Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du novembre, 2011

Tsy hitako izay itsenana azy

Miala tsiny raha elaela tsy nanoratra teto. Efa nisy ny fikasana hanoratra fa ny fitadiavana mahazaka maniraka, hoy ny fiteny izay. Tsy afaka ivalamparana loatra ny zavatra tsy idiram-bola tahaka itony, na dia tena iondanana tokoa aza. Tery ihany hanoratra fandrao miandry ny hevitra na fomba fijery andrasan'ny mpamaky. Raha ny resaka rotaka tetsy Behoririka aloha dia efa nanoratra ny momba azy io ihany aho any ambadika any . Ny nahatery hanoratra dia ny filazan'ny mpitarika iray etsy amin'ny Magro fa Hitsena an-dRatsiraka ary hitaona ny mpiara-mitolona aminy hitsena ity olona ity iray ihany koa. Izaho dia tsy mankasitraka velively izay fanentanana izay. Manabe isa ny olona tonga eny izay tsy tohanana akory izany no sady fanakiviana mihitsy, fijeriko izay, ireo mpitolona ireo. Tsy ho amin'iny olona iny no nitolomana ary ny manaraka tantara dia mahafantatra fa anisan'ny atidohan'ny nanonganana ny filoha voafidy farany teto Antananarivo izy. Ny fiantra...

Ny Anay dia Tsotra Ihany

Indraindray dia tsy te-hamelona radio maraina izany fa voasintona hihaino ny lazaina fa adihevitra hatrany. Rehefa adihevitra anefa no tenenina tahaka ny haka lagy vao maraina manao izay tsy hampazoto miasa fotsiny. Raha vao tsy mahara-baovao dia tahaka ireny inona ireny tokoa, saingy raha vao mahita ny lohatenin-gazety fotsiny dia mihomehy irery amin'ilay adihevitra heno vao teo fa dia tena resaka diso adiresy sy fanenjehana ranoiray. Eo am-piandrasana ny famoahana ny mpikambana governemanta avokoa ny rehetra amin'izao fotoana izao. Rahampitso no fe-potoana amoahana izany lisitra izany araka ny tondrozotra. Eo no ifantohan'ny resaka amin'izay lazaina fa adihevitry ny samy mpihaino. Avy hatrany dia ny fanamelohana ny ankolafy izatsy na izaroa ho mihoatra ny lazain'ny tondrozotra sy lazaina ho "mpanakorontana" ahatsiarovana ny fahavalon'ny revolisiona sosialista tamin'ny fotoan'andro ho "mpanohariana" no misesika sy ifandimbiasana ia...

Loza manambana?

Nahita ny zava-nitranga tamin'ny faran'ny herinandro dia variana ihany. Hetsika sosialy tsy hay tohaina ve? Ny andaniny miasa handaminana ny tanàna mba tsy ho korontana (fa tsy gidragidra) no ahitana an'Antananarivo sady mampihatra lalàna, ny ankilany kosa miavo-tena hamelomana ny tenany sy ny vady aman-janany eny amin'ny toerana tsy manara-dalàna. Resaka fivarotana amoron-dalana sy tafiditra anaty lalana eto Antananarivo ihany izany tononina eto izany. Ny alahady lasa teo teny Mahamasina dia nisy ny fifandonana teo amin'ny polisy kominaly sy ny mpivarotra amoron-dalana noho ny resaka fandraofan'entana. Io fandraofan'entana io no tena fototr'ilay gidragidra satria heverin'ny mpivarotra tsy manara-dalàna ho fangalarana ny entany izy io. Ny maraina anefa hakan-dry zalahy vola 500Ar ireo mpivarotra ireo ho toy ny fiantohana fa tsy esorina amin'ny toerany amin'io andro io. Nisy ny naratra ary nisy ny fisamborana tamin'io fotoana io. Nitoh...

Mitambatra ny lisitra Zafy sy Ravalomanana?

Araka ny hita an-gazety androany dia nanome lisitra iraisana hatolotra minisitra indray ny Ankolafy roa tonta Zafy sy Ravalomanana. Misy ny milaza fa nahazo antoka tsara ny lehiben'ankolafy Ravalomanana vao nanaiky nanome lisitra. Ny eritreritro dia hoe tsy tamin'ny nanolorana praiminisitra tokoa ve no tsara nanaovana izany raha hanambatra lisitra ihany fa nahoana no aty amin'ny fanolorana olona maro indray vao hanambatra lisitra? Inona moa ny olona raha tsongaina hofidiana avokoa ny avy amin'ny lisitra Zafy dia ajanona ny lisitra Ravalomanana?  Voasoratra fa omena seza Praiminisitra lefitra iray ny ankolafy Ravalomanana. Koa raha izay ihany no azony dia manakory? Mety misy fifanarahana tokoa any ambadika any fa tsy maintsy lasa ihany ny saina. Mbola miahiahy loatra manko ny ankamaroan'ny olona no misy izao fampitambarana lisitra izao. Enga anie tsy ho fahadisoana miampy fahadisoana intsony izao fihetsika izao. Atoa Mamy Rakotoarivelo moa no nanasonia av...

