ireo Doany nandalovana. Voafandrika tamin'izany miharihary ny Gazetiko sy ny LGDI izany notononiko etsy ambony... Fandrika nataon'ny sasany anefa io toe-javatra io ilazana fa nanimbazimba sy nanao izay tsy mendrika ny Fifohazana FJKM.

Izay tsy mahafantatra no ilazana fa tsy manao fandroahana devoly amin'ny toerana na zavatra ny Fifohazana FJKM fa amin'ny olona ihany. Ny fanamarihana etsy ambony nametraka fa tsy nisy ny fandravana doany ary tsy nisy fitabatabana fandroahana devoly teny.


Dia inona izany no anton'ilay fandrangitana?

Samy tsy misy mahalala isika fa dia efa misy mivoy mafy dia mafy moa io, miaraka amin'ny fanasoketana ny Fifohazana FJKM mazava loatra. Ny voamariko kely fotsiny dia fanomezana rano (fatsakana) ho an'ny Kaominina avy amin'ny Fifohazana no mila nanaovana fihetsiketsehana be amin'ny fitetezana tanàna. Ankilan'izay dia "fidiovana" no andehanan'ny olona eny amin'ireny doany ireny ka anatin'ny fomba idiovana indrindra ny rano.

Sao... averiko indray... sao dia nisy fandrahonana nahazo ny Kaominina tsy hanamboarana ilay fatsakana ka voatery niantsoana vonjy tamin'ny Fifohazana? Sao dia ilay fitetezana tanàna nifanindran-dalana na nifanindry fotoana tamin'ny fanomezana ny rano ho an'Ambohimanga (samy amin'ny valo ora) no hirika iray hamantarantsika fa nisy karazana "diversion" natao mba ijerena ilay olona miakanjo fotsy mandeha manakaiky doany hiambenan'ny mpiandry doany ny tanànany fa tsy hanelingelina kosa ny fotoam-panolorana ny rano? Tsy mandehandeha foana ny karazam-pandaminana toa izany fa nisy tolo-tsaina tao ambadika tao.

Koa noho ny fahavitan'ny fanolorana rano ho an'ny Kaominina no tena nanaovana ny Fiderana fa tsy ilay fitetezana tanàna loatra izay tsy nasiana hira an-dalana na resadresaka fa samy nangina fotsiny. Natao izao ho fahatsiarovana ny fotoana nanaovana tabataba be tato amin'ny aterineto malagasy.




1.11.22

Moa tia ahy va ianao? [lahatsoratra feno]

 Eto dia lehilahy iray no manontany lehilahy iray hafa hoe "Moa tia ahy va ianao?". Amin'ny vanim-potoana ankehitriny dia mety ho hafahafa izany fanontaniana izany. Fa rehefa mieritreritra fitiavana ny maro dia tahaka ny any amin'ny fitiavan'olon-droa hatrany no ironan'ny saina. Misy tsy fahasalamana ara-tsaina ihany ao amintsika ao raha mibahana ao an-tsaina ny fihevitra tahaka izany. Azo itsapana ny fivoaram-pieritreretana ao amintsika ihany koa ny tranga toa izany.

Aoka anefa homarihana fa ampahan-dahatsoratra ao amin'ny baiboly no nakako izany lohateny izany. Horaisintsika ampahany ary izany (Jaona 21:15-17):
 
Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, bar-Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.

Hoy indray izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.

Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va hianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.

Nataoko izao ranty izao ho fahatsiarovana ny 31 oktobra 1517,  Andron'ny Reformasiona protestanta (loterana), voatery napetrako ny anaty fononteny ny voambolana loterana satria tahaka ny tsy miraharaha loatra azy ity ny reforme indrindra fa ny eto Madagasikara (FJKM). Tsy nanana fijoroana tahaka izao anefa izany Fiangonana Protestanta izany raha tsy nisy ny asa-karoka nataon'i Lotera napetany teo amin'ny varavaran'ny Fiangonan'ny Manda tao Wittenberg (Misy koa ny Fiangonan'ny Tanàna fa tsy tany ny asakaroka no napetaka) tamin'ny andron'ny 31 oktobra 1517 izay noheverina ho fisantaran'ny protestantisma.

