Efa ho tratra sahady ny herinandro fiandohan'ny taona araka ny fanisan'andro gregoriana. Miarahaba antsika rehetra nahadingana ny taona lasa ka tonga amin'izao taona vaovao 2026 izao. Izay inoantsika tsirairay avy anie hitondra antsika ho amin'ny tanjona izay tratrarintsika tsirairay avy mandritra ity taona vaovao izay diavintsika ity ka hidirantsika indray amin'ny taona manaraka anaty fahafaham-po.
Manaraka izany indray, manomboka amin'izao fiandohan-taona izao ihany koa ny tolona hahatonga ny taombaovao malagasy mba ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama. Ny datinandro mifanandrify amin'izany dia ny 19-20 marsa 2026 ho avy izao. Raha amin'izao fotsiny tokoa, tsy olana izany fa mba ho fanandratana tokoa ny maha-malagasy, saingy inona moa no hitranga amin'ity taona ity? Io irery ihany ve no tokony hotandrovina?
Milaza ny mpanandratra ity taombaovao fararano sy fanadiovana ity fa noho ny zavatra rehetra notontosaina tamin'ny 30 marsa 2025 no nahatontosana ny fandroahana ireo nanao ny tsy mety teto amin'ny firenena sy nahatontosana ny fiovana. Ny tsy nolazainy sy tsy ho ampahafantariny anao na oviana na oviana dia tamin'ny fotoana ifanoheran-dry zareo no nanombohana ara-bakinteny ny tolona fanoherana ny mpitondra sy ny zavatra nataony, dia ny fampijaliana ny olona amin'ny alalan'ny fanapahana araka ny maha-diavolana ny sainy ny jiro. Satria hay azo natao mihitsy ny tsy manapaka io jiro io izay niaretana nandritra ny taona maro.
Ny 25 septambra 2025 tokoa no mifanandrify tamin'ny taombaovao lohataona. Ny Malagasy amin'ny ankapobeny eo amin'ny fomban-drazany dia manaraka ny volana ny fanisan'androny fa tsy manaraka ny masoandro. Ny 25 septambra 2025 no maizim-bolana mankany amin'ny tsinambolana izay tsy inona fa fiandoham-bolana na voalohambolana araka ny fitenin'ny Baiboly, fa mifampitohy amin'izay fiandohan'ny taona ihany koa.
Rehefa natao ilay tolona dia telo herinandro no lany hahatontosa izany. Vaky ny lalana mankao amin'ny kianjan'ny 13 mey nokasain'ny mpitondra tamin'izany fotoana izany tsy ho tontosa mihitsy, kanjo ny fivadihan'ny miaramila no nampivadika ihany koa ny pejy sy ny tantaran'i Madagasikara.
Ny mahavariana, tahaka ny hoe mihaino ny Malagasy ny Tompo Andriamanitra fa nataony tonga avy hatrany koa ny orana izay tsy mba nirotsaka raha tsy andro krismasy teo alohaloha teo. Nataony ampoka tsara an'izany ny Malagasy ka afaka namboly tsy amin'ahiahy. Koa ny 30 marsa 2025 ve no nahatonga izany sa ny 25 septambra 2025? Aleo samy mandray ny azy.
Fa fotoana telo no mifampitontona amin'io 19-20 marsa 2026 io. Voalohany ny an'ireo mpandala ny fombandrazana nanohy ny talohan'ny fanjanahantany izay narahina hatramin'ny andron'Andrianampoinimerina izay tsy inona fa ny fandroana tamin'izany. Ny faharoa dia ny Aid-el-Fitr, fanapahana ny Ramadan fanaon'ny Miozolomana, izay nahatonga ihany koa ny andro fandroana ho lasa mifanandrify hatrany amin'io vanim-potoana io. Ary ny fahatelo dia izay itoloman'ny mpandala ny taombaovao fararano amin'izao fotoana izao ho hany taombaovao malagasy. Ka na ahoana izany na ahoana dia tsy maintsy ho andro tsy fiasana io noho ny efa maha-andro tsy fiasana ny Aid-El-Fitr fa ny amin'ny herintaona indray no ho ady sy tolona hafa indray.
Na izany na tsy izany dia mamerina hatrany ny firariantsoa ho antsika rehetra nahatratra izao taona vaovao izao ary ho ampoky ny soa hatrany anie isika.

Commentaires