Voakarama sa diso mafana fo?

Raikitra hatrany ny adihevitra raha vao misy ny fotoana azo anaovana izany eny amin'ny fampielezam-peo. Mahavariana fa mitady ho hay tsianjery isaky ny olona miantso ny zavatra hambarany. Izany hoe efa fanta-peo avokoa ny ankamaroan'ireo miteny sy zavatra lazainy. Lasa mankaleo indraindray ny mihaino azy fa tsy mitoetra intsony ny tena adihevitra raha izay no heverina ho kinendry amin'ireny fandaharana ireny. Azo ambara fa tsy fifandresen-dahatra intsony no mipetraka fa samy mamoaka ny heviny sisa. Ny mampalahelo amin'ny fandaharana dia izao. Rehefa misy ny zavatra tsy zaka amin'ireo mifanohi-kevitra amin'ny sasany dia mandrahona amin'izao hoe fantany tsara iny olona iny fa mpanao izatsy na mpanao izaroa, ohatra: mpividy fanamiana miaramila, mpampirevy miaramila hahazoana vaovao... Mivadika fandrahonana ankolaka ny raharaha fa dia mahagaga tsy manitsy ny karazan'olona tahaka ireny ny mpanentana amin'ny fandaharana. Ny mampiavaka ny fandaharana ih...

Toetr'andro hafahafa

sary: phytospiritualité Somary nahagaga ahy ny toetr'andro tao ho ao. Maraina mangatsiaka dia mangatsiaka mahatonga anao hamoaka akanjobà mihitsy. Rehefa mitataovovonana anefa dia indro fa mahamay mampanala akanjo, eo angamba vao mitank'orana. Manomboka folakandro dia indro fa mandrahona indray ary midina ny hafanana ary matetika dia miafara amin'ny orana tsy dia betsaka loatra izany. Tsy tsaroako niainako izany toe-javatra izany fa maraina mafana dia mafana no miditra takariva manorana. Lasa fahavara-dasa tsy tsaroana indray angamba rehefa samy nahatsapa ny olona teto Antananarivo fa tsy nangatsiaka mihitsy ny ririnina tamin'ity taona ity. Sa tsy nahatsikaritra izany ianao?

Mpanakorontana ny Magro

Efa re siosio talohaloha tany ny famoahana didy fa hakatona na tsy azo ivoriana intsony ny etsy amin'ny Magro Behoririka. Velona indray ny filazana fa miteraka korontana amin'ny fiainam-bahoaka eto Antananarivo, eto Madagasikara, ny fivoriana etsy amin'ny Magro. Lazaina ihany koa fa miady ho amin'ny "fantome" fotsiny ireo mivory etsy amin'ny Magro. Asa! valifaty amin'ny filazana ny fitondrana FAT ve dia hoe "fantome"? Nivoaka an-gazety fa nampanantsoina teny amin'ny prefe ihany koa ny mpitarika ny Magro amin'io fivoriana mbola mitohy etsy amin'ny toerana iray zary malaza io. Namaly ny mpitarika iray avy ao fa tsy mahalala ny fisian'izany fampiantsoana izany velively, ary tahaka izany ihany koa ny namana mpiara-mitarika aminy avy ao. Resaka fampiomanana ny handravana azy daholo ve izany rehetra izany? Raha izany fanakatonana izany tokoa no tadiavina atao dia na inona na inona fanazavana atao dia fanakanana ny fitakiana ...

Famotehana sy Fanakanana izay Hanorina

Ezahina hatrany ny mampita izay azo ampitaina hapetraka ho tantara avy amin'ny fomba fihevitry ny tsirairay nandritra izao vanim-potoana izao. Misy izy ireny raha henoina mampihomehy, saingy mampatahotra indrindra rehefa fantatra fa olona lazaina ho mpamakafaka amina haino aman-jery no milaza azy amin'ny mpihaino. Tsy tsapany angamba fa miteniteny foana izy... raha ny fomba fijeriko azy aloha! Ny andron'ny fiandrasana ny fanendrena praiminisitra. Nitaintaina avokoa ny rehetra, ary nilaza ranamana fa hafahafa ihany raha ora vitsivitsy mialoha ny fanendrena no mbola tsy azo verika mihitsy izay hotendrena. Eo amin'ny sehatry ny fanaovan-gazety izay misy azy dia marina izay filaza izay. Fa ny nanahirana ny nihaino azy dia ity. Tsy eken'ny sainy mihitsy raha olona avy ao amin'ny ankolafy Ravalomanana no voatendry. Manjary hiverina indray ny Silo ao Toamasina, hoy izy, manjary hiodina indray ny tiko sy ny magro. Tena nihomehy valaka aho nandre ilay izy nefa niak...