Tsy tanàna lehibe ambonivohitra i Wittenberg tamin'ny vanim-potoanan'ny reforma fa ambanivohitra, ary tantsaha no tena maro an'isa. Tsy dia lehibe ihany koa fa noho ny nataon'ilay moanina tanora iray tao no nampalaza kokoa ny tanàna. Mariho araka izany fa Mpitandrina (Pastora) nampiasaina any Ambanivohitra no niaingan'ilay fanitsiam-pivavahana. Mpitandrina no niaviany satria sady nianatra teolojia ireny no nianatra filôzôfia, azo lazaina ho olona ambony ihany koa tamin'izany fotoana izany. Nanamarika ny fiainany ny nikarohany valin'ny fanontaniana maro momba ny fahafatesana sy ny famonjena. Noho izany, notadiaviny fatratra izay tokony hatao hahazoana famonjena na fanavotana avy amin'Andriamanitra.

Niteraka fanafintohinana ho an'i Lotera izay moanina mbola tanora amin'izay ny nataon'ny Fiangonana tamin'izany fotoana izany rehefa hitany fa tsy araka ny Filazantsara intsony ny nataon'ny Fiangonana. Ny ampahan-dahatsoratra avy amin'ny Filazantsaran'i Jaona etsy ambony mametraka mazava tsara ny baiko ho an'i Petera (izany hoe ho an'ny mpitondra na mpitarika fivavahana ihany koa) ny hamahanana ny ondriKELIko, ny hiandrasana ny ondriko ary ny hamahanana ny ondriko. Ny hitany kosa anefa dia tsy menatra ny Fiangonana haka vola any amin'ny mahantra mba hanorenana indray ny Bazilikan'i Masindahy Piera ao Rôma tamin'ny alalan'ny fivarotana ny "indulgences". Tsy nofahanana araka tokony ho izy intsony ny ondrikely (ny ankizy sy ny tanora) sy ny ondry, ary tsy nandrasana araka ny tokony ho izy ny ondry (ny lehibe na lahy na vavy). Ny fanorenana tsy hitan'ny maro maso (any Rôma) no nahamaika ny sasany fa toa tsy mba notopaza-maso kosa ny ao an-toerana.

Mazava loatra fa nahazo fampiantsoana avy amin'ny an-tanantohatry ny Fiangonana ity moanina tanora ity noho ny fanozongozonany ny rafitra efa tsara petraka eo amin'ny fifandraisan'ny Fiangonana amin'ny Vola. Nahazo fankasitrahana avy amin'ny ankamaroan'ny olona manodidina azy anefa ny nataony satria nanomboka nanao fampianarana madio momba ny famonjena izy. Tao anatin'ny roa volana monja dia niely eran'i Eoropa ny nosoratany ary niorim-paka tsimoramora ny fanambaram-pinoana vaovao tao anatin'ny kristianisma. Mariho fa avy amin'i Lotera no niandohan'ny boky fampianaram-pinoana antsoina hoe Katekisma izay nalain'ny Katolika tahaka taty aoriana.

Dimanjato taona mahery taty aoriana, manao ahoana ny vokatry ny asakaroka napetak'i Lotera teo amin'ny varavaran'ny Fiangonan'ny Mandalapan'i Wittenberg?

Ny hita taratra voalohany aloha dia niverina tamin'ny heriny indray ny "Halloween" izay nezahin'ny Fiangonana nofoanana tany amin'ny faritra "Celtique" ary vao maika aza lasa nahazo vahana tany amin'ny faritra maro manerana izao tontolo izao. Ity fety ity tokoa manko no noezahana hosoloin'ny fetin'ny Olomasina rehetra fa ny nahafahany niafina sy voatahiry tany ambadika tany no nahafahan'ny Halloween niverina tamin'ny heriny tahaka izao.

Vokany hafa ihany koa, nahay nanitsy ny diany ny Fiangonana voakiana sady niezaka ny hamafa ny taratra protestanta. Efa nisy aza ny fotoana tsy mifanalavitra loatra intsony ny fampianaram-pinoana katolika sy protestanta ankoatra ny fitodihana amin'ny Maria sy ny Olo-masina.

Fa misy ihany koa ny vondrom-pivavahana, izay nokianina tamin'ny vanim-potoanan'ny reformasiona indray no naveriny. Izay no iray amin'ny antony nivoahan'ny ranty mitondra ny lohateny hoe "Rafitra Mpiahy sa rafitra mpandroba?".

