Sarotra ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy, indrindra ny afovoan-tany, izany hoe handevina na hanitrika na hanafina andro alakamisy izany. Tarazo no antony ary maro no tsy mahafantatra akory izay anton'izany. Andao horesahina mba hanabe voho ny fahalalantsika.
Voalohany, niaina fahampanjaka ny ankamaroan'ny mponina teto Madagasikara talohan'ny fanjanahantany. Ny Mpanjaka no nitondra tamin'izany fotoana izany ary nomena hasina manokana. Ny andro Fandroana izay andro fampitomboana ny hasin'ny Mpanjaka na ny Andriana no noraisina ho taombaovao ho an'ny teto afovoan-tany. Isaky ny andro Fandroana, noho izany, no taombaovaon'ny Malagasy eo ambany fahefan'ireo mpanjaka nomena ny hasina. Nokendrena ho andro alakamisy na alahady no faratampon'izany andro Fandroana izany.
Na nisy aza ny fahoriana nanjo ny sasany amin'ny mpanompony sy ny vahoakany dia afenina sy tsy ampahafantarina mihitsy hoe nisy nodimandry tatsy na taroa fandrao mahatezitra ny mpanjaka izany. Ny ahafantarana fa misy fahoriana ao amin'ilay olona dia tsy mandehitra afon'arendrina ao aminy izy amin'ny fotoana fanaovana izany mandritra ny fandroana. Efa vita tanteraka ny fikarakarana manontolo ny fandroana izay mihoatra ny herinandro vao mahazo mandevina na manalady (mamangy manjò). Amin'izao fotoana anefa toa tsy mampaninona ny maro ny mandevina taombaovao, nefa tsy azo natao mihitsy ny manamaloka ny fifaliam-bahoaka ankapobeny fahiny.
Rehefa nahazo vahana ny fivavahana kristiana dia nahenan'ireo tsy manaraka izany fivavahana izany ny lanjan'ny alahady. Tsy haintsika loatra izay nitranga sy ny fotoana voalohany nanaovana izany fa lasa azo nandevenana ny andro alahady. Ny alakamisy ihany sisa no tena nofadiana mba tsy ho atao andro fandevenana. Ny talata dia arakaraka izay ataonao aminy no iverimberenan'iny zavatra ataonao iny, izay no maha-talata gorobaka azy ka heverina ho toy ny fahadalàna ny fandevenana talata satria lasa toy ny faniriana izany ny handevina matetika ao anatin'ny fotoana fohy. Fisainan'ny maro amin'ny Malagasy afovoan-tany izany. Andron'Andriana ny andro alakamisy ka tsy tokony hisy zavatra hanamaloka azy, indrindra fa hoe handevina amin'io andro io.
Ankehitriny, efa Repoblika i Madagasikara fa tsy entim-panjaka intsony. Fa mbola taraiky any amin'ny faha-mpanjaka ny fomba fisainana na dia efa nandalovan'ny fanjanahantany ampolony taona maro aza. Mitoetra izany amin'ny fisainana hoe tsy tokony handevina alakamisy. Saingy izao, misy ireo miezaka mandrava izany foto-pisainana mbola tavela izany, foto-pisainana mifototra amin'ny tahotra sy ny tsiny. Be ireo manilika fa ny fivavahana kristiana no maha-gida-maimbo an'i Madagasikara na mampahantra nefa tsy mahasahy manefy ny sainy ho sahy hihoatra ny fameperan'ny saina efa mamaka lalina ao amin'ny Malagasy. Raha sahy mandrava ny sakana ara-tsaina ifikirany ny Malagasy dia azo inoana amin'izay ny hampandroso azy satria efa tompon'andraikitry ny zavatra ataony izy... fa raha mbola hifanome tsiny eto dia vao mainka ilaozan'ny toetrandro sy ny firenenkafa.
Ny tsikaritry ny mpanoratra dia ireo avara-pianarana, ireo mpampianatra na/sy mpikaroka any amin'ny Oniversite ary ireo Mpiandry sy mafanafo amin'ny Fifohazampanahy Kristiana no tsy manisy olana mandevina Alakamisy na andro hafa fady satria efa mahafantatra tsara ny fakany sy ny fototry ny fady ry zareo.

Commentaires