Accéder au contenu principal

Articles

Efa miova ny famahanam-bilaogy!

Miova manaraka ny taona ny endrika sy ny fanao amin'ny fametrahana votoaty ao amin'ireo mpanome tolotra bilaogy isankarazany, indrindra ho an'ireo manao azy ho fidiram-bola mivantana na matihanina hoy isika, malaza indrindra amin'izany moa ny wordpress. Tsy mba hita loatra kosa izany fiovan-javatra izany ho an'ny blogger.com manokana. Efa taona vitsivitsy izay no nisy izany fiovan-javatra izany, fa tsy niditra ho amin'izany ny tao amin'ny Global Voices, tranonkala iray tena nampavitrika ahy. Heveriko noho ny antony manokana no anton'izany satria manana zana-tsehatra maro dia maro  io tranonkala io, misy koa ny zana-tsehatra amin'ny teny malagasy. Mety ho maro ny antony fa na izany aza mba ilàna fitandremana kosa ny fikirakiràna ny pejy na ny lahatsoratra mba tsy hivadika zavatra hafa ny fahafahana manova ny endriky ny pejy. Raha mijery ny fikirakiràna famoaham-botoaty dia azo lazaina hoe manamora ny tokony hatao ny tetikasa Gutenberg sy ireo karazana...

Ho Mpitoriteny

    Nianatra ho Mpitoriteny tao amin'ny Sekoly Fanomanana Laika (SE.FA.LA) tetsy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara Synodamparitany Iarivo Avaradrano Foibe Faravohitra Avaratra nandritra ny roa taona aho. Vita ny fanadinana ary tsara dia tsara ny laharako. Mbola misy anefa ny dinidinika an-taratasy momba ny sefalista soniavin'ny Mpitandrina niaviana sy ny Mpandrindra ny Synodamparitany ary ny famoahana amin'ny fomba ofisialy miaraka amin'ny diplôma vao azo tononina ho amin'izany aho. Tsy natao itadiavam-bola na ivelomana io fa anjara fanompoana azoko atao ao amin'ny Fiangonana, fifampizarana andraikitra amin'ny Mpitandrina. Azo lazaina ho lalam-piainana nandalovana ny roa taona isaky ny Asabotsy nandalina izany sekoly fianarana izany. Fanombohana mahazatra isaky ny andro ianarana ny "Sermon Class" izay ifandimbiasan'ny mpianatra mitarika sy mitoriteny. Mandalo amin'izany avokoa na iza na iza amin'ny mpianatra. Mis...

Bosaka tsiambaratelo

Somary nangingina fa tao ambadika ihany. Izay mikarokaroka mety mahita fa manomboka manoratra ao amin'ny "Voices for Democracy and Justice" aho. Any no manoratra ilay lohahevitra lehibe sy mafana. Saingy ny soratako eto kosa tsy mety raha any no avoaka. Ny zavatra soratako ho anareo anio dia notazoniko ho tsiambaratelo ka na dia ny olona akaiky ahy indrindra tamin'izany fotoana izany aza tsy nilazako azy. Eto kosa navoakako satria mety ho tohin'ny tamin'izany ihany. Voaendaka aho tamin'ny 4 desambra 2009, teny akaikin'ny fandraisana fiara ho any Mahitsy. Olona efa lehibe iray no nanao prise ahy avy ao ambadika dia nosintonina ho any amin'ny lalamby aho. Boaikely ampolony amin'izay no nisintona ny zavatra rehetra taty amiko. Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy aho avy eo. Hatreo no fantatry ny maro. Ny manomboka eto kosa dia tsy nisy nilazako na iza na Iza fa notazoniko ho ahy samirery. Andro vitsivitsy taty aoriana, mbola tsy tapitra ny...

Fahadisoam-pamindra tena ratsy voalohany

Ny fahadisoam-pamindra dia izay nataon'ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Izay maharaka vaovao dia mahafantatra tsara fa mbola tena miasa mafy any ambadimbadika any ireo mpitondra teo aloha mba hiverenana amin'ny fitantanana eto Madagasikara. Ireo kaonty fako feno manerana ny tambajotra sosialy no mahatonga izany fahatsapana izany. Mila mitandrina mafy noho izany ny mpitondra mba tsy hibolisatra fa fahadisoam-pamindra iray monja dia mahalatsaka anaty vovo ary tena ho sarotra vao tafala ao raha tafala. Manaraka sy mitsikilo akaiky izay fihetsika rehetra ireo te-handavo, ary tsy izay ihany fa mamandrika sy manao fihantsiana ihany koa aza mba hanafaingana ny raharaha. Indrisy fa voafandrika ihany ny farany, ary any amin'ny tsy tokony hijabahana mihitsy. Io resaka kianjan'ny 13 mey io no tena saropady ho an'ny mpitondra ary tsy mamela mahazo araka ny fitenenana. Raha nanao fanambaràna ireo tanora sasantsasany ao amin'ny Gen Z fa hila...

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...