Eo amin'ny rafitra katolika romana moa, araka ny fantatsika dia mbola tokatena avokoa ny mpitondra fivavahana, hany ka tsy mieritreritra loatra na hiady saina amin'izay omena sy atolony ho an'ny vady aman-janany tahaka ny an'ny mpitondra fivavahana hafa tsy katolika romana. Na aiza na aiza izany ny toerana omena azy dia tsy misy loatra izay mety hampanahy azy.

Tsy mba toa izany kosa ny eo amin'ny rafitra ankoatra izay, izany hoe izay manambady aman-janaka ny mpitondra fivavahana ao aminy. Raha ratsy fitantanana ny fitsinjaram-pahefana dia hita taratra ny fisian'ny sarangam-pitondra fivavahana samihafa na dia iray antokom-pinoana aza ry zareo. Efa nandre aza aho fa ny mpitondra fivavahana manana fiara tsy mitakosikosina amin'ny mpitondra fivavahana mpandeha an-tongotra, ary ny mpitondra fivavahana mpandeha an-tongotra na bisikileta miahotrahotra hanatona hiresaka amin'ny mpitondra fivavahana manana fiara.

Mbola lasa misy sokajiny indray ireo mpitondra fivavahana, hany ka iadiana mafy sy ifanotofana ny mahazo fiangonana lehibe an-drenivohitra na an-tanandehibee. Toerana fizàrana asa mandra-pahazoana fiangonana lehibe kokoa sisa ny ankamaroan'ny Fiangonana somary ambanivohitra sy tsy ahitana mpanankarena loatra. Tsy tokony hatao mahagaga noho izany raha misy ireo Fiangonana no maharitra mitoetra ela ao aminy mpitondra fivavahana ao aminy, ary misy ireo Fiangonana no Fandalovana fotsiny fa tsy mahatamàna ny mpitondra fivavahana satria tsy mahazaka na tsy maharaka ny fivelomany ao.

Manjary lasa mivadika ho fikaramàna ny fitondram-piangonana sy ny fitariham-pivavahana vokatr'izany fa takona tanteraka ny antso sy fiantsoana raha tena tia an'Andriamanitra tahaka ny fanontanian'i Jesoa tamin'ny Petera efa nosoratana ery ambony. Toa heverina fa ireo ondry any an-drenivohitra sy an-tanandehibe ihany no antsoina hoe ondry mila fahanana fa tsy misy mijery loatra, tsy misy mamahana sy miandry ireo ondry any ambanivohitra sy mpitrongy vao homana. Kanefa moa ve tsy ny hivoaran'ireny olona ireny no iray amin'ny tokony ho tanjon'ny Fiangonana?

Ny tena manahirana ny mieritreritra azy dia lasa ampitondraina enta-mavesatra sy tsy zakany koa ny sasany amin'ireny fiangonana madinika sy ambanivohitra ireny. Entin'ny mpitondra sasany ho toy ny any amin'ny toerana be olona sady manana ny ampy ho azy ny toerana sady vitsy olona no mbola miavo-tena. Manjary ilay mpitondra fivavahana indray no tena karakaraina fatratra... fa ny tanjon'ny "dîme" anie raha jerena hatramin'ny niandohany tao amin'ny Benei Israël [zanak'Isiraely] ka hoe mitovy tantana amin'ny mpiara-mivavaka aminy ihany ny "mpitondra fivavahana". Raha manana fiara daholo ny mpiara-mivavaka dia rariny raha mba manana fiara ihany koa ny mpitondra fivavahana, fa tsy rariny kosa raha tsy maintsy ividianana fiara ny mpitondra fivavahana nefa ny mpiara-mivavaka aminy tsy manana sy tsy mahatakatra mividy an'izany.

Ny tena manahirana dia tadiavina horesena lahatra ny mpivavaka amin'ny hanoloran'ny mpivavaka raki-pisaorana manokana ho an'ny Mpitondra fivavahana rehefa mahazo fahasoavana fa tadiavina hotakonana izay raki-pisaorana ho an'ny Fiangonana izay miantoka sy mamelona ny mpitondra fivavahana amin'ny fivelomany isam-bolana. Ny mpitondra fivavahana ihany anefa no tena mahazo ny fitenenana mandritra ny fotoam-pivavahana fa impiry hahazo anjara fitenenana moa ny mpiantoka ny fiveloman'ny mpitondra fivavahana? Ary hanao ahoana moa ny ho alahelo na ny ho endriky ny mpitondra fivavahana raha ahitsy ny fanentanana ataony fa "Asio hanina ao an-Tranoko" no hita ao amin'ny Baiboly fa tsy zavatra hafa tsy akory, satria ny Tranon'Andriamanitra no miantoka ny fiveloman'ny mpitondra fivavahana.

