Nianatra ho Mpitoriteny tao amin'ny Sekoly Fanomanana Laika (SE.FA.LA) tetsy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara Synodamparitany Iarivo Avaradrano Foibe Faravohitra Avaratra nandritra ny roa taona aho. Vita ny fanadinana ary tsara dia tsara ny laharako. Mbola misy anefa ny dinidinika an-taratasy momba ny sefalista soniavin'ny Mpitandrina niaviana sy ny Mpandrindra ny Synodamparitany ary ny famoahana amin'ny fomba ofisialy miaraka amin'ny diplôma vao azo tononina ho amin'izany aho. Tsy natao itadiavam-bola na ivelomana io fa anjara fanompoana azoko atao ao amin'ny Fiangonana, fifampizarana andraikitra amin'ny Mpitandrina.
Azo lazaina ho lalam-piainana nandalovana ny roa taona isaky ny Asabotsy nandalina izany sekoly fianarana izany. Fanombohana mahazatra isaky ny andro ianarana ny "Sermon Class" izay ifandimbiasan'ny mpianatra mitarika sy mitoriteny. Mandalo amin'izany avokoa na iza na iza amin'ny mpianatra. Misy ireo mpianatra ho Mpitoriteny ary misy kosa ireo mpianatra ho Mpiandry.
Raha ny fianarana ny heverina dia tena henjana dia henjana ny fitsipika mifehy ny ho Mpiandry noho ny ho Mpitoriteny. Manana karne manokana manko ireo ho Mpiandry famenoana mari-panatrehana tsy amin'ny fianarana ihany fa amin'ireo fotoana isan-karazany eo amin'ny Sampana Fifohazana sy any an-toby fifohazana.
Raha ny fanadinana kosa, ny ho Mpiandry mihevitra fa sarotra kokoa ny fanadinan'ny ho Mpitoriteny na... kahidy naoty kokoa ny mpitsara fanadinana manoloana ny ho Mpitoriteny noho ny ho Mpiandry. Hita tokoa izany rehefa nivoaka ny valim-panadinana. Ambony kokoa ny salan'isan'ny mpianatra ho Mpiandry noho ny salan'isan'ny mpianatra ho Mpitoriteny raha ny foibem-panadinana no ijerena azy. Ataoko fa fanehoana izany hoe mahasarotiny ireo Mpitandrina mpampianatra anay mihitsy ny fahaizana azo tamin'ny fianarana norantovina.
Nandritra io roa taona nianarana io aho dia tsy nanendry hanina mihitsy mandra-pirava, ny rano kosa misotro aho. Indray mandeha kosa nihinana mofogasy niaraka tamin'ireo mpiara-mianatra nandritra ny fakan-drivotra. Nataoko izany mba tsy ho antony hahatara ahy ny fahandroana sakafo na mety ho tafafoha maraina aza aho. Rehefa mirava kosa aho, matetika, no miantsena ho an'ny ao an-trano sy ny fivelomana.
Raha nianatra aho, tsy hoe vao hianatra ireo taranja nianarana fa nikendry ny hifampizara sy hifanakalo hevitra amin'ireo mpiara-mianatra, nosainiko ho karazana oniversite ilay izy. Tsy tontosa mihitsy izany satria mety ho matahotra ny namana noho ny tsy fahafantarana tsara ahy, na noho ny tahotra ahy sao dia mitarika ho amin-javatra hafa. Aleon'ny maro izay lazain'ny mpampianatra ihany. Ny fotoana tiako nanaovana izany fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra izany moa dia rehefa misy fotoana tsy tonga ny mpampianatra... fa mbola zatra ny maro hoe aleo tonga dia mody, izaho indray moa no mahatsiaro ho matiantoka.
Amin'ny Asabotsy 07 novambra 2026 ny famoahana raha sitrapon'Andriamanitra...

Commentaires