Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du octobre, 2023

Ilay fahavalo Marc Ravalomanana

Fanamarinana ety am-piandohana, nandika ity indray aho satria efa namaky azy ity tany alohaloha tany (nandritra ny tetezamita) ary niverina eto indray izany noho ilay rangahy iray tsy fantatro loatra iny.   Ilay paika nanatanterahana ny "revolisiona" taona 2009: Manao izay fomba rehetra hanaratsiana an-dRavalomanana hanaisotra azy ao Iavoloha sy Ambohitsorohitra.   Mitady hevitra ataingina hiniavana sy hanatanterahana fanonganam-panjakana. Hamehezana io "tolona io ho ao Antananarivo sy ny manodidina ihany. Manomana sy miantoka ara-bola ary mitarika fanonganam-panjakana. Mitady sampana mitam-piadiana hapetraka an-kery (Capsat) Mandrava izay endrika fampandrosoana rehetra natombok'i Marc Ravalomanana. Mandrava izay rehetra mety hahatafarina indray an-dRavalomanana. Manameloka ny fanonganam-panjakana am-bava ihany eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Mitady olona (UA,UE ary ONU) manaiky hampitarazoka ny fifampiresahana hiverenan-dRavalomanana sy vondrona ifandraisana...

Volana oktobra 2023

31 marsa 2023, noraràn'ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Justin Tokely ny famoriam-bahoaka ankalamanjàna miendrika politika rehetra fa anaty trano ihany ary mba tsy ho re ivelany ny zavatra lazaina anatin'ny trano ivoriana. Efa ela ny ao amin'ny fanoherana no voasakatsakana amin'ny famoriam-bahoaka na amin'ny fivorian'ny mpiray antoko aminy fa dingana iray vaovao ity fandraràna nataon'ny minisitry ny atitany ity. Raha tratran'izany fandraràna izany ny antoko politika dia tsy mba iharan'izany kosa ny mpikambana governemanta ary ny filoham-pirenena indrindra indrindra izay hilaza ny zava-bita amin'ny fitetezana ny firenena. Voatery niray feo ny masoivoho maro teto Antananarivo ny amin'izany toe-javatra izany "fa mety mampihenjana ny toe-draharaha politika amin'izao fifidianana efa akaiky izao" io fanakanana ny antoko politika tsy ho afa-miomana amin'izany fifidianana izany. Voasakan'ny mpitandro ny filamin...

Mazava atsinanana e! ny any aminay a!

Izay mivaro-tsafi dy , manary zo amin'ny fifidianana Izay mivaro-tsafi dy , mamarotra tanindrazana tsy mendrika ho olom-pirenena, fa nanandevo tena fa mendrika ny ho very zo satria mandraraka ilo mby an-doha Izay mivaro-tsafi dy , mamarotra firenena Izay mivaro-tsafi dy , mamarina ny firenena tsy mendrika ho olom-pirenena, fa nanandevo tena fa mendrika ny ho very zo satria mandraraka ilo mby an-doha Izay mivaro-tsafi dy, mampitondra ny mangidy Izay mivaro-tsafi dy , mendrika lamboridy tsy mendrika ho olom-pirenena, fa nanandevo tena fa mendrika ny ho very zo satria mandraraka ilo mby an-doha

Indray andro am-pitolomana

Sambany indray aho no nitolona ho amin'ny hoavin'i Madagasikara an-kianja. Ny tadidiko farany dia tany amin'ny taona 2010 any ho any. Tsy nidina an-kianja na an-dalambe aho tamin'ny taona 2018 satria tsy naharesy lahatra ahy, fa tena nahagaga sy nahatalanjona ahy, izany hoe TIM sy MAPAR ka hiaraka hitolona ho fakana ny kianjan'ny 13 mey 1972. Efa nihevitra aho tamin'izany fa voafitaky ny MAPAR na ny mitovitovy aminy fa tonga dia hitsiko fotsiny hoe mpiara-dia amin'i Andry Rajoelina ny TIM tamin'izany fotoana izany. Tsy namitaka ahy ny eritreritro tamin'izany fotoana. Tamin'ity taona ity indray, naharesy lahatra ahy ny tolona fa ny fotoana no tsy afaka aho. Manaraka matetika ny vaovao avy amin'ny mivantana na famakafakana anefa, indrindra fa amin'ny fanarahana ny fandaharana Angaredona. Androany 27 oktobra 2023 aho no naka fotoana hanao izany tolona izany satria: Voalohany, aty amin'ny distrika misy anay no handalovan'ny Collectif ...