Koa raha tiana hisy tohiny sy hisy vokany ny reformasionan'ny 31 oktobra 1517 dia tokony hahay hijery sy handanjalanja ny vesatra omena ny fiangonana tsirairay ny mpitantana foibe na foibem-paritra ka hanitsy mandrakariva izay adidy omena ny isam-piangonana hijery ny hoe zakan'ny olona sy tsy miteraka fanafintohinana sy fihemorana ve ny anjara omen'ireo sokajin'olona sy sokajim-piangonana ireny ho an'ny mpitantana sy sampanasa sy departemanta isan-karazany fampandrosoana sy fampivelarana ny Fiangonana? Ambava homana, ampo mieritra!

21.10.22

Fantaro ny atao hoe Ntaolo (Nta-ulu)

 Fantaro ny dikan'ny teny hoe Ntaolo no tena tian-kambara. Fihevitra tsotra any amintsika any ny hoe Ntaolo no filaza ny olona taloha teto Madagasikara. Tsy diso izany fomba fihevitra izany fa tsy ampy ka ahiana hiteraka fahadisoana. Teny Nusantara soa aman-tsara ny voambolana hoe Ntaolo (Nta-ulu: mandray ity soratra ity aho ho fandravonana hiarahana amin'ireo [Nta-]Nusantara hafa rehetra).

Ny dikany raha amin'ny fotoana ankehitriny dia hoe olona voalohany. Tsy fantatro aloha raha azo ampiarahana amin'ny fiteny hoe Aborigene ity Ntaulu ity na tsia. Mety ho manivaka avy hatrany isika hoe ny olo amin'ny Ntaolo dia olona no dikany fa ny Nta no midika hoe voalohany, diso tanteraka anefa izany fa ny Nta no midika hoe olona. Ny "ulu" na olo hoy ny famakintsika ankehitriny no midika hoe taloha na voalohany. Ny teny (Nta)-Nusantara mihitsy no nijerena izany ka tsy tokony atao mahagaga antsika raha misy ny foko antsoina hoe Nta-imoro, Nta-Anosy, Nta-(nd)roy, Nta-Ankarana, Nta-mbahoaka, Nta-ifasy(ka) fa lasa nasiana fanatsaran-tsoratra na fanatsaram-peo hoy isika izay ny fanononana anaram-poko ankehitriny. Tsy tokony ho ompa mihitsy fa anaty lalan-kevitra ny nilazan'ny foko hafa ny foko Merina ho Nta-imerina, saingy noho ny fiheverana zavatra hafa avy hatrany dia aleo tsy tohizana ny resaka ny amin'izay.

Ny dika faharoa amin'ny ulu ihany koa dia ny hoe loha sy/na mpitarika, raha hanontany isika hoe iza no ulu (loha)n'ity fikambanana ity dia manontany izay mpitarika ny fikambanana izy izay. Mifampitohy amin'izany ihany koa, azo sainina ho avy amin'ny ulu (olo) no nivoahan'ny b-ulu (volo indray hoy isika mandraka ankehitriny) satria io no ambony sy hita voalohany indrina amin'ny olombelona fa ankehitriny moa izay lasa ambony no antsoina hoe "sangany" na "tsongo[i]n'olom-bolo [ulu-bulu na voalohan'ny mpitarika]". Mariho fa tena teny Nusantara mihitsy ny hoe "bulu". Tsy lavitra amin'izany ihany koa ny voambolana malagasy manokana hoe "voalohany", Ny baiboly malagasy nivoaka voalohany nametraka hoe "faharaika" fa ny fanitsiana taty aoriana no lasa nametraka hoe "voalohany".

Dia mety mahalasa saina ihany avy eo ny nahatonga ny hoe Olombelona na Olomiaina, ahoana izany ny amin'io? Tsy dia maka sarotra aho fa dia tsoriko fotsiny hoe lohan'ny velona na mpitarika/mpanjakan'ny zavamiaina rehetra na mpitarika/mpanjakan'izay velona rehetra. Mety ho tonga ao an-tsaintsika koa ny hoe lohalika fa avy amin'ny teny Maanyan Ulu-?alep mihitsy ilay izy. Dia izay indray aloha ny androany. Mirary soa ho antsika rehetra.