Mandevina alakamisy

Manatsara ny lalana handehanan'ireo mpandevina Sarotra ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy, indrindra ny afovoan-tany, izany hoe handevina na hanitrika na hanafina andro alakamisy izany. Tarazo no antony ary maro no tsy mahafantatra akory izay anton'izany. Andao horesahina mba hanabe voho ny fahalalantsika. Voalohany, niaina fahampanjaka ny ankamaroan'ny mponina teto Madagasikara talohan'ny fanjanahantany. Ny Mpanjaka no nitondra tamin'izany fotoana izany ary nomena hasina manokana. Ny andro Fandroana izay andro fampitomboana  ny hasin'ny Mpanjaka na ny Andriana no noraisina ho taombaovao ho an'ny teto afovoan-tany. Isaky ny andro Fandroana, noho izany, no taombaovaon'ny Malagasy eo ambany fahefan'ireo mpanjaka nomena ny hasina. Nokendrena ho andro alakamisy na alahady no faratampon'izany andro Fandroana izany.   Na nisy aza ny fahoriana nanjo ny sasany amin'ny mpanompony sy ny vahoakany dia afenina sy tsy ampahafantarina mihitsy hoe nisy...

Lahatsoratry ny fiandohan-taona

Efa ho tratra sahady ny herinandro fiandohan'ny taona araka ny fanisan'andro gregoriana. Miarahaba antsika rehetra nahadingana ny taona lasa ka tonga amin'izao taona vaovao 2026 izao. Izay inoantsika tsirairay avy anie hitondra antsika ho amin'ny tanjona izay tratrarintsika tsirairay avy mandritra ity taona vaovao izay diavintsika ity ka hidirantsika indray amin'ny taona manaraka anaty fahafaham-po. Manaraka izany indray, manomboka amin'izao fiandohan-taona izao ihany koa ny tolona hahatonga ny taombaovao malagasy mba ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama. Ny datinandro mifanandrify amin'izany dia ny 19-20 marsa 2026 ho avy izao. Raha amin'izao fotsiny tokoa, tsy olana izany fa mba ho fanandratana tokoa ny maha-malagasy, saingy inona moa no hitranga amin'ity taona ity? Io irery ihany ve no tokony hotandrovina? Milaza ny mpanandratra ity taombaovao fararano sy fanadiovana ity fa noho ny zavatra rehetra notontosaina tamin'ny 30 marsa 2025 no n...

Mitatatra ho an'ny soa iombonana

Ny filohan'ny " Association Mamy ny Soa " nanofa compacteur tany Atsimondrano ho amin'ny fanarenana ny lalana nandritra ny roa andro Tamin'ny 07 septambra no nambara tato amin'ity blaogy ity ny fanatontosana lanonam-panangonam-bola hanamboarana ny ampahan-dalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa ary mipaka amin'ireo tanàna hafa manodidina. Efa fantatra tamin'izany fotoana izany, noho ny hamoran'ny fanasana, fa tsy hahavita manontolo ny fanaovan-dalana mihitsy ny vola azo amin'izany, fa ny ampahan-dalana manahirana indrindra kosa no ezahina hovitaina mialoha ny firotsahan'ny orana.  Fony vita ny fanangonam-bola saingy mbola tsy nanomboka ny fanarenana ny lalana. Tsy maintsy natao aloha, avy amin'ny volan'ny tena manokana, ny anesorana ny atsanga (sy vato sy biriky) nanentsina ny lalan'ny rano ka nampitondraka ny riaka sy nanimba ny lalana izay mpitranga teo aloha. Teo amin'io sary io no niandohan'ny fahoriam-ba...

Ary raha asiana saram-pianarana amin'izay ny sekolim-panjakana?

Avy amin'i Joussia , — Travail personnel, CC BY-SA 4.0 Aza miakatr'afo avy hatrany raha vao mahita io lohateny io fa tsirin-kevitra famahana olana io. Ary tsy vitan'ny famahana olana fa fampiakaran-danja ny fampianarana ihany koa. Mba tsy hisy hanao kitoatoa na ny mpianatra sy ny ray aman-drenin'ny mpianatra na ny mpampianatra sy ireo mpandraharaha miaraka aminy. Tsy Maharesaka koa ny maharesaka raha tsy mahavita miresaka zavatra tarafina ho manafintohina nefa fikaroham-bahaolana. Andron'ny fanovana ihany koa isika koa tsy aleo ve aposaka aloha ny hevitra iaraha-midinika. Amin'izao fotoana izao isika dia ankavitsiana, mba tsy ilazàna hoe tsy misy biraom-panjakana na sampandraharaham-panjakana idiranao ka hoe maimaimpoana ny zavatra ataonao ao amin'izany birao izany. Eny amin'ny tobim-pitsaboana tantanin'ny fanjakana ny dokotera sy ireo mpitsabo miaraka aminy no mety hoe tsy andoavan'ny olona vola fa any amin'ny fanafody kosa no maro dia maro,...