Ravalomanana indray

Hiezaka ny tena hanoratra vaovao isan'andro eto. Heverina ho mihoatra ny iray aza izany araka ny vaovao sy adihevitra azo. Misy radio fiantsoan'ny mpihaino isan'andro, isa-maraina, mba henoiko indray hahalalako izay hevitry ny hafa na voakarama izany na tsia, na mafana fo izany na tsia. sary: Stahlkocher Fantatsika fa nilaza hivoaka ny sori-dalana (tondro zotra) ny ankolafy Ravalomanana noho ny tsy fankasitrahany ilay fomba fanendreny ny praiminisitra Omer Beriziky amin'izao fotoana izao. Raha nandeha ny fanontanian'ny mpanao gazety hoe tsy karazany manao veto ve izy fa fisintahana no ataony fa tsy manakana ny fanatanterahana izay efa voasonia izy. Mikoropaka noho izay fanapahan-kevitra izay avokoa ny hafa rehetra ary raikitra indray ny fanenjehana ilay olona ho tia tena sy ny karazany.  Rehefa mandeha anefa izay fanenjehana sy ny karazany izay dia milaza fa henjana ny politika fanorona mipetraka. Mametraka ny fisintahana hoe tahaka ny ahoana ary ny heri...

Angovo , solika toa samy olana eto Madagasikara

Hoy ny fitenenana malagasy izay hoe : "Akaiky vilany feno arina". Raha ny olona avy eny ambanivohitra sy ny zatra ny fiainana ambanivohitra, na ireo mbola niaina tamin'ny fakana na fividianana kitay dia mahalala tsara izany fomba fiteny izany. Ny zatra fatana solika na gaza na elektrika (solika, etona, herinaratra) kosa mety tsy hahatsikaritra loatra ity arina lazaina. Arina ilay maintimainty amin'ny vodin'ny vilany sy ny sisim-bilany iny. Mety tsy ho hita tsara ilay izy rehefa amin'ny fatana solika, ohatra, fa tratran'ny maintimainty ihany ny tanana rehefa kasihana ireo faritra nolazaiko ireo. Tsy dia ny hanazava ny teny malagasy loatra no anoratana etoana, fa mba te-hilaza hoe rehefa misy ny olana dia ny akaiky ihany no hita voalohany na ny iharany ihany no tena mahatsapa. Tsy hahafantatra na inona na inona ny olona raha tsy ny mahita sy ny iharan-javatra no miteny. Matetika anefa ny Malagasy no tsy mba miteny loatra izay manjò azy rehefa mahita fa ...

Rehefa mitroatra tsy misy afa-manoatra

Tsy haiko loatra fa lasa miresaka zava-misy maneratany aho nefa dia mbola amin'ny teny malagasy ihany no anoratana izany. Amin'izao fotoana izao mba maharaka zava-baovao iraisam-pirenena kely aho noho ny fanarahana tsy fidiny ny FRANCE 24 ka mahita kely ny fandaharana "Les observateurs" milaza ny zavatra malaza aty amin'ny aterineto (Vu sur le net). Dia malaza indray ny rotaka any Shina noho ny fifandonana eo amin'ny vahoaka sy ny polisy. Inona ny nahatonga izany? Lehiben'ny polisy tao amin'ny tanàna iray afovoan'i Shina tao nandona ka nahafaty olona dimy (lozam-pifamoivoizana). Nahatezitra olona io tranga io ka dia velona ny rotaka. Velona ny fifandonana. Matoa nitroatra ny olona dia mety ho mizaka ny tsy rariny hatry ny ela na ny famoretana hatry ny ela ka rehefa maro no mivondrona dia ny polisy indray no sahirana. Matetika tokoa ny mpitandro ny filaminana no mihoa-pahefana, fa tsy mbola nahitako na nandrenesako ny filazana izany moa ny aterine...

Bolongana Dinamika

Niverina tato indray nanoratra fa misy zavatra mahaliana ny navoakan'ny blogspot na blogger ka mahatamana anay efa nisafidy ny hamoaka izay vetsovetsom-po amin'ny alalany. Araka ny nolazain'ny namana  Valy  atsy ambadika atsy dia tsy voatery amin'izay endrika atolotra anao voalohany, na hitanao voalohany ihany no azo ijerena azy ity fa misy fomba hafa azonao isafidianana sy manintona anao ihany koa. Ireo endrika azo isafidianana (Jereo ambanin'ny anaran'ny bolongana indrindra): Ny anarana hitanao eo ambanin'ny anarana voamena izao dia ny classic izay ahitana voalohany indrindra ny lahatsoratra na votoaty nivoaka farany. Ilaina ihany ny mijery any ambany fandrao efa misy lahatsoratra hafa nivoaka ihany koa.  Ny flipcard manaraka etoana indray dia misy karazany efatra ka ny roa ihany no aseho sary etoana. Io ambony io dia mifantina ny votoaty na ny lahatsoratra isaky ny daty nivoahany. Ity manaraka ity kosa dia mamoaka ny votoaty na lohatenin-...