 |
| Ny filohan'ny "Association Mamy ny Soa" nanofa compacteur tany Atsimondrano ho amin'ny fanarenana ny lalana nandritra ny roa andro |
Tamin'ny 07 septambra no nambara tato amin'ity blaogy ity ny fanatontosana lanonam-panangonam-bola hanamboarana ny ampahan-dalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa ary mipaka amin'ireo tanàna hafa manodidina. Efa fantatra tamin'izany fotoana izany, noho ny hamoran'ny fanasana, fa tsy hahavita manontolo ny fanaovan-dalana mihitsy ny vola azo amin'izany, fa ny ampahan-dalana manahirana indrindra kosa no ezahina hovitaina mialoha ny firotsahan'ny orana.
 |
| Fony vita ny fanangonam-bola saingy mbola tsy nanomboka ny fanarenana ny lalana. Tsy maintsy natao aloha, avy amin'ny volan'ny tena manokana, ny anesorana ny atsanga (sy vato sy biriky) nanentsina ny lalan'ny rano ka nampitondraka ny riaka sy nanimba ny lalana izay mpitranga teo aloha. Teo amin'io sary io no niandohan'ny fahoriam-bahoaka nahatonga ny lalana hamotaka tanteraka taty ambanimbany taty. |
 |
| Tahatahaka ny ahoana kosa lalana ho amboarina. Nisy tracto-pelle nandalo teo nandravona am-boalohany ilay lalana ho amboarina. Nihazakazahana aloha ny hanamafisana (totovato) ny lalana avy eo mba ho azon'ny fiara andehanana ary tsy malama hampibolisatra izay mandalo. |
Mbola ao anatin'ny fokontanin'i Lazaina izany ampahan-dalana izany nefa ny KOmitin'ny Lalana ISahafa no tena tompo-marika tamin'ny fanaovana izany lalana izany eo ambany fiahian'ny Kominina Anosy Avaratra mazava loatra. Samy nanao izay anjara tandrifiny avokoa ny tsirairay, na tompon'andraikitra ao amin'ny fiadidiana ny tanàna izy na olon-tsotra mifarimbona ho amin'izany fanamboarana ny lalana izany.
 |
| Ezaka totovato talohan'ny hanaovana ny tatatra mba ho azon'izay mandalo ampiasaina araka ny tokony ho izy ny lalana. Samy nandray anjara avokoa ny rehetra. Teto no nahitana fa tena malalaka ny lalana raha ny tokony ho izy fa tsy tahaka ny teo aloha saika tsy azo ifanenana. Olana kely fotsiny ny tsy namelan'ny tompony ny hanesorana ireo zava-maitso atsimon'ny lalana (ankavanana raha amin'ny sary mitsivalana) fa raha tsy izany dia tena tazana tsara izay hifanena avy any ambony na avy any ambany. |
Ankehitriny, azo lazaina fa vita ny tatatra eo amin'ny toerana lazaina ho ratsy lalana indrindra, ary efa afa-po ihany ny tena. Afa-po satria raha nandriaka tahaka ny nivadika ho renirano ny lalana miditra an'i Lazaina, tamin'ny nisian'ny orana nivatravatra teo dia lasa tao anaty tatatra avokoa izany rano izany rehefa hiditra tao amin'ny faritra nanaovanay ny asa. Tahaka ireny zara fa nisy orana ireny ilay izy rehefa nodiavina. Faritra kely dia kely teny ambany faramparan'ny tatatra ihany no somary nihoatra kely ny tatatra ny rano nefa tsy nisy fiantraikany tamin'ny lalana izany.
 |
| Fanaovana ny tatatra amin'ny tapany ambony amin'ny lalana. Fanombohana sy tohiny. |
 |
| Regard voalohany eny ambony izay olon-tsotra ao Isahafa Ankadivory ao no nanapa-kevitra hamita azy io misy rano io tamin'ilay orambe. |
 |
| Izay hitantsika izay ny tapany ambony amin'ny tatatra namboarina mandra-pahatonga eto amin'ity tetezankely miditra amin'ny tranon'olona ity. |
 |
| Mifanandrify amin'ny lalana ratsy indrindra teo aloha izao famitana tatatra izao |
 |
| Nahazoanay traikefa tsara ny fanaovana tatatra rehefa mby amin'ny marindrano ny lalana |
 |
| Efatra ny regards natao tao antenantenany tao fa mbola feno fasika ihany rehefa tonga aty. |
 |
| 300 metatra tany ho any ny fanatatarana |
Efa azo heverina ho nofiratsy sisa ny lalana mamotaka sy malama raha mandeha amin'ilay lalana. Vao ny tatatra fotsiny no vita fa tokony hiditra indray amin'ny lafiky ny lalana isika dia hita eo hoe inona ny lalana ho atao eo amboniny eo: goudron ve? dalle na beton ve? sa hijanona amin'ny lafika izay tsy maintsy totovato aloha? Mandeha toy ny rano ihany koa anefa ny vola nanaovana ny fanarenana ny lalana ka miantso hatrany sy mandrakariva ny fandraisan'ny tsirairay anjara ho amin'izany. Indreo misy sary azontsika jerena ahitantsika ny fivoaran'ny fanaovan-tatatra tsy maintsy atao alohan'ny fanaovan-dalana raha tiana hateza ny lalana.

 |
| Tsy maintsy nesorina io fasika mandrevo io ka! |
 |
| Manantena izahay fa hampihetsi-po hahatonga anao handray anjara amin'ny fanarenana ny lalana koa izay nasehonay izay. Fanatsarana lalana amin'izay no ataontsika sa ahoana?
|
Commentaires