Fanamarihana 21 oktobra: Tsy nanamarina tany amin'ny rakibolana aho fa eto vao manitsy hoe "tau" no dikan'ny "human being" any amin'ny rakibolana any. Ny "ulu" tsy misy fiovany.
Efa maro ny manaiky ny hoe Austronesian no fiteny iraisampirenena fa ny Nusantara indray fitenin'ny nasionalista hatrany Filipina, Malayzia sy Indonezia mazava loatra. Misy ihany koa ny nametraka ny Melayu.

19.10.22

Rafitra mpiahy sa rafitra mpandroba?

 Raha manjaka eo amin'ny firenena ny tsi-fanarahan-dalàna, na ny kiantranoantrano, na ny tsimatimanota, tsy ho tonga any an-tampony avy hatrany izany raha tsy efa maka toerana na tsara toerana eny anivon'ny fiaraha-monina na fikambanana, maninona koa moa raha tenenina hoe eo anivon'ny karazam-piangonana sy ireo rafitra mpanaraka fomba isan-karazany ireo zava-manafintohina rehetra ireo.

Koa raha anjakan'ny kolikoly ny firenena, sao dia misy tsy ankitenitenin'ny Fiangonana ao anatin'izany ohatra? Mba mahavita miteny ny zanany lasa sangan'ny Firenena ve ny Fiangonana raha manao ny tsy mety ireny zanany ireny sa ireharehana fotsiny satria avy any aminay? na iray Fiangonana aminay? Na iray fikambanana sy/na antoko politika aminay? Sa efa miankin-doha aminy tanteraka ihany koa dia tsy afa-miala na dia manitsakitsaka sy manao izay hahafaty anao mihitsy aza? Sady manala baraka rahateo?

Etsy ankilan'izany, maninona no misy rafitra tsy manaiky amoahana olana sy tsy fetezan-javatra ao anatin'ny rafitra fa avy hatrany dia lazaina hoe "manala tena" raha mitsikera? Dia avela ho potika ve ilay rafitra? Ary rafitra manao ahoana izany tsy manaiky tsikera tenenina amin'ny zavatra tsy mety ataony izany sady manao didiko fe lehibe? Aiza ho aiza amin'ny rafitra Mafia moa izany toe-javatra izany raha izay no izy?

Koa raha lazaina ho mpiahy ny rafitra iray, amin'ny lafiny manao ahoana no ilazana azy ho mpiahy? Inona avy ny zavatra tokony ataony mba ahafahana milaza tokoa fa mpiahy izy? Hatraiza ny maha-mpiahy azy? Ary hatraiza indray izy no tsy mpiahy intsony fa lasa mpandroba indray? Fandrao lasa mitady izay itadiavam-bola fotsiny? Fa na hosasana atidoha tahaka ny ahoana aza ny "olona fehezinao" rehefa mihoa-pefy ianao tsy maintsy miteny sy mitsangana amin'izay ny olona. Fa ny tena ratsy raha olona tsy niteny mihitsy no lasa miteny sy mikiaka amin'izay satria matetika ireny no leo tanteraka dia tsy te-hahalala intsony ary mety ho mafy famaly mihitsy aza.

Mba tahaka ny ahoana ny fanenjehanareo ireny olona lazaina ho mpandala ny fombandrazana ireny rehefa manao famadihana izy ohatra? Ankoatra ilay hoe razana tsy hitahy, moa ve tsy ny  vola lany amin'ireny no tena anton-tsikera tahaka ireny hoe rehefa tsy manao an'iny izy dia ho lasanao ny vola saika hanaovana an'iny? Fa ampahafiry sa avo firy heny noho ny an'ireny ny anareo rehefa lazaina omena tapakila mitentina amin'analina na amin'anhetsiny ianao dia hoe tsy azo averina ny tapakila fa ny vola vidiny ihany no raisinay? Dia rehefa ilay fikambanana kely efa sahirana mafy iny no tsy maintsy mandoa ny tapakila dia "karazan'olona tahaka ny ahoana hatrany no mandeha" ho solotenan'iny fikambanana kely mampalahelo iny mihinana ny alahelon'olona sy ny fanafintohinan'ny olona? Nefa rehefa miseho ampahibemaso tahaka ireny masimasina kely mahafinaritra jerena ireny!

