Ny marainan'ny zoma 16 oktobra 2026 no efa raikitra ny fifampitorahan'ny samy mpianatra tao Antsiranana tao. Voalaza fa nisy ihany koa ireo nitondra zava-maranitra ho enti-miady. Fototry ny fifandirana ny fizarana ireo efitrano vaovao ho an'ny mpianatra izay notsinjaraina mitovy ho an'ny fikambanan'ny mpianatra isam-paritra. Tsy nanaiky izany toe-javatra izany anefa ny fikambanan'ny mpianatra avy ao Sofia sy Sava araka ny tatitra satria mihoatra ny atsasaky ny isan'ny mpianatra manontolo ao an-toerana ry zareo ka heverin-dry zareo ho tsy rariny izany fizarana mitovy isa isa-pikambanam-piaviana izany. Olana lehibe ho an'ireo Oniversite maro eto Madagasikara io resaka fonenan'ny mpianatra io satria tsy ampy velively ho an'ny mpianatra izany amin'ny ankapobeny. Tranga fahita matetika ny fibodoan'ireo mpianatra efa nahavita fianarana ny trano na dia efa tsy mpianatra intsony aza izy ireo. Ivelan'izay, raha ny tao Ankatso, karazany mividy ...
Tantarao Isan'Andro (T.I.A)
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.