Fiandohan'ny aogositra 2023 ka hatramin'ny fiafaran'ny volana septambra 2023

09 Aogositra 2023 voalaza fa nisy nisompatra ny kaonty Marc Ravalomanana-Ofisialy sy ny pejy MBS ao amin'ny Facebook. Efa ho herinandro izao no tsy nisy na inona na inona nivoaka intsony tamin'ireo kaonty sy pejy ireo (3 aogositra 2023). Voasompatra tahaka izany ihany koa ny pejy Facebook Real TV izay anisan'ny be mpanaraka ao amin'io tambajotran-tserasera io. 10 Aogositra 2023, nosamborin'ny manampahefana britanika tany Londres noho ny resaka kolikoly tamin'ny orinasa Gemfields ny talen'ny kabinetran'ny filoha, Romy Voos Andrianarisoa. 12 aogositra 2023, nandray anjara tamin'ny fanampiana ny fandraofana fako eto Antananarivo Renivohitra ny Tafika Malagasy. Voasoratra izao satria tsy anaty hamehana loatra isika ary tsy tokony ho asa vonjy voina anjara asan'ny tafika maoderina ny tahaka izao. 24 aogositra 2023, Marc Ravalomanana no kandidà voalohany tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahany hofidiana eny amin'ny HCC (taratasy momba ny h...

Tohin'ny raharaha tsi-fizakàn'Atoa Andry Rajoelina intsony ny zom-pirenena malagasy

22 jona 2022 no navoakan'ny gazety sy fampahalalam-baovao maro ao Frantsa ny taratasy nivoaka tamin'ny taona 2014 (Dossier n°2014X 034326 99) voasonian'ny minisitra frantsay misahana ny atitany Bernard Cazeneuve sy ny praiminisitra frantsay Manuel Valls tamin'ny 19 novambra 2014 sy ny gazetim-panjakana frantsay (Extrait du décret n°046/881 du 19/11/2014) nahazoan'ny Filoha Andry Rajoelina zom-pirenena frantsay. Mazava anefa ny voalazan'ny lalànan'ny fizakàna ny zom-pirenena malagasy fa VERY ny zom-pirenena malagasy ho an'izay nangataka an-tsitrapo sady feno taona zom-pirenena vahiny hafa. Mariho fa efa tamin'ny 13 jona 2023 no niely  tamin'ny tambajotran-tserasera malagasy io vaovao io. Tamin'io fotoana nampalaza ny raharaha io dia tsy namaly mivantana ny Filoha Andry Rajoelina fa niteny kosa hoe "Tsy misy mahaisotra na manova ny ra malagasy mikoriana ato amiko" raha niteny kosa ny Lehiben'ny kabinetran'ny Filoha Romy Voos A...

Misaotra ny mpanohana ny collectif des candidats

 Eny e! teny frantsay moa no nanaovanareo ny anaranareo fa zakaina eny ihany izany. Izay ve ny fotoana mety ka nidirana indray tamin'ny Coliséum Antsonjobe? Raha niainga tamin'ilay hoe tsy miditra herisetra araka izay azo atao dia tokony ho tamin'ny nanolorana voalohany ny Coliséum dia efa notairina izany satria maridrefy hamantarana ny hamaroan'ny mpanaraka io toerana iray io. Tsorina kosa fa tsy nitsanga-menatra ny mpitaky ny ara-dalàna manohitra ny barofo ataon'ny eo amin'ny fitondrana raha ireo olona tonga tao anaty fanentanana zara raha misy ora roa ireny araka ny fijeriko. Avy amin'ny fandaharana "Angaredona" iarahan'ireo fampahalalam-baovao mirona amin'ireo vondron-kandidà manohana ny fifidianana madio ihany no nisy izany fanentanana izany. Fantatro tsara fa tsy zoto fa adidy ny nahatongavana teny. Tsy zoto satria mety ho nisy zavatra hafa natao, toa ahy, tsoriko izany, fa fandresen-dahatra sy adidy kosa fandrao ny tsi-fahatongavako ...

Fihantsiana sy fahasahiana

 Raha ny tokony ho izy, efa ao anaty fampielezan-kevitra isika, saingy mandeha ila izany fifidianana izany. Ny vao teo amin'ny fitondrana farany teo ihany no mihazakazaka manao izany, sady efa manantena ny handresy avy hatrany indray mihodina fotsiny. Nahoana tokoa moa no tsy ho izany no hitranga rehefa jerena ny zavamisy? Na tsy dia mpanara-baovao loatra intsony aza ny tena dia nahatsikaritra fa tsy nisy famindram-pahefana mazava teo amin'ny filoha farany sy ireo filoha vaovao. Fampiomanan-tsaina avy hatrany ny filazana hoe "veloma vetivety" ry fahefana ary tahaka ny misy baiko lavitra izany mihatra amin'ireo mpikarakara fifidianana sy heverina ho tompon'andraiki-panjakana nanankinana andraikitra mba tsy hokitihana mihitsy ny momba azy. Fa ny lafiny iray nisongadina dia ny fiezahana ny lafiny rehetra hiantohana fa ho tafaverina tsimoramora ho eo amin'ny fitondrana indray ka esorina avy hatrany ireo heverina ho tsy hanampy amin'ny fiverenana izany fa m...