Miala tsiny aho raha manoratra hoe rafitra mpandroba ianareo? Tsy mijery afa-tsy izay idiran'ny vola ho any aminareo! Tsy manana afa-tsy andriamanitra tokana ianareo dia ilay ombilahikely volamena na ilay andriamanitra hita hatraiza hatraiza antsoina hoe Mamôna! Miantso anareo aho, miovà sy mibebaha fandrao hihatra aminareo izay mafimafy kokoa. Ahitsio ny rafitra mba ho ny rariny no hanjaka ary mba tsy ho ianareo intsony no iantefan'ity tenim-pahatezerana ity manao hoe : "13 Fa lozanareo [...] mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay (te-)hiditra dia tsy avelanareo miditra." Aza bahananareo ny varavaran'ny lanitra!

3.10.22

J'ai protegé l'église à ma manière [teny malagasy]

Ny mahafantatra ahy dia ilay olona mpandala ny teny malagasy ihany no ahafantarany ahy. Na dia misy vahiny aza eo akaiky eo amin'ny fivoriana dia iray amin'ireo mampivily ny resaka ho amin'ny fiteny malagasy aho matetika. Ny vitsy mahalala raha mbola hoe fantany ihany koa dia lasa mieritreritra sy miteny frantsay tsindraindray aho rehefa tena tezitra na tohina ao anatiko ao, mety hitranga amin'ny "feeling" hafa tena lalina ihany koa anefa izany. Ao anatiko ao izany satria nampianarina teny frantsay sy zatra namaky boky (roapolo taona mahery) tao amin'ny ex-CCAC izay IFM amin'izao fotoana izao aho nandritra ny fahatanorako (nanomboka 12 taona). Raha iniako tenenina amin'ny teny frantsay ny lohateny noho izany dia manambara avy hatrany ny tsapako sy ny toe-tenako amin'izao fotoana izao.

Sakana voalohany, raha misy ny olana dia tsy azo avoaka ampahibemaso izany, na amin'ny radio sy televiziona izany na amin'ny media sosialy. Manala tena ao amin'ny fiangonana (tsy milaza aho hoe iza ilay fiangonana eto) izay minia mandika izany fitsipika izany. Izaho kosa tsy afa-mihalangalana amin'ny zava-nitranga fa nandray ny andraikiko amin'izay tandrify ahy ary izany andraikitra noraisiko izany dia io voasoratra amin'ny lohateny io. Miala tsiny raha tsy afa-mihoatra noho izay ny lazaiko aloha.

Filazana faharoa, s'il y a une crise dans une église, surtout à Madagascar, ce n'est pas une  question de pedophilie ou d'adultère mais plutôt d'argent. Ici je ne dis pas qu'il y a une malversation. Non, loin de là, fa misy fahamailoana avy hatrany tao amin'ireo mpivavaka vao nahare ny vaovaom-piangonana. Vao nandeha ilay fehezanteny dia heno avy hatrany ny ngonongonona eran'ny fiangonana. Rehefa nisaina ihany koa ny rakitra taorian'ny fotoana dia nihena atsasany avy hatrany noho ny mahazatra... Mazava dia mazava izany hafatra tsy ankiteniteny izany, dia nandray ny andraikiko koa aho tamin'io fotoana io. Tsy holazaiko izany hoe inona izany andraikitra noraisiko izany, fa ny hany azoko lazaina dia namaly tamim-pihetsika amin'izay tokony ataoko aho indrindra tamin'ny fotoana nandrenesana ilay ngonongonona eran'ny Fiangonana.Raha misy manontany na manao petra-kevitra dia miala tsiny fa tsy hamaly mihitsy aho.

Te-hampahery ny iray fiangonana amiko aho nefa tsy afa-manoatra ary tsy hanaiky hampiditra fiaraha-mientana izay mety hitarika mankany amin'ny fiokoana. Je me connaîs comme agitateur mais je n'utiliserai pas ce talent. Ny hany azoko lazaina dia izao. Manakana eo amin'ny anjara toerako aho tsy hahatontosa ilay nanafintohina tao am-piangonana. Miala tsiny indrindra raha manao teny tsy loa-body fa fantatro tsara fa azon'izay mpamaky mahafantatra ny zava-misy io ary fantany avy hatrany hoe inona ilay nataoko.

[Fanamarihana: Tsy azo alefa Facebook azafady]